Ireo loharano hafa
Fijoroana ho vavolombelona


Fijoroana ho vavolombelona

Ny fijoroana ho vavolombelona dia tenivavolombelona ara-panahy nomen’ny Fanahy Masina. Ny fototra ijoroan’ny fijoroana ho vavolombelona dia ny fahalalana fa velona sy tia antsika ny Ray any an-danitra. Velona i Jesoa. Zanakalahin’Andriamanitra Izy ary nanatanteraka ny Sorompanavotana tsy misy fetra. Mpaminany i Joseph Smith izay nantsoin’Andriamanitra hamerina ny filazantsarany amin’ny laoniny. Tarihin’ny mpaminany velona isika amin’izao andro izao ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonana marin’ny Mpamonjy eto an-tany. Rehefa manana an’ izany fototra izany dia mitombo ny fijoroana ho vavolombelona ka ahafaoka ireo fitsipika rehetra ao amin’ny filazantsara.

Fahazoana sy Fanamafisana Orina ny Fijoroana ho Vavolombelona

Amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao dia manana tombontsoa sy andraikitra masina ny hikatsaka ny fijoroanao ho vavolombelona ianao. Rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona ianao dia manana adidy ny hikolokolo izany mandritra ny fiainanao. Miankina betsaka amin’ny maha-“maherifo [anao] amin’ ny tenivavolombelon’ i Jesoa” ny fahasambaranao eto amin’ity fiainana ity ka hatrany amin’ny mandrakizay (F&F 76:79; jereo koa ny 76:51, 74, 101). Tsarovy ireto fitsipika manaraka ireto eo am-panarahanao izany dingana izany:

Ny fikatsahana fijoroana ho vavolombelona dia manomboka amin’ny faniriana marina sy amin-kitsimpo.

Hitahy anao arakaraky ny faniriana marina ao am-ponao sy ny ezaka ataonao hanao ny sitrapony ny Ray any an-danitra. Rehefa niresaka tamin’ny vondron’olona izay tsy mbola nanana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara i Almà dia nampianatra hoe: “Raha te hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ ny sainareo ianareo, na dia ho fanandramana ny teniko aza, ary hampihatra sombiny amin’ ny finoana, eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo amin’ ny fomba izay hahafahanareo manisa toerana ho an’ ny ampahany amin’ ny teny” (Almà 32:27).

Tonga avy amin’ny fitarihana malefaky ny Fanahy Masina ny fijoroana ho vavolombelona.

Mety ho mahagaga sy manova ny fiainana ny vokatry ny fijoroana ho vavolombelona, kanefa ny ny fanomezam-pahasoavan’ ny ny fijoroana ho vavolombelona dia mazàna tonga avy amin’ny fahazoana toky amim-pahanginana, ka tsy miaraka amin’ny fisehoan’ny herin’Andriamanitra amin’ny fomba mahatalanjona. Na dia i Almà aza, izay notsidihan’ny anjely sy nahita an’Andriamanitra nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nila nifady hanina sy nivavaka mba hahafahany mandray ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina (jereo ny Almà 5:45–46; 36:8, 22).

Hitombo tsikelikely amin’ny alalan’ny zavatra iainanao ny fijoroanao ho vavolombelona.

Tsy misy olona mahazo fijoroana ho vavolombelona feno ao anatin’ny indray mandeha. Hihamatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny alalan’ny zavatra iainanao. Hivelatra izany rehefa mampiseho ny fanirianao hanompo ato am-piangonana ianao rehefa mahazo antso. Hitombo izany rehefa mandray fanapahan-kevitra ny hitandrina ireo didy ianao. Ho hitanao fa hitohy hivoatra hatrany ny fijoroanao ho vavolombelona rehefa mampitraka sy mampatanjaka ireo hafa ianao. Hahazo fotoana handraisana fanentanam-panahy izay hanamafy orina ny fijoroanao ho vavolombelona ianao rehefa mivavaka, mifady hanina, mandalina ny soratra masina ary manatrika ireo fivoriam-piangonana. Ny fotoana toy izany dia hiseho mandritra ny fiainanao rehefa miezaka miaina ny filazantsara ianao.

Hitombo ny fijoroanao ho vavolombelona rehefa mizara izany ianao.

Aza miandry hoe efa mivelatra tanteraka ny fijoroanao ho vavolombelona vao hizara izany ianao. Ny ampahan’ny fivelaran’ny fijoroanao ho vavolombelona dia tonga rehefa zaraina izany. Raha ny marina dia ho hitanao fa rehefa manome izay anananao ao amin’ny fijoroanao ho vavolombelona ianao dia hiverina any aminao—amin’ny endriny mitombo be izany.

Fizarana ny Fijoroana ho Vavolombelona

Mety hahatsapa te-hizara ny fijoroanao ho vavolombelona ianao mandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona na mandritra ny resadresaka izay ataonao amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao na ny namanao. Tsarovy fa tsy mila manao lahateny lava sy manaitra ianao rehefa amin’ny fotoana toy izany. Hahery vaika kokoa ny fijoroanao ho vavolombelona rehefa fanehoana fohy sy avy amin’ny fo mikasika ny finoana ny Mpamonjy, ny fampianarany ary ny Famerenana amin’ny laoniny izany. Mivavaha mba hahazo fitarihana ary dia hanampy anao hahafantatra ny fomba hanehoanao ny fahatsapana ao am-ponao ny Fanahy. Hahita fifaliana goavana ianao rehefa manampy ireo hafa hahazo anjara amin’ny fanantenana sy ny fahatokiana izay nomen’ny Tompo anao.