Ireo loharano hafa
Fibebahana


Fibebahana

Ny fibebahana dia iray amin’ireo fitsipika voalohan’ny filazantsara (jereo ny Fanekem-pinoana 1:4). Zava-dehibe ho an’ny fahasambaranao eo amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay izany. Mihoatra noho ny fanekena ireo fahadisoana fotsiny ny fibebahana. Ny fibebahana dia fiovan-tsaina sy fiovam-po izay manome antsika fomba fijery vaovao momba an’Andriamanitra, sy ny tenantsika ary izao tontolo izao. Fialana amin’ny fahotana sy fitodihana any amin’Andriamanitra mba hahazoana famelan-keloka izany. Atosiky ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny faniriana marina hankatò ny didiny izany.

Ny Ilana ny Fibebahana

Nanambara ny Tompo fa “tsy misy zavatra tsy madio afaka mandova ny fanjakan’ ny lanitra” (Almà 11:37). Mahatonga antsika ho maloto—tsy mendrika ny hiverina sy hitoetra eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra ny fahotantsika. Mitondra fahoriana eo amin’ny fanahintsika eto amin’ity fiainana ity koa izy ireo.

Nanome ilay hany lalana mba hahafahanao hahazo famelan-keloka ny Ray any an-danitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny “Famelan-keloka,” pejy 63–65). Nizaka ny saran’ny otanao i Jesoa Kristy mba hahafahanao ho voavela heloka raha toa ka mibebaka amin-kitsimpo ianao. Ho voadio amin’ny fahotana ianao raha toa ka mibebaka sy miantehitra amin’ilay fahasoavany manavotra. Nanambara Izy hoe:

“Koa didiako ianao hibebaka—mibebaha, fandrao hamely anao amin’ ny tsorakazon’ ny vavako sy amin’ ny fisafoako ary amin’ ny fahatezerako Aho ary ho mamaivay ny fijalianao—mamaivay manao ahoana, tsy fantatrao, mangirifiry manao ahoana, tsy fantatrao, eny, sarotra zakaina manao ahoana, tsy fantatrao.

“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka;

“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy;

“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra ary hijaly na vatana na fanahy---ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra---

“Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona” (F&F 19:15–19).

Ny Zava-doza amin’ny Fanemorana ny Fibebahana

Aza hamaivanina ny fahotantsika na hahemotra ny fibebahantsika. Nampitandrina i Amioleka hoe: “Fa indro, izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’Andriamanitra; eny, indro, ny andron’izao fiainana izao no andro ho an’ny olona mba hanatontosany ny asany. … Miangavy anareo aho mba tsy hanemoranareo ny andron’ ny fibebahanareo hatramin’ ny farany; fa aorian’ izao androm-piainana izao, izay omena antsika mba hiomanana ho amin’ ny mandrakizay, indro, raha tsy mampiasa tsara ny fotoantsika isika raha mbola eto amin’ ity fiainana ity, dia ho avy ny alin’ ny haizina izay tsy misy asa azo atao” (Almà 34:32–33).

Ireo Singa ao anatin’ny Fibebahana

Dingana iray mifono fanaintainana ny fibebahana, kanefa mitondra famelan-keloka sy fiadanana maharitra izany. Nilaza tamin’ny alalan’ny mpaminany Isaia ny Tompo hoe: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala. Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy” (Isaia 1:18). Nampanantena ny Tompo amin’ity fotoampitantanana ity hoe: “Indro, izay efa nibebaka tamin’ ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony” (F&F 58:42). Ahitana ireto singa manaraka ireto ny fibebahana:

Finoana ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

Mahery vaika ny herin’ny fahotana. Tokony hitodika any amin’ny Rainao any an-danitra ianao sy hivavaka amim-pinoana raha te-ho afaka amin’izany. Mety manandrana mandresy lahatra anao i Satana fa tsy mendrika ny hivavaka ianao—fa tsy faly aminao ny Ray any an-danitra ka tsy hihaino velively ny vavaka ataonao Izy. Lainga izany. Vonona ny hanampy anao hatrany ny Rainao any an-danitra raha toa ka manatona Azy amin’ny fo vonona hibebaka ianao. Ananany ny fahefana hanasitranana anao sy hanampiana anao handresy ny fahotana.

Asa maneho ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fibebahana—fiekena ny herin’ny Sorompanavotany. Tsarovy fa amin’ny alalan’ny fepetra apetrany ihany no hahafahanao ho voavela heloka. Rehefa manaiky amim-pankasitrahana ny Sorompanavotany sy ny hery ananany hanadio anao amin’ny fahotana ianao, dia afaka mampiasa ny “finoa[nao] ho amin’ ny fibebahana” (Almà 34:17) ianao.

Alahelo vokatry ny Ota.

Mba hahafahana ny ho voavela heloka dia tsy maintsy manaiky ao anatinao ao ianao fa nanota. Rehefa miezaka ny miaina ny filazantsara ianao dia hitarika anao amin’ny “alahelo araka an’Andriamanitra,” izay “miasa fibebahana ho famonjena” ny fiekena toy izany (2 Korintiana 7:10). Ny fahatsapana alahelo araka an’Andriamanitra dia tsy tonga noho ny vokatra ara-boajanahary ateraky ny fahotana na satria noho ny fahatahorana ny famaizana; fa kosa tonga noho ny fahalalana fa nanao zavatra tsy nahafaly ny Rainao any an-danitra sy i Jesoa Kristy ianao. Rehefa mahatsapa alahelo araka an’Andriamanitra ianao dia manana faniriana amin-kitsimpo ny hiova ary fahavononana ny hanaiky izay zavatra takiana rehetra hahazoana famelan-keloka.

Fibabohana.

“Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po” (Ohabolana 28:13). Zava-dehibe ilaina amin’ny fahazoana famelan-keloka ny fahavononana hampahafantatra tanteraka amin’ny Rainao any an-danitra ny zavatra nataonao rehetra. Mandohaliha eo Anoloany ao anatin’ny fanaovana vavaka feno fanetren-tena, ka ekeo ireo fahotana nataonao. Ibabohy ireo zava-mahamenatra sy heloka nataonao ary dia mangataha fanampiana.

Ireo fandikan-dalàna goavana, toy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia mety hitera-doza amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao. Noho izany dia mila mibaboka ireo fahotana ireo amin’ny Tompo sy amin’ny Solontenany ao am-piangonana ianao. Atao eo ambany fanampian’ny evekanao na ny filohan’ny sampanao izany ary mety eo ambany fanampian’ny filohan’ny tsatòkanao na ny filohan’ny misiônanao koa, izay manompo ho toy ny mpiambina sy mpitsara ao amin’ny Fiangonana. Mitana anjara asa manan-danja eo amin’ny dingan’ny fibebahana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ireo na dia ny Tompo irery ihany aza no afaka mamela heloka. Hihazona ho tsiambaratelo ny fibabohanao sy hanampy anao mandritra ny dingan’ny fibebahana izy ireo. Aoka ianao hahitsy fo tanteraka eo anatrehan’izy ireo. Tsy ho afaka ny hamaha ireo olana goavana, ireo fandikan-dalàna tsy nibabohana ianao raha toa ka mibaboka amin’ny ampahany, ka tsy milaza afa-tsy ireo hadisoana madinidinika fotsiny. Raha toa ka manomboka haingana izany dingana izany ianao dia hahazo fiadanana sy fifaliana haingana koa izay avy amin’ny fahagagan’ny famelan-keloka.

Fahafoizana ny Ota.

Tsy ampy ny fibabohana na dia singa manan-danja iray ao amin’ny fibebahana aza izany. Nilaza ny Tompo hoe: “Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ ny fahotany ny olona—indro hibaboka izany izy ary hahafoy izany” (F&F 58:43).

Tazony ilay fanapahan-kevitra tsy voahozongozona sy tsy miova fa tsy hamerina intsony ilay fandikan-dalàna ianao. Tsy hiaina ny fijalijaliana avy amin’izany fahotana izany intsony ianao rehefa mitandrina izany fanoloran-tena ataonao izany.

Andosiro avy hatrany ireo toe-javatra mety mampidi-doza rehetra. Raha mahatonga anao na mety mahatonga anao hanota ny toe-javatra sasany dia ialao lavitra. Tsy afaka ny hisangisangy amin’ny fakam-panahy ianao ary manantena ny handresy ny fahotana.

Famerenana amin’ny laoniny.

Tokony ho ezahinao averina amin’ny laoniny arak’izay tratra ny zavatra rava vokatry ny fihetsika nataonao, na tamin’ny fananan’olona iray izany na tamin’ny lazan’ny olona iray. Ny famerenana amin’ny laoniny an-tsitrapo dia mampiseho amin’ny Tompo fa hanao izay rehetra azonao hatao ianao mba hibebahana.

Fiainana Amim-pahamarinana.

Tsy ampy ny fiezahana fotsiny hanohitra ny ratsy na hanaisotra ny fahotana ao amin’ny fiainanao. Tokony ho fenoinao fahamarinana ny fiainanao ary tokony hanolo-tena hanao zavatra izay mitondra hery ara-panahy ianao. Mirotsaha lalina ao anatin’ny soratra masina. Mivavaha amin’ny Tompo isan’andro mba homeny tanjaka mihoatra izay anananao ianao. Mifadia hanina indraindray hahazoana fitahiana manokana.

Ny fankatoavana tanteraka dia mitondra herin’ ny filazantsara amin’ny fahafenoany eo amin’ny fiainanao, ka ao anatin’izany ilay tanjaka izay mihamitombo handresena ireo fahalemenao. Izany fankatoavana izany dia ahitana ireo fihetsika izay mety tsy noeritreretinao tany am-boalohany fa tafiditra ao anatin’ny fibebahana, toy ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana, fandoavana ny fahafolonkarena, fanaovana asa fanompoana ary famelana ny heloky ny hafa. Nampanantena ny Tompo fa “izay mibebaka sy mankatò ny didin’ ny Tompo dia havela heloka” (F&F 1:32).