Ireo loharano hafa
Fifadian-kanina sy Fanomezana avy amin’ny Fifadian-kanina


Fifadian-kanina sy Fanatitra avy amin’ny Fifadian-kanina

Ny fifadian-kanina dia tsy fihinana sakafo sy tsy fisotroana rano an-tsitrapo mandritra ny fotoana voafetra iray. Afaka manampy antsika sy ireo hafa hiomana handray ireo fitahiana avy amin’Andriamanitra ny fifadian-kanina ampiarahana amin’ny vavaka amin-kitsimpo.

Ny Tanjon’ny Fifadian-kanina

Indray mandeha ny Mpamonjy nandroaka devoly tao amin’ny ankizy iray ary nampiasa izany zava-nitranga izany mba hampianarana ireo mpianany mikasika ny herin’ny vavaka sy ny fifadian-kanina. Nanontany Azy ireo mpianany hoe: “Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?” Namaly i Jesoa hoe: “Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. Kanefa iny karazany iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina.” (Jereo ny Matio 17:14–21.)

Mampianatra izany tantara izany fa ny vavaka sy ny fifadian-kanina dia afaka manome tanjaka fanampiny ho an’ireo izay manome sy mandray ireo tsodrano avy amin’ny fisoronana. Azo ampiharina amin’ny ezaka ataonao manokana hiaina ny filazantsara koa izany tantara izany. Raha toa ianao ka manana fahalemena na fahotana izay manahirana anao ny mandresy azy dia mety mila mifady hanina sy mivavaka ianao mba hahazoana ilay fanampiana na famelan-keloka nirianao. Tahaka ilay demony noroahin’i Kristy dia mety ho ilay karazany tsy ho resy raha tsy amin’ny alalan’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina ilay zava-manahirana anao.

Afaka mivavaka ho an’ny antony maro ianao. Fomba iray hitsaohana an’Andriamanitra sy hanehoana fisaorana Azy ny fifadian-kanina (jereo ny Lioka 2:37; Almà 45:1). Afaka mifady hanina ianao rehefa mangataka ny Ray any an-danitra hitahy ireo marary na ory (jereo ny Matio 17:14–21). Ny fifadian-kanina dia afaka manampy anao sy ireo olona tianao hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana ary hiova fo amin’ny fahamarinana (jereo ny Almà 5:46; 6:6). Afaka mahazo tanjaka hanoherana ny fakam-panahy amin’ny alalan’ny fifadian-kanina ianao (jereo ny Isaia 58:6). Afaka mifady hanina ianao rehefa miezaka ny hanetry ny tenanao eo anoloan’Andriamanitra ary hampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Ômnia 1:26; Helamàna 3:35). Afaka mifady hanina ianao mba handraisana fitarihana eo amin’ny fizarana ny filazantsara sy eo amin’ny fanandrianana ireo antso ato am-piangonana (jereo ny Asan’ny Apôstôly 13:2–3; Almà 17:3, 9; 3 Nefia 27:1–2). Azo ampiarahana amin’ny alahelo na fitomaniana amin-kitsimpo ny fifadian-kanina (jereo ny Almà 28:4–6; 30:1–2).

Alahady Fifadian-kanina

Manokana Alahady iray isam-bolana ny Fiangonana ho andro fifadian-kanina, izay araky ny mahazatra dia ny Alahady voalohany. Ny fitandremana araky ny tokony ho izy ny Alahady fifadian-kanina dia ahitana ny tsy fihinana sakafo sy tsy fisotroana rano mandritra ny fotoam-pisakafoanana roa mifanesy, ny fanatrehana ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona ary ny fanolorana ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina mba hikarakarana ireo izay mila fanampiana.

Ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina arotsakao dia tokony farafahakeliny ny vidin’ ireo sakafo roa tsy nohaninao. Rehefa azo atao dia aoka ianao ho malala-tanana ary hanome mihoatra noho io vola io.

Ankoatry ny fanajana ny andro fifadian-kanina natokan’ny mpitariky ny Fiangonana dia afaka mifady hanina amin’ny andro hafa koa ianao, arakarak’izay zavatra ilainao sy izay ilain’ireo hafa. Kanefa tsy tokony hifady hanina matetika loatra na maharitra ela loatra ianao.

Ny Fifadian-kanina Marina

Nandritra ny Toriteny teny An-tendrombohitra dia nampianatra ny endriky ny fifadian-kanina marina i Jesoa. Niresaka mikasika ireo mpihatsaravelatsihy Izy, izay rehefa mifady hanina dia, “malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ny olona fa mifady.” Tokony hifady hanina “ho hitan’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina [ianao]; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao” fa tsy hoe maneho ety ivelany fa miaina amim-pahamarinana (Matio 6:16–18).

Nampianatra ny foto-kevitry ny fifadian-kanina marina ihany koa ny mpaminany Isaia: “Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako? Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena? mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ny namanao ianao? (Isaia 58:6–7).

Nijoro ho vavolombelona tamintsika koa i Isaia mikasika ireo fitahiana izay tonga rehefa mifady hanina isika: “Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr’i Jehovah ho vodilalanao. Ary amin’izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. … Ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana: Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia hotahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra” (Isaia 58:8–11).