Ireo loharano hafa
Firaisan-kina


Firaisan-kina

Taloha kelin’ny nanaovan’ny Mpamonjy ny Sorompanavotana dia nivavaka ho an’ny mpianany Izy, izay nalefany eran’izao tontolo izao mba hampianatra ny filazantsara. Nivavaka ihany koa ho an’ireo hino Azy Izy noho ny tenin’ireo mpianany. Nivavaka ny hisian’ny firaisan-kina Izy: “Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka anao Ray ato amiko, ary izaho koa ao aminao mba ho ao amintsika koa izy mba hinoan’izao tontolo izao fa ianao na naniraka Ahy” (Jaona 17:21).

Ianarantsika avy amin’io vavaka io ny fomba hampiraisan’ny filazantsara antsika amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary hampiraisan’ny filazantsara antsika samy isika. Miova ny toetoetrantsika rehefa miaina ny filazantsara, sy mandray ireo ôrdônansy manavotra ary mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika. Manamasina antsika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, ary afaka miaina ao anatin’ny firaisan-kina isika, mifaly amin’ireo fiadanana eto amin’ity fiainana ity ary miomana hiara-hitoetra amin’ny Ray sy ny Zanakalahiny mandrakizay.

Nilaza ny Tompo hoe: “Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy” (F&F 38:27). Afaka mikatsaka sy mampivoatra izany fenitry ny firaisan-kina izany eo amin’ny fianakavianao sy ao am-piangonana ianao. Raha toa ka manambady ianao dia afaka ho iray ao anatin’ny tanjona sy ny asa ianao sy ny vadinao. Afaka mamela ireo toetra manokana anananareo ianareo mba hifameno rehefa miara-miatrika ireo fanamby ary rehefa mitombo fitiavana sy fahatakarana. Afaka miray hina amin’ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana sy amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana koa ianao amin’ny alalan’ny fiarahana manompo, fifampianarana ary fifanohanana. Afaka ny ho iray amin’ny Filohan’ny Fiangonana sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana ianao rehefa mandalina ny teniny sy manaraka ny toroheviny.

Afaka ny hiray hina ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra rehefa miroborobo manerana an’izao tontolo izao ny Fiangonana. Afaka “mifamihina ao amin’ ny firaisan-kina sy ny fifankatiava[ntsika samy isika]” ny fontsika (Mosià 18:21). Mankasitraka ireo fahasamihafana ara-kolotsaina sy eo amin’ny olona tsirairay isika kanefa afaka koa mikatsaka ny “firaisana am-pinoana” izay mitranga rehefa manaraka ireo mpitarika nentanim-panahy isika ary mahatsiaro fa zanaky ny Ray iray ihany isika rehetra (jereo ny Efesiana 4:3–6, 11–13).