Ireo loharano hafa
Ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy


Ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

Ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia fitahiana na fahaiza-manao izay nomena tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Manome farafaharatsiny iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo amin’ny mpikambana mahatokin’ny Fiangonana Andriamanitra. Rehefa mandray ireo fanomezam-pahasoavana ireo ianao dia hampatanjaka sy hitahy anao manokana ary hanampy anao hanompo ny hafa izany. (Jereo ny F&F 46:8–12.) Mampianatra mikasika fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy maro ny soratra masina:

Ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy ireo na ireo hafa voatanisa ao amin’ny soratra masina dia ohatra vitsivitsy ihany amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy maro. Mety hitahy anao amin’ny fomba hafa ny Tompo miankina amin’ny fahatokianao sy ny zavatra ilainao ary ny zavatra ilain’ireo tompoinao. Nandidy antsika hiasa amim-pahazotoana Izy mba hahafahantsika mahazo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy:

“Koa mitandrema fandrao voafitaka ianareo; ary mba tsy hahavoafitaka anareo, dia katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra ka tsarovy mandrakariva ny antony anomezana azy ireny;

“Fa lazaiko aminareo marina tokoa, omena ireny ho tombontsoan’ ireo izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko rehetra, ary izay mikatsaka ny hanao izany; mba hahazo tombontsoa ny rehetra izay mikatsaka na izay mangataka Amiko” (F&F 46:8–9; jereo koa ny 46:26).