Ireo loharano hafa
Fanehoana Fanajana


Fanehoana Fanajana

Ny fanehoana fanajana dia fanehoan-kaja sy fitiavana lalina. Rehefa manana toetra feno fanajana amin’Andriamanitra ianao dia manome voninahitra Azy, sy maneho ny fankasitrahanao Azy ary mankatò ireo Didiny.

Tokony haneho fanajana ianao eo amin’ny fihetsikao ary ny toetranao koa. Ny fihetsika feno fanajana dia ahitana ny vavaka, ny fandalinana ny soratra masina, ny fifadian-kanina ary ny fandoavana ny fahafolonkarena sy ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina. Tafiditra ao anatin’izany ny fitafiana maotina sy ny fampiasana fiteny madio sy tsara. Ny halalin’ny fanehoanao fanajana dia hita taratra amin’ny safidy ataonao eo amin’ny hira sy ireo fialam-boly hafa, eo amin’ny fomba firesakao mikasika ireo lohahevitra masina ary eo amin’ny fomba fiakanjonao sy ny fihetsikao rehefa mandeha any am-piangonana sy any amin’ny tempoly. Mampiseho ny fanajanao ny Tompo ianao rehefa manompo ny olon-kafa ary mitondra azy ireo amin-katsaram-panahy sy amim-panajana.

Rehefa lasa maneho fanajana bebe kokoa ianao dia hahita fiovana tsikelikely eo amin’ny fiainanao. Handrotsaka ny Fanahiny bebe kokoa eo aminao ny Tompo. Tsy dia hiahiahy sy hikorontan-tsaina loatra ianao. Afaka ny handray fanambarana izay hanampy anao hamaha ireo olan’ny tenanao manokana sy ny an’ny fianakavianao ianao.

Raha toa ka mampanakaiky anao bebe kokoa an’Andriamanitra ny fanehoana fanajana dia manatanteraka ireo tanjon’ny fahavalo kosa ny tsy fanehoana fanajana. I Satana dia haka fanahy anao mba hanaraka ny fironan’izao tontolo izao any amin’ny tabataba sy fientanentanana ary fifandirana bebe kokoa ary mba tsy hahalala onona sy tsy hanana fahamendrehana. Hanandrana hanakorontana ny fomba fifandraisanao amin’ny Tompo izy, toy ireny mpitarika manomana fanafihan’ny miaramila ireny. Mitandrema amin’ny tetik’ady toy izany ary miezaha haneho fanajana amin’ny zavatra rehetra ataonao.