Ireo loharano hafa
Fakam-panahy


Fakam-panahy

Ho “andro mahory” (2 Timoty 3:1) araky ny naminanian’ny Apôstôly Paoly azy tokoa ny andro farany. Mihanaka sy mahasarika ny fitarihan’ny fahavalo. Kanefa afaka mandresy an’i Satana sy manohitra ireo fakam-panahiny ianao. Ny Ray any an-danitra dia nanome anao ny fanomezan’ny fahafahana misafidy—izay hery ahafahana misafidy ny tsara amin’ny ratsy. Afaka “[manetry tena] eo anoloan’ ny Tompo sy [miantso] ny anarany masina [ianao] ary [miambina] sy mivava[ka] lalandava mba tsy hahazoana maka fanahy [anao] mihoatra noho izay azo[nao] zakaina” (Almà 13:28). Hampatanjaka anao mba hahafahanao manohitra ireo fakam-panahy ny Rainao any an-danitra rehefa mankatò an-tsitrapo ireo didiny ianao.

Hanampy anao handresy ireo fakam-panahy ireto torohevitra manaraka ireto:

Ampifantohy amin’ny Mpamonjy ny fiainanao.

Nanoro hevitra ny zanany lahy ny mpaminany Helamàna hoe: “Tsarovy, tsarovy fa eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ ny hantsan’ ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ ny olona mianjera raha miorina eo amboniny” (Helamàna 5:12).

Mivavaha hahazoana hery.

Rehefa tonga teo anivon’ireo Nefita ny Mpamonjy izay efa nitsangana tamin’ny maty dia nampianatra ireo vahoaka maro izy hoe: “Tsy maintsy miambina sy mivavaka mandrakariva ianareo fandrao miditra ao amin’ ny Fakam-panahy; fa maniry ny hahazo anareo i Satana mba hahazoany mikororoka anareo toy ny varimbazaha. Koa tsy maintsy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray amin’ny anarako ianareo”(3 Nefia 18:18–19). Nanome torohevitra mitovitovy amin’izany Izy amin’izao andro farany izao: “Mivavaha mandrakariva mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy; eny, mba hahazoanao mandresy an’ i Satana ary mba hahazoanao mandositra ny tanan’ ireo mpanompon’ i Satana, izay manohana ny asany” (F&F 10:5).

Mandalìna isan’andro ny soratra masina.

Hanome hery anao hanoherana ny fakam-panahy ny Tompo rehefa mandalina ireo fahamarinan’ny filazantsara sy mampihatra azy ireo eo amin’ny fiainanao ianao. Nampianatra i Nefia hoe: “Na zovy na zovy no hihaino ny tenin’ Andriamanitra sy te hihazona izany mafy, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy; ny fakam-panahy sy ny zana-tsipika mirehitry ny fahavalo dia tsy afaka hampanaiky azy koa ho amin’ ny fahajambana ka hitarika azy any amin’ ny famongorana” (1 Nefia 15:24; jereo koa ny Helamàna 3:29–30).

Fenoy hatsaram-panahy ny fiainanao.

Maro ireo zavatra tsara azonao isafidianana ka tsy mila mandray anjara amin’ireo faharatsiana ianao. Tsy mamela toerana ho an’ny zavatra hafa ianao rehefa mameno ny fiainanao amin’ny hatsaram-panahy.

Manalavira ireo toerana sy toe-javatra maka fanahy.

Tsy afaka manalavitra tanteraka ny fakam-panahy ianao kanefa afaka manalavitra ireo toerana na toe-javatra izay mety hahatonga anao ho voasariky ny fakam-panahy. Afaka misoroka izay zavatra ratsy ao amin’ny gazetiboky, boky, fahitalavitra, sarimihetsika sy hira sy ao amin’ny internet internet ianao.

Miezaha mitarika ny hafa hanao ny tsara.

Nivavaka ho an’ny Mpianany ny Mpamonjy talohan’ny nizakany ilay fijaliana tao amin’ny Sahan’i Getsemane: “Tsy naman’izao tontolo izao [izy], tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny hiaro azy amin’ny ratsy [amin’ilay ratsy]. Tsy naman’izao tontolo izao [izy], tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Manamasina azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanaoAhy ho amin’izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao” (Jaona 17:14–18). Afaka ny ho eto amin’izao tontolo izao ianao fa “tsy naman’izao tontolo izao” amin’ny maha-mpanara-dian’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany anao. Afaka mitarika ny hafa hanana fiainana tsara sy mahasoa ianao ankoatry ny fanalaviran’ny tenanao manokana ny fakam-panahy. Ianao dia afaka maneho ohatra tsara, afaka ho namana tsara sy handray anjara amin’ny asa fanompoana eo amin’ny fiaraha-monina, ary rehefa ilaina dia ampiakaro ny feonao mba hiarovana ny hasina ara-pitondrantena.

Aza misalasala velively amin’ireo fanapahan-kevitrao hanohitra ny fakam-panahy.

Miezaha manaraka ny ohatry ny Mpamonjy, izay “nalaim-panahy Izy saingy tsy nilefitra tamin’ ireny” (F&F 20:22). Tsy mba niroahanahana ny Tompo rehefa nalain’i Satana fanahy tao an-tany foana. Namaly haingana sy tamin’ny fomba hentitra Izy hoe: “Mialà ivohako ianao ry Satana” (Lioka 4:8). Afaka manohitra ireo fakam-panahin’ny fahavalo miaraka amin’ny finoana toy izany koa ianao amin’ny alalan’ny eritreritrao sy ny teninao ary ny fihetsikao izy feno fahatsarana. “Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatona an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy” (Jakoba 4:7–8).