Ireo loharano hafa
Tenin’ny Fahendrena


Tenin’ny Fahendrena

Ny Tenin’ny Fahendrena dia lalàn’ny fahasalamana nambaran’ny Tompo ho tombontsoantsika ara-batana sy ara-panahy. Ao amin’ity fanambarana ity, izay voarakitra ao amin’ny fizarana faha-89 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia milaza amintsika ireo sakafo tsara hohanina sy ireo zavatra hafa izay tsara ho an’ny vatantsika ny Tompo. Mampanantena fitahiana ara-panahy sy ara-batana Izy amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena.

Nandidy ny tsy handraisantsika ireto zavatra manaraka ireto ny Tompo ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena:

  • Toaka (jereo ny F&F 89:5–7).

  • Sigara (jereo ny F&F 89:8).

  • Dite sy Kafe (jereo ny F&F 89:9; nampianatra ireo mpaminanin’ny andro farany fa ny teny hoe “zava-pisotro mahamay” dia ilazana ny dite sy kafe).

Ireo zavatra rehetra manimba izay ampidirin’ny olona amim-panahy iniana ao amin’ny vatany dia tsy mifanaraka amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Mitombona tanteraka izany ho an’ireo zava-mahadomelina tsy ara-dalàna, izay afaka manimba ireo izay lasa miankin-doha amin’izy ireny. Alaviro tanteraka izy ireny. Aza manandrankandrana azy ireny. Mitarika any amin’ny fiankinan-doha manimba koa ny fanararaotana ny fihinanana fanafody sasany tsy araka ny tokony ho izy.

Nanambara ny Tompo fa ireto sakafo manaraka ireto dia tsara ho an’ny vatantsika:

  • Ireo legioma sy voankazo dia tokony ho ampiasaina “amin’ ny fahamalinana sy ny fankasitrahana” (jereo ny F&F 89:10–11).

  • Ny nofon’ireo “biby koa sy ny an’ ny voromanidin’ ny habakabaka,” izay “hampiasaina amin’ ny fitsitsiana” (jereo ny F&F 89:12–13).

  • Ireo voamaina toy ny varimbazaha, vary, izay “fanohanana ny aina” (jereo ny F&F 89:14–17).

Ireo Fitahiana amin’ny Fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena

Ho an’ireo izay mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena dia mampanantena ny Tompo hoe:

“Ny olomasina rehetra izay mahatsiaro ny hitandrina sy ny hampihatra ireo teny ireo sady mandeha amin’ ny fankatoavana ny didy dia hahazo fahasalamana eo amin’ ny foitrany ary tsoka ho an’ ny taolany;

“Ary hahita fahendrena sy rakitsoa lehiben’ ny fahalalana izy ireo, dia rakitsoa miafina;

“Ary hihazakazaka izy ireo fa tsy ho sasatra ary handeha fa tsy ho reraka.

“Ary Izaho Tompo dia manome azy ireo fampanantenana fa handalo azy ireo, tahaka ny tamin’ ny zanak’ i Isiraely, ny anjely mpandringana fa tsy hamely azy ireo” (F&F 89:18–21).

Mandresy ny Fiankinan-doha

Ny tsara indrindra dia ny manalavitra tanteraka ireo zavatra izay noferan’ny Tompo tsy ho raisina ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Kanefa raha toa ka lasa niankin-doha tamin’ny iray amin’ireo zavatra ireo ianao dia afaka manafaka ny tenanao amin’izany fiankinan-doha izany. Afaka mandresy ny fiankian-doha amin’ny alalan’ny ezaka ataon’ny tenanao manokana ianao, sy amin’ny alalan’ny herim-pahasoavan’ny Tompo, ny fanampian’ny olona ao amin’ny fianakaviana sy ny namana ary ny fitarihan’ireo mpitariky ny Fiangonana.

Mivavaha mba hahazo fanampiana, ary ataovy izay rehetra azonao atao mba hanoherana ny fakam-panahy izay tonga avy amin’izany fiankinan-doha izany. Tian’ny Rainao any an-danitra handray ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena ianao, ary hanome hery anao Izy ao anatin’ny ezaka an-kitsim-po ataonao.