Ireo loharano hafa
Asa Fitoriana


Asa Fitoriana

Rehefa miaina ireo fitahiana avy amin’ny fiainana ny filazantsara isika dia te-hizara ho azy ireo fitahiana ireo amin’ny hafa. Ny Tompo dia niresaka mikasika ny fifaliana izay tonga eo amin’ny fiainantsika rehefa mizara ny Filazantsarany:

“Ary raha toa ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!

“Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ny fanahy izay nentinareo ho Ahy ho ao amin’ny fanjakan’ny Raiko, akory ny ho halehiben’ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!” (F&F 18:15–16).

Ny Adidin’ny Mpikambana Tsirairay eo amin’ny Asa Fitoriana

Nanambara ny Tompo fa ny asa fitoriana dia andraikitry ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra (jereo ny F&F 88:81). Ianao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo anao dia afaka manampy amin’ny fanomanana ny olona ao amin’ny fianakavianao, ny namanao, ary ireo olom-pantatrao hafa hihaona amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno, amin’ny alalan’ny hatsarana eo amin’ny fiainanao sy ny tanjaky ny fijoroanao ho vavolombelona.

Ny hafatra mahery vaika mifono asa fitoriana izay azonao zaraina dia ny ohatra asehonao manokana amin’ny fananana fiainana feno fifaliana amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany anao. Tsarovy fa tsy noho ireo fitsipiky ny filazantsara nianarany fotsiny no hidiran’ny olona ho mpikamban’ny Fiangonana. Miditra ho mpikambana izy ireo satria mahatsapa zavatra izay manomboka manome fahafaham-po ny zavatra ilainy ara-panahy izy ireo. Rehefa minamana amin’izy ireo amim-pahitsim-po ianao dia ho afaka ny hahatsapa ny fanahin’ny fijoroanao ho vavolombelona sy ny fahasambaranao izy ireo.

Ankoatra ny fanehoana ohatra tsara dia afaka ny “ho vonona mandrakariva [ianao] hamaly izay manontany [anao] ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anati[nao]” (1 Petera 3:15). Afaka mivavaka mba hanana fahafahana hilaza amin’ny hafa mikasika ny filazantsara naverina amin’ny laoniny ianao. Dia mila vonona hatrany ianao satria maro ireo olona miandrandra ny fahamarinana.

Mirotsaka ho Misiônera amin’ny Fotoana Maharitra

Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, ny Tompo dia nandidy ny Mpianany “[handeha] … [hanao] mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” (Matio 28:19). Ho fanatanterahana izany didy izany dia manana andraikitra ny hiomana ara-panahy, ara-batana ary ara-pihetseham-po mba hirotsaka ho misiônera amin’ny fotoana maharitra ireo zatovolahy tomadin’ny Fiangonana. Manana fahafahana hirotsaka hanao asa fitoriana amin’ny fotoana maharitra koa ireo vehivavy tokan-tena sy ireo mpivady efa matotra. Raha manam-paniriana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana maharitra ianao dia miresaha amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao.

Manompo ireo Mpikambana Vaovao ato Am-piangonana

Tafiditra ao anatin’ny asa fitoriana ny fanampiana sy fanohanana ireo izay vao lasa mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa misaintsaina izany andraikitra izany ianao dia tsarovy fa mety hiatrika fitsapana maro ireo mpikambana vaovao rehefa tafiditra ato am-piangonana. Matetika mitaky azy ireo hanova ireo fahazarana teo aloha sy handao ireo namana sy ireo olona nifanerasera taloha ny fanoloran-tena vaovao noraisin’izy ireo. Ankoatra izany dia mampiditra fomba fiainana izay mety ho hafa sy mitaky ezaka kokoa ny Fiangonana.

Mila zavatra telo ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay: namana, andraikitra ary famokisana amin’ny “teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4). Afaka mandray anjara amin’izany fanolorana fanampiana izany ianao. Afaka ny ho namana foana ianao. Na dia tsy manana ny fahefana hanome antso na andraikitra ôfisialy ato am-piangonana aza ianao dia afaka miasa miaraka amin’ireo mpikambana vaovao toy ny manao asa fanompoana. Ary afaka mitady fomba ahafahana mizara ny tenin’Andriamanitra amin’ireo mpikambana vaovao ianao.