Ireo loharano hafa
Tsodranon’ny Patriarika


Tsodranon’ny Patriarika

Omena ireo mpikamban’ny Fiangonana mendrika amin’ny alalan’ny patriarika voatendry ny tsodranon’ny patriarika. Manambara ny taranaka niavianao ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ny tsodranon’ny patriarika nomena anao ary mitahiry torohevitra avy amin’ny Tompo ho an’ny tenanao manokana.

Rehefa mandalina ny tsodranon’ny patriarika nomena anao ianao ary manaraka ireo torohevitra ao anatiny dia hitondra fitarihana, fankaherezana ary fiarovana ho anao izany. Mba hahalalanao ny fomba hahazoana ny tsodranon’ny patriarika dia miresaha amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao.

Fanambarana ny Taranaka Niaviana

Ahitana ny fanambarana ny taranaka niavinao ny tsodranon’ny patriarika, izay manambara fa ianao dia avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely—taranak’i Abrahama, ary avy amin’ny iray amin’ireo fokon’i Jakoba. Maro amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany no avy amin’ny fokon’i Efraima, ilay foko izay nomena ny andraikitra lehibe hitarika ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany.

Mety ho voalaza ho avy amin’ny foko samy hafa ao amin’ny fokon’i Isiraely ny olona roa avy amin’ny fianakaviana iray ihany noho ny ra maro karazana mikoriana ao amintsika tsirairay avy.

Tsy mampaninona anefa na avy amin’ny ra mikoriana na avy amin’ny fananganana ny maha-taranaka anao avy ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao dia anisan’ny taranak’i Abrahama ianao ary mpandova ireo fampanantenana sy fitahiana rehetra hita ao amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama (jereo ny “Fanekempihavanan’i Abrahama,” pejy 105–106).

Mianatra Zavatra avy amin’ny Tsodranon’ny Patriarika Nomena Anao

Raha vao azonao ilay tsodranon’ny patriarika ho anao dia tokony hamaky izany amim-panetren-tena, sy ombam-bavaka ary matetika ianao. Fanambarana ho an’ny tenanao manokana avy amin’ny Rainao any an-danitra izany, izay mahafantatra ny tanjakao, sy ny fahalemenao ary ny hery anaty anananao mandrakizay. Hanampy anao hianatra ny zavatra andrandrainy avy aminao Izy amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika azonao. Mety ahitana fampanantenana, fanairana ary fampitandremana ny tsodranonao. Rehefa mandeha ny fotoana dia ho takatrao ny herin’ny fanambarana tehirizin’izany.

Rehefa manaraka ny torohevitra ao anatin’izany tsodranonao izany ianao dia tsy ho lavo na hivily lalana. Raha tsy manaraka izany torohevitra izany kosa ianao dia tsy afaka ny hahazo ireo tsodrano nampanantenaina.

Na dia mitahiry torohevitra sy fampanantenana manentana ny fanahy aza ny tsodranon’ny patriarika azonao dia tsy tokony hieritreritra ianao fa hamaly ireo fanontaniana rehetra anananao na hanome ny antsipirian’ny zava-drehetra izay hitranga eo amin’ny fiainanao izany. Raha toa ka tsy milaza mikasika ny zava-dehibe hitranga iray ny tsodranonao, toy ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana maharitra na fanambadiana, dia tsy tokony hieritreritra ianao fa tsy hanana izany fahafahana izany.

Torak’izany koa, tsy tokony hieritreritra ianao fa ireo zavatra rehetra voalaza ao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena anao dia ho tanteraka eo amin’ity fiainana ity. Ny tsodranon’ny patriarika dia mandrakizay, ary ny fampanantenany dia mivelatra hatrany amin’ny mandrakizay. Matokia fa raha toa ka mendrika ianao dia ho tanteraka amin’ny fotoan’ny Tompo ireo fampanantenana rehetra ireo. Ireo izay tsy tanteraka eto amin’ity fiainana ity dia ho tanteraka any amin’ny fiainana ho avy.

Masina sy natao ho anao manokana ny tsodranon’ny patriarika nomena anao. Mety afaka hizara izany amin’ireo olona akaiky anao ao amin’ny fianakavianao ianao, kanefa tsy tokony hamaky izany ampahibemaso ianao na hamela ny hafa hamaky na hanazava izany. Na ny patriarikanao na ny evekanao na ny filohan’ny sampanao dia tsy tokony hanazava izany.

Tehirizo ao am-ponao ireo teny sarobidy ao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena anao. Saintsaino izy ireo, ary iaino mba ho mendrika ny handray ireo tsodrano nampanantenaina ireo eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy ianao.