Ireo loharano hafa
Fianarana


Fianarana

Ny Tompo dia nandidy ny mba “[Hikatsahana] ny fianarana amin’ ny alalan’ ny fandinihana ary koa amin’ ny alalan’ ny finoana” (F&F 88:118). Nanoro hevitra antsika Izy mba hianatra ny filazantsara sy hahazo fahatakarana “[ny] zavatra any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin’ ny tany; zavatra izay efa nisy, zavatra izay misy, ary zavatra izay tsy maintsy ho avy tsy ho ela; zavatra izay eo an-toerana, zavatra izay any ivelany; ny ady sy ny fisavorovoroan’ ireo firenena, ary ny famaliana izay eo amin’ ny tany; ary fahalalana koa ireo firenena sy ireo fanjakana—Mba hahatonga [antsika] ho vonona amin’ ny zava-drehetra” (F&F 88:78–80).

Fianarana sy Fiofanana Arak’asa

Tokony hiasa foana ianao hampianarana ny sainao sy ny tananao mba hahafahanao mahita fahombiazana ao amin’izay lalam-piofanana nosafidianao. Ampiasao hanaovana ny tsara ny fianarana voarainao. Raha manao izany ianao dia ho fantatra amin’ny maha-olo-marina anao. Ho vonona amin’ireo zava-mahasoa ianao rehefa ho tonga izy ireo ary ho tombontsoa lehibe eo am-pelantanan’ny fianakavianao, sy ny Fiangonana ary ny fiaraha-monina misy anao ianao.

Tadiavo izay fianarana tsara indrindra misy. Ny sasany amin’izy ireo dia ny sampam-pianarana ambony sy ny oniversite, sekoly ara-teknika, fanarahana fampianarana any an-trano, fianarana eo anivon’ny fiaraha-monina ary fiofanana any amin’ny sekoly tsy miankina.

Seminera sy Institiota

Olomasin’ny Andro Farany 14 taona ka hatramin’ny 18 taona manerana an’izao tontolo izao no mandray anjara amin’ny seminera, izay manome fampianarana avy ao amin’ny soratra masina an-davan’andro. Ny institiota fianarana ny filazantsara dia manome fampianarana an-davan’andro miompana amin’ny lohahevitra samihafa mikasika ny filazantsara ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany 18 taona ka hatramin’ny 30 taona.

Ireo fandaharam-pianarana ireo dia manolotra tontolo ara-panahy sy ara-tsosialy izay ahafahan’ireo mpianatra mifandray eo am-pianarana bebe kokoa ny filazantsara.

Mba hahazoana fampahalalana mikasika ny seminera sy ny institiota dia manatona ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana.

Fianarana Mandritra ny Androm-piainana manontolo

Tohizo ny fitadiavana fahafahana hianatra mandritra ny fiainanao manontolo. Hanampy anao haharaka izay fahalalana azo farany mikasika ny asa nosafidianao sy ireo fahaiza-manao sy zava-mahaliana hafa. Ao anatin’izao tontolo miovaova haingana izao dia tokony hanokana fotoana ianao hianarana ny zavatra misy ankehitriny sy ny zavatra amin’ny hoavy.

Ankoatry ny fampivelarana ny fahalalanao amin’ny alalan’ny fandraisana fampianarana any an-tsekoly dia afaka manohy mianatra ianao amin’ny alalan’ny famakiana boky, fanatrehana lanonana ara-kolotsaina mampivelatra, fitsidihana tranom-bakoka sy toerana manan-tantara ary fandinihana ny tontolo manodidina anao.