Ireo loharano hafa
Fanetren-tena


Fanetren-tena

Ny hoe manetry tena dia ny fahatsapana amim-pankasitrahana ny fiankinanao amin’ny Tompo—mahatakatra fa mila ny fanohanany lalandava ianao. Ny fanetren-tena dia fanekena fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ireo talentanao sy ny fahaiza-manao anananao. Tsy mariky ny fahalemena, na henatra na tahotra izany. Fanehoana ny toerana misy ilay tena herinao izany. Afaka sady manana fanetren-tena ianao no tsy matahotra. Afaka sady manana fanetren-tena ianao no manana herimpo.

Ohatra lehibe tamin’ny fanehoana fanetren-tena i Jesoa Kristy. Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia niaiky hatrany Izy fa ny tanjany dia tonga avy amin’ny fiankinany amin’ny Rainy. Hoy Izy hoe: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona. … fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy” (Jaona 5:30).

Hampahatanjaka anao ny Tompo rehefa manetry ny tenanao eo anoloany ianao. Nampianatra i Jakoba hoe: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. … Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra [anao] Izy” (Jakoba 4:6, 10).