Ireo loharano hafa
Tempoly


Tempoly

Tena tranon’ny Tompo ara-bakiteny tokoa ireo tempoly. Toerana masina fitsaohana izay azon’ny Tompo tsidihina izy ireny. Ny tokantrano ihany no azo oharina amin’ireo tempoly raha eo amin’ny lafin’ny fahamasinany.

Nandidy ny vahoakany hanangana tempoly foana ny Tompo nandritra ny tantaran’ ny zanak’ olombelona. Amin’izao fotoana izao dia manatanteraka ilay antson’ny Tompo mba hanangana tempoly manerana an’izao tontolo izao ny Fiangonana, ary manao izay ahafahan’ny ankamaroan’ny zanaky ny Ray any an-danitra hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly.

Ôrdônansy ho an’ireo Velona

Ny tanjona voalohan’ny tempoly dia ny hanome ireo ôrdônansy ilaina ho an’ny fisandratantsika any amin’ny fanjakana selestialy. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia mitondra any amin’ny fahazoana ireo fitahiana lehibe indrindra izay azo avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ireo zavatra rehetra ataontsika ao am-piangonana—ny fivoriana sy fiaraha-mientana, ny ezaka atao eo amin’ny asa fitoriana, ireo lesona ampianarintsika sy ireo hira ao amin’ny fihirana hiraintsika—dia tokony hitondra antsika any amin’ny Mpamonjy sy any amin’ny asa izay ataontsika any amin’ny tempoly.

Ordônansy iray raisintsika any amin’ny tempoly ny fanafiana masina. Ilay teny hoe: fanafiana masina dia midika hoe “fanomezana” ary tena fanomezana avy amin’Andriamanitra tokoa ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Izany ôrdônansy izany dia ahitana torolalana mitohitohy ary ao koa ireo fanekempihavanana izay ataontsika mba hiaina amim-pahamarinana sy hanaraka ireo zavatra takian’ny filazantsara. Ny fanafiana masina dia manampy antsika hifantoka amin’ny Mpamonjy, sy ny anjara asany ao amin’ny drafitry ny Raintsika any an-danitra ary ny fanoloran-tenantsika hanaraka Azy.

Ôrdônansin’ny tempoly iray hafa ny fanambadiana selestialy, izay hamehezana ireo mpivady mandrakizay. Ny famehezana izay tanterahina any amin’ny tempoly dia mitohy mandrakizay raha toa ka mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataony ireo mpivady.

Teraka ao anatin’ny fanekempihavanana ireo ankizy nateraky ny ray aman-dreny izay nofehezina tany amin’ny tempoly. Tonga dia tafiditra ho azy ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay ireo ankizy ireo. Afaka ho tafiditra ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay anankiray koa ireo ankizy izay tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana rehefa vita famehezana ireo ray aman-drenin’ny ara-dalàna na nanangana azy. Atao any amin’ny tempoly ny ôrdônansin’ny famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreny.

Raha toa ianao ka efa nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly dia tsarovy hatrany ireo fanekempihavanana nataonao. Miverena matetika any amin’ny tempoly arak’izay vitanao. Raha toa ianao ka ray na reny, dia ampianaro ny zanakao ny lanjan’ny tempoly. Ampio izy ireo mba hiomana ho mendrika ny hiditra ny tempoly.

Raha toa ianao ka mbola tsy nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly dia atombohy dieny izao ny fiomananao. Mandehana any amin’ny tempoly mba handray anjara amin’ny batisa sy fandraisana ho mpikambana an’ireo izay efa nodimandry raha afaka manao izany ianao.

Ôrdônansy ho an’ny Maty

Afaka mandray ireo ôrdônansy amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly ireo izay efa nodimandry ka tsy mba nandray ireo ôrdônansy manan-danjan’ny filazantsara. Afaka manao izany asa izany ho an’ireo razambenao sy ireo hafa izay efa nodimandry ianao. Rehefa misolo tena azy ireo ianao dia azo atao batisa sy raisina ho mpikambana, mandray ny fanafiana masina ary mandray anjara amin’ireo famehezana ny mpivady sy ny famehezana ireo zanaka amin’ny ray aman-dreny.

Tokony hikaroka amim-pahavitrihana ireo firaketana mikasika ireo razambenao ianao mba hahafahana manatanteraka ireo asa atao ao amin’ny tempoly ho azy ireo.

Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mikasika ny asa atao ao amin’ny tempoly ho an’ireo efa nodimandry ary ny tantaram-pianakaviana dia jereo ny “Asa mikasika ny Tantaram-pianakaviana sy ny Tetiarana,” pejy 11–15.

Fahamendrehana Hidirana ny Tempoly

Tsy maintsy mendrika ianao vao afaka miditra ny tempoly. Manamarina ny fahamendrehanao ao anatin’ny dinidinika indroa miantoana ianao—iray miaraka amin’ny iray amin’ireo ao amin’ny episkôpà na ny filohan’ny sampana ary ny iray miaraka amin’ny iray amin’ireo ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna. Hihazona izay miseho ao anatin’ireo dinidinika ireo ho azy irery sy ho tsiambaratelo ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana manao izany. Hanontany mikasika ny fomba fiainanao manokana sy ny fahamendrehanao ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ireo isaky ny dinidinidika. Hanontaniana mikasika ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Ray any an-danitra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianao ary hanontaniana raha manohana ireo mpitarika maneran-tany sy eo an-toerana ao amin’ny Fiangonana. Ho angatahana ianao mba hanamarina raha madio ara-pitondrantena, mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena, mandoa ny Fahafolonkarena feno, miaina mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny Fiangonana ary tsy mikambana ao anatin’ny vondrona manao apôstazia na mifandray amin’izy ireo.

Raha toa manome valiny azo ekena amin’ireo fanontaniana mandritra ny dinidinika ianao ary raha toa ka afa-po ianao sy ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana fa mendrika ny hiditra ny tempoly ianao dia hahazo ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Hanasonia ny fahazoan-dalana ianao sy ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana, fahazoan-dalana izay hahafahanao hiditra ny tempoly ho an’ny taona roa manaraka raha toa ka mitoetra ho mendrika hatrany.

Manome fahafahana lehibe handinihanao ny fahamendrehanao sy ny lamim-piainanao ireo dinidinika mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Raha toa ka misy zavatra tsy milamina eo amin’ny fiainanao dia manaova fotoana mba hiresahana izany amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampanao mialohan’ny hanaovana ny dinidinika mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Afaka ny hanampy anao hiomana ho mendrika ny hihazona ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy.

Fitafian’ny Tempoly

Rehefa mandeha any amin’ny tempoly ianao dia tokony hanao izay fitafianao tsara indrindra, tahaka ny ataonao rehefa rehefa mandeha miangona. Rehefa ao anatin’ny tempoly ianao, dia soloinao amin’ireo akanjo fotsin’ny tempoly ny akanjonao. Ao amin’ny efitra fisoloana akanjo no hanaovana izany fisoloana akanjo izany, ka mampiasa lalimoara fampirimana akanjo ary toerana fisoloana akanjo mitokana ianao any. Tandrovana fatratra ny fahamaotinana ao amin’ny tempoly.

Rehefa apetrakao ao anatin’ny larimoara fampirimana akanjo ny akanjonao dia afaka avelanao any ireo zavatr’izao tontolo izao manelingelina ny sainao. Afaka manana fahatsapana ho iray sy mitovy amin’ny hafa ao amin’ny tempoly ianao rehefa miakanjo fotsy, satria mitovy daholo ny akanjon’ireo olona manodidina anao rehetra.

Fanaovana ny Garmentan’ny Tempoly

Rehefa nahazo ny fanafiana masina ianao dia mandray ny fitahiana hanao ny garmentan’ny tempoly mandritra ny androm-piainanao manontolo. Tsy maintsy manao izany araky ny torolalana nomena anao nandritra ny fanafiana masina ianao. Tsarovy fa miankina amin’ny fahamendrehanao sy ny fahatokianao amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny tempoly ireo fitahiana izay mifanaraka amin’izany tombontsoa masina izany.

Manome fampahatsiahivana tsy tapaka mikasika ireo fanekempihavanana nataonao tany amin’ny tempoly ny garmenta. Tokony ho hajainao tsara izany amin’ny fotoana rehetra. Tsy tokony ho asehonao amin’ireo izay tsy mahatakatra ny dikany izany ary tsy tokony ho ampifanarahanao amin’ny endriky ny fitafy maro samihafa. Manome fiarovana hanoherana ny fakam-panahy sy ny faharatsiana izany rehefa hanaovanao araky ny tokony ho izy. Ny fanaovana ny garmenta dia fanehoana ety ivelany ny fanoloran-tena ao anatinao fa hanaraka ny Mpamonjy.

Ireo Fitahiana avy amin’ny Fandehanana any amin’ny Tempoly

Ankoatry ny maha-toerana hanatanterahana ôrdônansy masin’ny fisoronana azy dia toeran’ny fiadanana sy fanambarana koa ny tempoly. Afaka mitondra ireo zavatra mampiahiahy anao any amin’ny tempoly ianao rehefa manana olana na rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe izay manahirana mafy ny sainao. Afaka mahazo fitarihana ara-panahy ao ianao.

Indraindray mety mahatsapa ho tsy afaka ny mieritreritra tsara ianao vokatry ny havesatry ny olana mianjady aminao ary ireo zavatra maro mitaky ny ho sahanin’ny saina. Afaka mitsahatra ny fiantraikan’ireo zava-manahirana anao ireo any amin’ny tempoly ary afaka misava ny zavona, ary afaka mahatakatra ireo zavatra tsy takatrao teo aloha ianao. Afaka mahita fomba vaovao hafa mba hiatrehana ireo fanamby manoloana anao ianao.

Hitahy anao ny Tompo rehefa manatanteraka ireo ôrdônansy masin’ny tempoly ianao. Ary ireo fitahiana omeny anao dia tsy ho voafetra fotsiny hoe mandritra ny fotoana hitoeranao ao amin’ny tempoly. Hitahy anao eo amin’ny lafim-piainanao rehetra Izy. Hampatanjaka sy hampadio anao ara-panahy ireo asa atao ao amin’ny tempoly.