Ireo loharano hafa
Sabata


Sabata

Ny Sabata dia andron’ny Tompo, izay atokana isan-kerinandro hitsaharana sy hitsaohana. Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, dia nanaja ny Sabata tamin’ny andro fahafiton’ny herinandro ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra satria nitsahatra tamin’ny andro fahafito Andriamanitra rehefa nahary ny tany. Nanamafy ny lanjan’ny fanajana ny Sabata tao amin’ny Didy Folo ny Tompo:

“Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.

“Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra:

“Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin’izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao:

“Fa henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito; izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy” (Eksodosy 20:8–11).

Taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, izay nitranga tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia nanomboka nitandrina ny Sabata tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, izay ny Alahady, ireo mpianatry ny Tompo (jereo ny Asan’ny Apôstôly 20:7).

Amin’izao andro farany izao dia nandidy antsika hanohy hanaja ny Sabata ny Tompo. Nampanantena Izy fa raha mankatò ny didiny isika dia handray “ny fahafenoan’ny tany” (jereo ny F&F 59:16–20).

Satria andro masina ny Sabata dia tokony hatokana hanaovana ireo asa mendrika sy masina. Tsy ampy ny fitsaharana amin’ny asa sy fialam-boly. Raha ny marina dia tsy mahomby ny fihazonantsika ny andro Sabata ho masina raha toa ka mipetrapetraka fotsiny tsy manao na inona na inona isika. Tao anatin’ny fanambarana nomena an’i Joseph Smith tamin’ny 1831 dia nandidy ny Tompo hoe: “Ary mba hahazoanao miaro tanteraka kokoa ny tenanao tsy ho voapentimpetin’ izao tontolo izao, dia handeha ho any amin’ ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ ny androko masina. Satria marina tokoa fa izany no andro voatendry ho anao hitsaharanao amin’ ny asanao ary hanatanterahanao ny fanompoana ny Avo Indrindra” (F&F 59:9–10). Mifaranaka amin’izany fanambarana izany ihany dia manatrika ny fivoriana fanasan’ny tompo isika isan-kerinandro. Ireo zavatra atao mandritra ny andro Sabata dia mety ahitana ny fivavahana, fisaintsainana, fandalinana ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany, fanoratana taratasy ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviana sy ny namana, famakiana boky mahasoa, fitsidihana ireo marary sy ory ary fanatrehana ireo fivoriam-piangonana hafa.