Ireo loharano hafa
Fanendrena mialoha


Fanendrena mialoha

Tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny fiainana an-tany dia nanendry fanahy maromaro Andriamanitra hanatanteraka iraka manokana mandritra ny fiainany eto an-tany. Antsoina hoe fanendrena mialoha izany.

Ny fanendrena mialoha dia tsy manome antoka fa handray antso na andraikitra manokana ny olona iray. Ny tombontsoa toy izany dia tonga eto amin’ity fiainana ity vokatry ny fampiasana amim-pahamarinana ny fahafahana misafidy, toy ny fanendrena mialoha izay miseho vokatry ny fahamarinana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Notendrena mialoha i Jesoa Kristy mba hanatanteraka ny Sorompanavotana, ka ho lasa “Zanak’ondry, Izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” (Apokalypsy 13:8; jereo koa ny 1 Petera 1:19–21). Milaza mikasika ireo olona hafa izay voatendry mialoha ny soratra masina. Nahafantatra mikasika ny fanendrena azy mialoha ny mpaminany Abrahama rehefa nahazo fahitana iray izy izay nahitany “[ny] maro [tamin’ireo] ambony sy lehibe” teo anivon’ireo fanahy tao amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahana. Hoy izy hoe: “Ary hitan’ Andriamanitra ireo fanahy ireo fa tsara, ary Izy dia nijoro teo afovoan’ izy ireo ka nanao hoe: Ireto no hataoko mpanapako; fa nijoro teo anivon’ ireo izay fanahy Izy ary nahita fa tsara ireo; ary hoy Izy tamiko: Ry Abrahama, anisan’ ireo ianao; efa nofinidy ianao talohan’ ny nahaterahanao” (Abrahama 3:22–23). Nilaza tamin’i Jeremia ny Tompo hoe: “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena” (Jeremia 1:5). Notendrena mialoha hanomana ny olona amin’ny asa fanompoana eto an-tany ho ataon’ny Mpamonjy i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny Isaia 40:3; Lioka 1:13–17; 1 Nefia 10:7–10).

Mihatra amin’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny fotopampianaran’ny fanendrena mialoha, fa tsy amin’ny Mpamonjy sy ireo Mpaminaniny ihany. Talohan’ny nahariana ny tany dia nomena andraikitra miavaka ireo vehivavy mahatoky ary notendrena mialoha ho ao amin’ireo anjara andraikitry ny fisoronana ireo lehilahy mahatoky. Na dia tsy tadidinao aza izany fotoana izany dia azo antoka fa nanaiky ny hanatanteraka andraikitra manan-danja ianao ao anatin’ny fanompoana ny Rainao. Rehefa manaporofo ianao fa mendrika dia homena fahafahana hanatanteraka ireo andraikitra izay azonao avy eo.