Ireo loharano hafa
Fahoriana


Fahoriana

Anisan’ny tafiditra ao amin’ny drafitry ny fanavotan’ny Ray any an-danitra ny handalovanao fahoriana mandritra ny fiainana eto an-tany. Ampahan-javatra sarotra ao anatin’ny fiainana ny fitsapana, ny fahadisoam-panantenana, ny alahelo, ny aretina, ary ny ratram-po, kanefa mitondra fivoarana sy fahadiovana ary fandrosoana ara-panahy izany raha toa ka mitodika any amin’ny Tompo ianao.

Avy amin’ny loharano maro samihafa ny fahoriana. Mety hisy fotoana hiatrehanao fitsapana vokatry ny fieboeboanao sy ny tsy fankatoavanao. Izany fitsapana izany dia azo sorohina amin’ny alalan’ny fiainana ao anatin’ny fahamarinana. Ireo fitsapana hafa dia ampahany voajanahary eo amin’ny fiainana ary mety hitranga indraindray rehefa iny ianao miaina amim-pahamarinana iny. Ohatra, mety hiaina fitsapana ianao amin’ny fotoan’ny aretina na fisalasalana na amin’ny fotoam-pahafatesan’ireo olon-tiana. Mety hitranga ny fahoriana indraindray vokatry ny safidy diso sy teny ary fihetsika mandratra ataon’ny hafa.

Miatrika ny Fahoriana Amim-pinoana

Ny fahombiazanao sy ny fahasambaranao, eto an-tany sy any amin’ny mandrakizay dia miankina tanteraka amin’ny fomba hiatrehanao ireo olana eo amin’ny fiainana.

Misy tantara iray mampiseho ireo fomba maro hiatrehana ny fahoriana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nandeha tany an-tany foana nandritra ny andro maro ny mpaminany Lehia sy ny fianakaviany, ka nampiasa ireo tsipìkany sy ny zana-tsipìkany izy ireo mba hihazana sakafo. Niatrika fahasahiranana izy ireo rehefa tsy azo nampiasain’ireo zanakalahin’i Lehia intsony ireo tsipìkany. Very ny vimiainan’i Lemoela sy i Lamana ary tapaka kosa ny an’i Nefia. Nanomboka nimonomonona nanohitra ny Tompo i Lamana sy i Lemoela rehefa noana sy vizana. Hatramin’i Lehia aza dia nanomboka nimonomonona koa. Tsy nanaiky ho kivy kosa anefa i Nefia tetsy ankilany. Nandeha niasa izy. Hoy ny fitantarany hoe: “Izaho Nefia dia nanao tsipìka tamin’ny hazo sy zana-tsipìka tamin’ny tapakazo mahitsy; noho izany aho dia nampirongo ny tsipìka sy zana-tsipìka ary antsamotady sy vato ny tenako. Ary hoy aho tamin’ny raiko: Aiza no halehako hahazoana hanina?” Rehefa nanetry tena noho ny tenin’i Nefia i Lehia dia nanontany ny Tompo izay toerana tokony haleha mba hahazoana sakafo. Namaly ny vavaka nataony ny Tompo ary nitarika an’i Nefia tany amin’ny toerana izay hahafahany mahazo sakafo. (Jereo ny 1 Nefia 16:15–31.)

Manao toa an’i Lamana sy i Lemoela ny olona sasany rehefa miatrika fahoriana. Be taraina sy manomboka ratsy toetra izy ireo. Mametraka fanontaniana izy ireo toy ny hoe: “Nahoana no mitranga amiko izao? Nahoana no tsy maintsy mijaly tahaka izao aho ankehitriny? Inona no zavatra nataoko ka nahatonga izao?” Saingy ireo fanontaniana ireo dia manana hery hibahanana ny eritreritr’izy ireo. Afaka manakona ny fomba fijeriny, manala ny heriny, ary manakana azy ireo tsy hiaina ireo traikefa tian’ny Tompo horaisin’izy ireo ny fanontaniana toy izany. Tokony hanaraka ny ohatra nasehon’i Nefia ianao fa tsy manao toy izany. Mametraha fanontaniana toy ny hoe: “Inona no tokony hataoko? Inona no azoko ianarana avy amin’izao zava-mitranga izao? Inona no tokony hovaiko? Iza no tokony ho ampiako? Ahoana no ahafahako mahatsiaro ireo fitahiana maro azoko ao anatin’ny fotoam-pisedrana?”

Ireo karazana fizahan-toetra samihafa dia mitaky karazana fomba fiatrehana samihafa. Ohatra, raha toa ianao ka iharan’ny aretina dia mety takiana fotsiny ianao mba hanana faharetana sy fahatokiana. Raha toa ianao ka mijaly noho ny teny na fihetsika nataon’ny olon-kafa dia tokony hiezaka ny hamela heloka ireo izay nanafintohina anao ianao. Raha toa ianao ka niharan’ny herisetra dia tokony hikatsaka fanampiana haingana dia haingana. Raha toa ka vokatry ny tsy fankatoavanao ilay fisedrana mitranga dia tokony hanitsy ny fitondran-tenanao ianao ary hikatsaka famelan-keloka amim-panetren-tena.

Na dia hiovaova hatrany aza ny endrik’ireo fomba sasantsasany iatrehanao ny fahoriana dia misy fomba iray izay tokony tsy hiova—dia ny fahatokianao ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Nampianatra ny mpaminany Almà hoe: “Na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra dia hotohanana izy amin’ ny fizahan-toetra azy sy ny fahasahiranany ary ny fahoriany, ary hasandratra izy amin’ ny andro farany” (Almà 36:3).

Matoky ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy

Rehefa matoky ny Ray sy ny Zanaka ianao dia hanana fahatokiana ianao fa tia anao amin’ny fomba tonga lafatra Izy ireo—sy tiany ho faly ianao ary hanampy anao hivoatra ara-panahy hatrany Izy ireo. Mitandrina ny didy ianao. Mikatsaka ny hahafantatra ny Sitrapony ianao, ary hanao ireo zavatra takiany na dia hafa aza ny zavatra irianao. Ny vavaka fangatahana fanampiana ataonao dia miaraka amin’ny fahatakarana fa ny Ray any an-danitra dia tsy hamaha ny zava-drehetra eo no ho eo —ary hamela anao hiandry Izy mba hahafahanao manohy mianatra sy mivoatra hatrany. Ao anatin’izany rehetra izany ianao dia hahita fampaherezana vokatry ny fahatokiana fa mahatakatra tsara ny fisedrana lalovanao ny Mpamonjy. Tafiditra ao anatin’ilay Sorompanavotana tsy manam-petra ilay hoe, nitondra teo Aminy “ny fanaintainana sy ny aretin’ ny olony Izy.” Izy dia nitondra teo Aminy “ny rofiny mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:11–12). Fantany ny fomba hanampiana anao satria niainany ny fanaintainana lalovanao. Raha mibanjina Azy amim-pinoana ianao dia homeny tanjaka hiatrehana izay mety fitsapana mihatra aminao.

Rehefa miezaka matoky ny Tompo ianao mandritra ny fotoam-pisedrana dia tsarovy ity torohevitra manaraka nomena tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ity:

“Izay mahatoky amin’ ny fahoriana, dia lehibe kokoa ny valisoany ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.

“Tsy hainareo jerena amin’ ny masonareo voajanahary amin’ izao fotoana izao ny fikasan’Andriamanitrareo momba ireo zavatra izay ho avy rahatrizay ireo, ary ny voninahitra izay hanaraka aorian’ ny fahoriana be.

“Fa tonga aorian’ ny fahoriana be ny fitahiana” (F&F 58:2–4).

Mahita Fiadanana sy Fifaliana mandritra ny Fahoriana

Afaka mahita fiadanana sy fifaliana ianao na dia eo am-piatrehana ireo fanamby sy alahelo aza. Ahitana ny tantaran’ny vahoaka marina iray izay nianatra ity fahamarinana ity ao amin’ ny Bokin’i Môrmôna. Namboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra izy ireo rehefa niharan’ny tsindry hazo lena teo ambany fitarihan’ny mpanapaka ratsy fanahy iray (jereo ny Môsià 24:8–12). Namaly ny Tompo hoe:

“Atrakao ny lohanareo ary manàna fahatokiana, satria fantatro ny fanekempihavanana izay efa nataonareo Tamiko; ary Izaho hanao fanekempihavanana amin’ ny oloko sy hanafaka azy hiala amin’ ny famatorana.

“Ary hohamaivaniko koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo na dia mbola ao anatin’ ny famatorana aza ianareo; ary izany no hataoko dia ny mba hahazoanareo mijoro ho vavolombelona ny Amiko rahatrizay sy mba hahazoanareo mahalala marina tokoa fa Izaho, Tompo Andriamanitra, dia mamangy ny oloko ao amin’ ny fahoriany” (Môsià 24:13–14).

Niatrika izany tamim-pinoana ireo vahoaka ireo ary dia “nohamaivanina ny enta-mavesatra izay nampitondraina an’ i Almà sy ny rahalahiny; eny, nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ ny Tompo rehetra” (Môsià 24:15).

Toy ireo olo-marina ireo koa dia afaka “manaiky amim-pifaliana sy amim-paharetana ny sitrapon’ ny Tompo rehetra [ianao],” ary mahafantatra fa hanome tanjaka hiatrehanao ny fisedrana Izy. Nampanantena Izy fa “ny zava-drehetra izay efa nampahoriana anareo dia hiara-hiasa hahasoa anareo sy ho voninahitry ny anarako” (F&F 98:3).