Ireo loharano hafa
Herisetra


Herisetra

Ny hoe herisetra dia fihetsika aseho amin’ny olona iray na amin’ny tena manokana izay miteraka faharatrana na zava-doza lehibe. Manimba ny saina sy ny fanahy ary matetika ny vatana koa izany. Mety hiteraka fikorontanan-tsaina, fisalasalana, tsy fahatokiana, ary tahotra isany. Fandikana ny lalàn’ny fiaraha-monina izany ary tena mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy. Manameloka ny fihetsika maneho herisetra amin’ny endriny rehetra ny Tompo—ara-batana, ara-nofo, ara-piteny, na ara-pihetseham-po. Ny fihetsika maneho herisetra dia mety hitarika any amin’ny fiatrehana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana.

Torohevitra ho an’ny Mpanao herisetra

Raha toa ianao ka nanao herisetra tamin’izay mety ho olona nifandray taminao dia tokony hibebaka amin’ny fahotanao ianao. Mitalahoa amin’ny Tompo mba hamela heloka anao Izy. Mangataha famelan-keloka amin’ireo izay nanehoanao herisetra. Miresaha amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao mba hahafahany manampy anao ao anatin’ny dingan’ny fibebahana ary, raha ilaina, dia mba hahafahany manampy anao handray torohevitra fanampiny na fanampiana hafa.

Raha toa ka ny fahatsapana hatezerana no nahatonga anao ho lasa mahery setra dia mianara mifehy ny toe-tsainao. Mivavaha amin’ny Tompo ary angataho Izy mba hanampy anao. Rehefa miaraka amin’ilay fomba fijery mitodika any amin’ny mandrakizay dia ho hitanao fa avy amin’ny zavatra tsy dia manan-danja loatra foana no nahatonga ny fahatezeranao.

Raha toa ianao ka meloka noho ny fanaovana herisetra ara-nofo dia ataovy izay hifehezanao ny eritreritrao. Tadidio fa misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainanao ny eritreritrao—“tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetran’[ny olona]” (Ohabolana 23:7). Alaviro ny pôrnôgrafia sy ireo zavatra hafa izay mety hampitsiry ny faniriana hanao zavatra feno fahavetavetana. Mivavaha mba hahafahanao “[m]andravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao [amin’]ny hatsaram-panahy” (F&F 121:45).

Fanampiana ho an’ireo Niharan’ny Herisetra

Raha toa ianao ka niharan’ny herisetra dia mikatsaha fanampiana tsy misy hatak’andro. Miresaha amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay raha ny tokony ho izy dia ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao kanefa misy fotoana mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na distrika. Afaka manampy anao hahafantatra ny zavatra tokony hataonao izy.

Matokia fa tsy hahazo tsiny vokatry ny zavatra ratsy nataon’ny hafa ianao. Tsy tokony hahatsapa ho meloka ianao. Raha toa ianao ka niharan’ny fanolanana na herisetra ara-nofo hafa, na niharan’ny herisetra ara-nofo izay nataon’olom-pantatra, na olona tsy fantatra na olona iray ao amin’ny fianakaviana mihitsy aza, dia tsy meloka amin’ny fahotan’ny tsy fahadiovam-pitondrantena ianao. Aoka ho fantatrao fa tsy manan-tsiny ianao ary tia anao ny Rainao any an-danitra.

Mivavaha mba hahazo fiadanana izay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany irery ihany no hahazoana azy (jereo ny Jaona 14:27; 16:33). Ny Mpamonjy dia niaina ny fanaintainanao sy ny fahorianao rehetra, na dia ireo izay vokatry ny nataon’ny hafa taminao aza, ary fantany ny fomba hanampiana anao (jereo ao amin’i Almà 7:11–12). Mifantoha amin’ny zavatra izay azonao fehezina toy ny fomba fiatrehanao ny fiainanao, toy izay hikatsaka ny hamaly faty. Mivavaha mba hanana hery hamelana heloka ireo izay nandratra anao.

Tohizo ny fikatsahana fanampiana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana any amin’ny misy anao mba hahafahany mitarika anao mandritra ilay dingan’ny fanasitranana ny ara-pihetseham-po. Afaka manajanona ny ambaratongan’ny herisetra ianao ary hahatsapa ho afaka amin’ireo fanaintainana izay niainanao amin’ny alalan’ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara.