Ireo loharano hafa
Fametrahan-tanana


Fametrahan-tanana

Ny fametrahan-tanana no fomba nambaran’ny Tompo hanatanterahana ireo ôrdônansy maron’ny fisoronana, toy ny fandraisana ho mpikambana, fanendrena, fanokanana ireo mpikambana mba hanompo ao amin’ny antso, fametrahan-tanana amin’ireo marary, ary tsodranon’ny fisoronana hafa (jereo ny F&F 42:44; Fanekem-pinoana 1:4–5). Ireo izay manana ny fahefan’ny fisoronana ilaina amin’izany no mametraka ny tanany eo ambony lohan’ireo izay handray ilay ôrdônansy. Rehefa manao izany izy ireo dia miasa toy ny fitaovana entin’ny Tompo hitahiana ireo Zanany (jereo ny F&F 36:2).

Izany fomba fanao izany dia efa nampiasan’ireo mpihazona ny fisoronana foana. Nanendry ny taranany lehilahy izay mendrika i Adama tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana (jereo ny F&F 107:40–50). Rehefa nanonona ireo tsodrano tamin’i Efraima sy Manase i Jakoba dia nametra-tanana teo ambony lohan’izy ireo (jereo ny Genesisy 48:14–19). I Almà dia “nanokana mpisorona sy loholona tamin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana, araka ny lamin’ Andriamanitra” (Almà 6:1). Nanome ny fanomezana ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ny Apôstôly Petera sy i Jaona (jereo ny Asan’ny Apôstôly 8:14–17). Nanome ny Fisoronana Aharôna ho an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana i Jaona Mpanao Batisa tamin’ity fotoampitantanana ity (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68–69).