Ireo loharano hafa
Fitiavana


Fitiavana

Ny fitiavana dia fahatsapana fanoloran-tena, fiahiana ary fankamamiana lalina. Toetra ananan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy ny fitiavana an’Andriamanitra sy ireo mpiara-belona (jereo ny Matio 22:35–40; Jaona 13:34–35; 2 Nefia 31:20). Asehontsika amin’ny alalan’ny fitandremana ny Didiny sy amin’ny fanompoana ireo Zanany ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Tafiditra ao anatin’ireo fomba fanehoantsika ny fitiavana ny hafa ny manao tsara fanahy amin’izy ireo, mihaino azy ireo, miara-ory amin’izy ireo, mampionona azy ireo, manompo azy ireo, mivavaka ho azy ireo, mizara ny filazantsara amin’izy ireo, ary minamana amin’izy ireo.

Mitombo ny fitiavantsika an’ireo izay manodidina antsika rehefa tsaroantsika fa zanak’Andriamanitra isika rehetra—fa fanahy izay mpirahalahy sy mpiarahavavy isika. Ny fitiavana vokatry ny fahatsapana izany dia manana hery ihoarana ireo fahasamihafana maro misy eo amin’ ny firenena, sy ny finoana ary ny volon-koditra.