Ireo loharano hafa
Joseph Smith


Joseph Smith

Tamin’ny lohataonan’ny 1820, dia nisy zatovolahy 14 taona antsoina hoe Joseph Smith izay nitady ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy rehefa avy namaky andalan-tsoratra masina iray tao amin’ny Baiboly: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany” (Jakoba 1:5; jereo koa ny Joseph Smith—Tantara 1:11–12). Nanaraka ny torohevitra avy tamin’io andalan-tsoratra masina io niaraka tamin’ny finoana tsotra sy tsy voahozongozona i Joseph kely. Nandeha irery tany amin’ny ala kely iray izy ka nivavaka tao mba hahafantarany hoe aiza ny fiangonana tokony hidirany. Ho valin’ny vavaka nataony dia niseho taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Tao anatin’ireo zavatra maro hafa dia nilaza taminy Izy ireo fa tsy tokony hiditra ho mpikambana amin’ireo fiangonana nisy tamin’izany izy. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:13–20.

Rehefa nanaporofo ny fahamendrehany i Joseph Smith dia nomena adidy masina mba ho lasa mpaminanin’Andriamanitra. Nanatanteraka asa lehibe sy mahatalanjona tamin’ny alalany ny Tompo, ka tao anatin’izany ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna, ny famerenana ny fisoronana tamin’ny laoniny, ny fanambarana ireo fahamarinana sarobidin’ny filazantsara, ny fananganana ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy, ary fametrahana ny asa atao an’ny amin’ny tempoly. Tamin’ny 27 Jona 1844, dia maty nandritra ny fanafihana nataon’ireo mpihetraketraka mitam-piadiana i Joseph sy Hyrum rahalahiny. Namehy ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona tamin’ny rany izy ireo.

Mba hahafeno ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia tokony hahitana ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ilay iraka masina nampanaovina an’i Joseph Smith izany. Ny fahamarinan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mifototra amin’ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohany ary ireo fanambarana hafa nomen’ny Tompo ny Mpaminany Joseph. Nanoratra ny Filoha John Taylor, Filoha fahatelon’ny Fiangonana, hoe: “Joseph Smith, ilay Mpaminany sy Mpahitan’ ny Tompo dia efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto, afa-tsy i Jesoa irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’ ity izao tontolo izao ity” (F&F 135:3).