Ireo loharano hafa
Fanekempihavanana


Fanekempihavanana

Ny fanekempihavanana dia fifanekena masina eo amin’Andriamanitra sy ny olona iray na vondron’olona iray. Mametraka ireo fepetra manokana Andriamanitra ary mampanantena ny hitahy antsika Izy raha toa ka mankatò ireo fepetra ireo isika. Rehefa misafidy ny tsy hitandrina ny fanekempihavanana isika dia tsy afaka mahazo ireo fitahiana, ary amin’ ny tranga sasantsasany iharan’ny sazy vokatry ny tsy fankatoavana.

Ny ôrdônansin’ny fisoronana rehetra ilaina amin’ny famonjena dia ahitana fanekempihavanana miaraka aminy. Ohatra, nanao fanekempihavanana ianao tamin’ny natao batisa, ary manavao izany fanekempihavanana izany ianao isaky ny mandray ny Fanasan’ny Tompo (jereo ny Môsià 18:8–10; F&F 20:37, 77, 79). Raha nandray ny Fisoronana Melkizedeka ianao dia niditra tamin’ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana (jereo ny F&F 84:33–44). Ahitana fanekempihavanana masina miaraka aminy koa ny fanafiana masina any amin’ny tempoly sy ny ôrdônansin’ny famehezana.

Tsarovy hatrany sy hajao ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny Tompo. Dia tsy tokony hobaikoana amin’ny zavatra rehetra tokony hataonao ianao (jereo ny F&F 58:26–28). Hahazo fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina ianao ary ho tafiditra ao anatin’ilay tena toetranao ilay toetra tahaka ny an’i Kristy. Araka ny nampanantenain’ny Tompo, ianao dia “handray fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana, mba hahafantaranao ireo mistery sy ireo zavatra mitondra fiadanana—izay mitondra fifaliana, izay mitondra fiainana mandrakizay” (F&F 42:61). Ny fanantenanao lehibe indrindra dia tokony ho ny fahazoana fahamasinana avy amin’izany fitarihana masina izany; ary ny zavatra atahoranao lehibe indrindra dia tokony ho ny tsy fahazoana ireo fitahiana ireo.