Ireo loharano hafa
Fanekempihavanan’i Abrahama


Fanekempihavanan’i Abrahama

Nandray ny filazantsara sy notendrena ho mpisorona avo i Abrahama (jereo ny F&F 84:14; Abrahama 1:2). Nanao ny fanambadiana mandrakizay izy taty aoriana izay tsy inona fa ny fanekempihavanan’ny fisandratana (jereo ny F&F 131:1–4; 132:19, 29). Nandray fampanantenana lehibe tamin’ny Tompo mikasika ny fianakaviany izy izay misy ifandraisany amin’ny fanekempihavanana izay nataony. Anisan’ny tao anatin’izany fampanantenana izany ireto manaraka ireto:

  • Ho maro an’isa ny taranany (jereo ny Genesisy 17:5–6; Abrahama 2:9; 3:14).

  • Handray ny filazantsara sy hihazona ny fisoronana ny taranany (jereo ny Abrahama 2:9).

  • Amin’ny alalan’ny asa fanompoan’ny taranany no “[hanomezana fitahiana] ny fianakaviana rehetra eto an-tany, [dia ny] fitahian’ny Filazantsara, izay fitahian’ny famonjena, dia ny fiainana mandrakizay” (Abrahama 2:11).

Ny fitambaran’ny fanekempihavanana sy fampanantenana rehetra izay voarain’i Abrahama avy tamin’ny Tompo no antsoina hoe Fanekempihavanan’i Abrahama. Fanekempihavanana mandrakizay izay hanan-kery hatrany amin’ny taranak’i Abrahama rehetra izany (jereo ny Genesisy 17:7). Mba hahafahan’ny olona iray ho tafiditra taranak’i Abrahama dia tsy maintsy mankatò ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara izy. Dia afaka mahazo ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Fanekempihavanan’i Abrahama izany olona izany na dia tsy taranaka ara-bakitenin’i Abrahama aza izy (jereo ny Galatiana 3:26–29; 4:1–7; F&F 84:33–40).

Amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao dia zanaky ny fanekempihavanana ianao (jereo ny 3 Nefia 20:25–26). Nandray ilay filazantsara mandrakizay ianao ary nandova ilay fampanantenana izay nomena an’i Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba. Manan-jo hahazo ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana sy ny fiainana mandrakizay ianao, araky ny fahatokianao eo amin’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy eo amin’ny fitandroana ny fanekempihavanana mifandray amin’izany. Hotahiana amin’ny ezaka ataonao sy ny asa ataon’ny taranakao ireo firenena manerana ny tany.