Ireo loharano hafa
Pôrnôgrafia


Pôrnôgrafia

Ny pôrnôgrafia dia izay mety ho fitaovana enti-mampiseho na mamaritra ny vatan’olombelona na ny fitondrantena eo am-panaovana firaisana ara-nofo amin’ny fomba manosika ny faniriana hanao firaisana ara-nofo. Aparitaka amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera maro izany, ka tafiditra ao anatin’izany ireo gazetiboky, boky, fahitalavitra, sarimihetsika, mozika, ary ny Internet. Manimba ny fanahy koa izany toy ny hanimban’ny sigara sy toaka, ary zava-maha-domelina ny vatana. Fandikana ny didin’Andriamanitra ny fampiasana fitaovana misy pôrnôgrafia: “Tsy … hanitsakitsa-bady, … na hanao zavatra toy izany [ianao]” (F&F 59:6). Mitarika any amin’ny ota goavana hafa izany. Tokony hanalavitra ny pôrnôgrafia amin’ny endriny rehetra ireo mpikamban’ny Fiangonana ary tokony hanohitra ny famokarana, sy ny fanapariahana ary ny fampiasana izany.

Mampiankin-doha amin’ny fomba mahatsiravina ny pôrnôgrafia. Toy ireo zavatra mampiankin-doha hafa dia mitarika ny olona hanandrana sy hikatsaka fanaitairana maherihery kokoa izany. Raha miaina izany ianao ary mamela izany hamandrika ny tenanao dia hanimba anao izany, hampikororosy fahana ny sainao sy ny fonao ary ny fanahinao. Hanaisotra ny fanajanao ny tenanao izany sy ny fahatsapanao ny hakanton’ny fiainana. Hanimba anao tanteraka izany sy hitarika anao hanana eritreritra maloto ary mety hitarika anao hanao fihetsika ratsy. Hiteraka faharavana lehibe eo amin’ny fifandraisanao amin’ny fianakavianao izany.

Nanainga tsy tapaka antsika hanalavitra ny pôrnôgrafia ireo mpanompon’Andriamanitra noho ny toetra mampiakin-doha azo avy aminy sy ny voka-dratsy aterany eo amin’ny vatana sy ny fanahy. Raha toa ianao ka tafalatsaka ao anatin’ny velam-pandriky ny pôrnôgrafia dia ajanony avy hatrany izany ary mitadiava fanampiana. Afaka mahazo famelan-keloka sy mahita fanantenana ao amin’ny filazantsara ianao amin’ny alalan’ny fibebahana. Mandehana maka torohevitra any amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao mikasika ny fomba handresena izany olana izany, ary mikatsaha fanasitranana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Angataho ny Tompo mba hanome hery anao handresena izany fiankinan-doha mahatsiravina izany.