Ireo loharano hafa
Fanalan-jaza


Fanalan-jaza

Ao anatin’ny fiaraha-monina ankehitriny dia lasa fomba fanao mahazatra ny fanalan-jaza, izay hamarinina amin’ny alalan’ny porofo feno fitaka. Raha toa ka manoloana fanontaniana mikasika izany toe-javatra izany ianao dia afaka ny hahazo fahatokiana amin’ny fanarahana ny sitrapon’ny Tompo izay nambarany. Nampangain’ ireo mpaminanin’ny andro farany ny fanalan-jaza tao anatin’ny fampiasan’izy ireo ny fanambaran’ny Tompo hoe: “Tsy … hamono olona, na hanao zavatra toy izany [ianao]” (F&F 59:6). Ny toroheviny mikasika io lohahevitra io dia mazava: Tsy tokony hanaiky, na hanao, na hamporisika, na hiantoka fanalan-jaza na hanampy amin’ny fanaovana izany ny mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Raha mamporisika amin’izay fomba rehetra mety misy ny fanaovana ny fanalan-jaza ianao, dia tokony hiatrika ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana.

Nilaza ny mpitarika ny Fiangonana fa mety misy toe-javatra manokana vitsivitsy izay azo hanekena ny fanalan-jaza toy ny hoe raha toa ny fitondrana vohoka, vokatry ny firaisana ara-nofo tamin’ny havana na vokatry ny fanolanana, ary raha toa ka tandindomin-doza ny ain’ilay reny na ny fahasalamany araka ny hevitry ny dokotera manam-pahaizana, na raha toa ka fantatry ny dokotera manam-pahaizana fa misy tsy fetezany ilay zaza vao mitsaika ka mety tsy ho velona alohan’ny hahaterahany akory ilay zaza. Kanefa na dia ireo toe-javatra ireo aza dia tsy tonga dia manamarina avy hatrany ny fanalan-jaza. Ireo izay sendran’ireo toe-javatra ireo dia tsy tokony hieritreritra ny fanalan-jaza raha tsy aorian’ny firesahany amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonany eo an-toerana sy aorian’ny fahazoany fanamafisana avy amin’ny vavaka lalina.

Raha nisy zaza teraka ivelan’ny fanambadiana, ny vahaolana tsara indrindra dia ny fanatanterahana ny fanambadian’ny ray sy ny renin’ilay zaza ary ny fanaovana ezaka mba hanorina ilay fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay. Raha toa ka tsy ho tanteraka izany fanambadiana izany dia tokony hatolotr’izy ireo mba ho atsangan’ny olon-kafa ilay zaza, ary tsara izany raha amin’ny alalan’ny LDS Family Services (jereo ny “Fananganan-jaza,” pejy 95–96).