Ireo loharano hafa
Famindram-po


Famindram-po

Fantatry ny Raintsika any an-danitra ireo fahalementsika sy ny otantsika. Mampiseho famindram-po Izy rehefa mamela antsika noho ny fahotantsika ary manampy antsika hiverina hitoetra eo Anatrehany.

Ny fangorahana toy izany dia mety toa mifanohitra amin’ny lalàn’ny fahamarinana, izay mitaky fa tsy misy zavatra tsy madio avela hitoetra hiaraka amin’Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 10:21). Kanefa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia nahafahan’Andriamanitra ho “fanaperana, ary ho Andriamanitra feno famindram-po koa” (Almà 42:15).

Fandraisana ny Famindram-pon’Andriamanitra

Nanefa ny fitakian’ny fahamarinana ny Mpamonjy rehefa nijoro teo amin’ny toerantsika ary nizaka ny famaizana vokatry ny fahotantsika. Noho izany asa feno fahafoizan-tena izany dia afaka mihazona ireo famaizana tokony hianjady amintsika ny Ray ary mandray antsika ho eo Anatrehany. Mba hahazoana ny famelan-keloka avy amin’ny Tompo dia tokony hibebaka amin-kitsimpo amin’ny fahotantsika isika. Nampianatra ny mpaminany Almà hoe: “ny fahamarinana dia mampihatra ny fitakiany rehetra, ary ny famindram-po koa dia mitaky izay rehetra azy ary noho izany, tsy misy afa-tsy ny mivalo marina tokoa no vonjena” (Almà 42:24; jereo koa ny Almà 42:22–23, 25).

Tsy ny famelana ny fahotana ihany no fanomezan’ny famindram-po avy amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Ireo fitahiana tsirairay raisinao dia fihetsika maneho famindram-po, izay mihoatra lavitra amin’izay mba mendrika ny horaisinao noho ny fanaovanao ezaka manokana. Nampianatra i Môrmôna hoe: “Ny zavatra rehetra izay tsara dia avy amin’ i Kristy; raha tsy izany dia efa lavo ny olona, ary tsy ho nety nisy zavatra tsara tonga taminy” (Môrônia 7:24). Ohatra, mpandray ny famindram-pon’ny lanitra ianao rehefa maheno sy mamaly ny vavaka ataonao ny Ray any an-danitra, rehefa mandray fitarihana avy amin’ny alalan’ny Fanahy masina ianao, ary rehefa sitrana tamin’ny aretina tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana. Na dia avy amin’ny vokatry ny fankatoavana aza ny fitahiana toy izany dia tsy afaka ny hahazo velively azy ireo avy amin’ny ezaka ataonao manokana fotsiny ianao. Fanomezana feno famindram-po avy amin’ny Ray feno fitiavana sy be fangorahana izy ireny.

Maneho Famindram-po amin’ny Hafa

Rehefa niresaka tamin’ny Mpianany ny Mpamonjy dia nandidy hoe: “Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo” (Lioka 6:36). Afaka manaraka ny ohatry ny famindram-po nasehon’ny Rainao any an-danitra ianao eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa. Miezaha mba hanala eo amin’ny fiainanao ny fiavonavonana, ny fieboeboana, ary ny fizahozahoana. Mikatsaha fomba hanehoana fangorahana, fanajana, famelan-keloka, fahamoram-panahy ary faharetana, eny fa na dia fantatrao aza ireo fahalemen’ny hafa. Rehefa manao izany ianao dia hitarika ny hafa ho be famindram-po kokoa ary afaka hahazo bebe kokoa ny famindram-pon’Andriamanitra ianao.