Ireo loharano hafa
Fananganan-jaza


Fananganan-jaza

Mendrika ny hotezain’ny ray aman-dreny izay manaja ny fifaneken’ny mpivady sy maneho fitiavana ary fanohanana ny ankizy. Mety ho fitahiana lehibe ho an’ireo ankizy maro izay teraka ka tsy nanana izany tombontsoa izany ny fananganan-jaza.

Raha nisy zaza teraka ivelan’ny fanambadiana, ny vahaolana tsara indrindra dia ny fanatanterahana ny fanambadian’ny ray sy ny renin’ilay zaza ary ny fanaovana ezaka mba hanorina ilay fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay. Raha toa ka tsy ho tanteraka izany fanambadiana izany dia tokony hatolotr’izy ireo mba ho atsangan’ny olon-kafa ilay zaza, ary tsara izany raha amin’ny alalan’ny LDS Family Services. Ny fanolorana ireo zaza mba ho atsangana amin’ny alalan’ny Family Services dia manampy ireo ray aman-dreny tsy mpivady handray ny fanapahan-kevitra tsara indrindra ho an’ilay zaza. Manome antoka izany fa ho voafatotra amin’ny ray sy reny any amin’ny tempoly ilay zaza, ary hanolotra fahafahana hahazoana ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’ireo rehetra voakasik’izany. Ny fananganan-jaza dia fanapahan-kevitra tsy misy fitiavan-tena sy feno fitiavana izay mitahy ireo ray aman-dreny niteraka sy ilay zaza ary ireo fianakaviana manangana ny zaza.

Raha toa ianao ka manambady ary te-hanangan-jaza ianao sy ny vadinao dia ataovy izay ahafantaranao tsara ireo zavatra rehetra takian’ny lalàna eo amin’ny firenena sy ireo biraom-panjakana voakasik’izany. Makà hevitra amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana any amin’ny toerana misy anao ary raha mety dia amin’ireo mpiandraikitra ao amin’ny LDS Family Services. Raha toa ka tsy misy any amin’ny faritra misy anao ny LDS Family Services dia miaraha miasa amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana any amin’ny toerana misy anao mba hahitana sampana nahazo fankatoavana tamin’ny fanjakana izay sady afaka hiaro ireo zaza no hiaro ireo ray aman-dreny mpanangana.