Ireo loharano hafa
Fisaraham-panambadiana


Fisaraham-panambadiana

Ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo “dia manambara amim-boninahitra fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany” (jereo ao amin’ny pejy 122–123 ao amin’ity boky ity). Na dia eo aza izany fahamarinana izany dia lasa zava-mitranga mahazatra eo amin’ny fiaraha-monina maro ny fisaraham-panambadiana ary mitombo izany na eo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana aza. Tsy avy amin’Andriamanitra izany zava-doza tsy mitsaha-mitombo izany, fa kosa asan’ilay fahavalo.

Tokony hiara-hiasa ireo mpivady mba ho mendrika ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay. Raha toa ianao ka manambady ary mandalo fotoan-tsarotra ianao sy ny vadinao, dia tsarovy fa ny fanafody ho an’ny ankamaroan’ny olana miseho eo amin’ny fanambadiana dia tsy ny fisaraham-panambadiana na fisarahan-toerana. Ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no ahitana ny fanafody—ao anatin’ny fibebahana, famelan-keloka, fahitsiana ary fitiavana. Izany dia hita ao anatin’ny fomba fitondranao ny vadinao toy ny fomba mba tianao hitondrany anao koa (jereo ny Matio 7:12). Rehefa miezaka mamaha olana ianareo dia afaka miaraka mandeha mitady torohevitra any amin’ny evekanareo na ny filohan’ny sampana misy anareo.