Ireo loharano hafa
Fanompoana


Fanompoana

Maniry ny hanompo ireo manodidina azy ny mpanara-dia marin’i Jesoa Kristy. Niteny ny Mpamonjy hoe: “Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:35).

Rehefa vita batisa ianao dia nanao fanekempihavanana ny handray ny anaran’i Jesoa Kristy eo aminao. Nanazava ity fanekempihavanana ity tamin’ny vondron’olona niova fo izay te-hatao batisa ny mpaminany Almà. Tsikariny fa ny fanirian’izy ireo “ho tonga ao amin’ ny valan’ Andriamanitra” dia ahitana ny faniriana hanao asa fanompoana manan-danja—ny “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany,” ny “hiara-malahelo amin’ izay malahelo,” ary ny “hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môsià 18:8–9).

Rehefa miezaka ny hanompo ny hafa ianao dia ny Mpamonjy no raiso ho ohatra. Na dia tonga teto an-tany tamin’ny naha-Zanakalahin’Andriamanitra Azy aza Izy dia nanompo tamim-panetren-tena ireo rehetra nanodidina Azy. Hoy Izy hoe: “Izaho dia eo aminareo toy izay manompo” (Lioka 22:27).

Nampiasa fanoharana ny Mpamonjy mba hampianarana ny maha-zava-dehibe ny asa fanompoana. Tao amin’ilay fanoharana dia niverina teto an-tany tamim-boninahitra Izy ary nanasaraka ireo olo-marina tamin’ireo ratsy fanahy. Niteny tamin’ireo olo-marina Izy nanao hoe: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao: fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo: tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo” (Matio 25:34–36).

Gaga ireo olo-marina rehefa nandre izany fanambarana izany ka nanontany hoe: “Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina? na nangetaheta ka nampisotroinay? Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay? na tsy nanan-kitafy ka notafianay? Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay?” (Matio 25:37–39).

Dia hoy ny Tompo namaly hoe: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko ireto no nataonareo tamiko” (Matio 25:40).

Manasa anao hanolotra ny tenanao hanompo ny hafa ny Mpamonjy. Tsy misy fetrany ireo fahafahanao hanao izany. Mitadiava isan’andro fomba hampifaliana fo, hilazana teny feno hatsaram-panahy, hanaovana asa ho an’ireo hafa izay tsy tsy azon’ ny tenan’ izy ireo atao ary fomba hizarana ny filazantsara. Aoka ianao hihaino ny bitsiky ny Fanahy, izay hamporisika anao hanompo. Hahita ianao fa ny fanalahidy marin’ny fahasambarana dia ny miasa ho an’ny fahasambaran’ireo hafa.