Ireo loharano hafa
Paradisa


Paradisa

Ao amin’ny soratra masina dia ampiasaina amin’ny fomba maro ny teny hoe paradisa. Voalohany, ilazana toerana iray ahitana fiadanana sy fahasambarana ao amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny fahafatesana izany. Toerana natokana ho an’ireo izay natao batisa izany ary nijanona ho mahatoky (jereo ny Almà 40:12; Môrônia 10:34). Ireo izay ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy dia manana fahafahana hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, sy hibebaka amin’ny fahotany ary handray ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana amin’ny alalan’ny asa ataontsika any amin’ny tempoly (jereo ny F&F 138:30–35). Rehefa manatanteraka izany izy ireo dia afaka ny hiditra ny paradisa koa.

Ny fomba faharoa ampiasana ilay teny hoe paradisa dia hita ao amin’ny tantaran’ny Fanomboana ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka. Rehefa teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa, dia niteny taminy ny mpangalatra iray izay niara-nohomboana taminy hoe: “Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao” (Lioka 23:42). Araky ny voalazan’ny Lioka 23:43, dia namaly ny Tompo hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.” Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith fa nisy fandikan-teny tsy mety teo. Raha ny marina dia niteny ny Tompo fa hiaraka Aminy any amin’ny tontolon’ireo fanahy ilay mpangalatra.

Ilay teny hoe paradisa koa dia hita ao amin’ny 2 Korintiana 12:4, izay angamba nilazana mikasika ny fanjakana selestialy. Ao amin’ny Fanekem-pinoana fahafolo ny teny hoe voninahitry ny paradisany dia mamaritra ny voninahitra horaisin’ny tany amin’ny Arivotaona.