Ireo loharano hafa
Fisoronana Melkizedeka


Fisoronana Melkizedeka

“Misy fisoronana roa ao amin’ ny fiangonana, dia ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fisoronana Aharôna” (F&F 107:1). Ny Fisoronana Melkizedeka, izay “araka ny Lamin’ ny Zanak’ Andriamanitra” (F&F 107:3), no lehibebe kokoa amin’ireo. “Mihazona ny zon’ ny fiadidiana ary manan-kery sy fahefana amin’ ireo anjara fanompoana rehetra ao amin’ ny fiangonana” izany (F&F 107:8). “Mihazona ny fanalahidin’ ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ ny fiangonana” koa izany (F&F 107:18). Nantsoina avy tamin’ny anaran’ny mpisorona avo lehibe iray izany izay niaina nandritra ny fotoan’ny mpaminany Abrahama (jereo ny F&F 107:2–4; jereo koa ny Almà 13:14–19).

Amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no hitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny Fiangonana sy hitantanany ny fitoriana ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao. “Miharihary [ao amin’ ny ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka] ny herin’ ny toetra araka an’Andriamanitra” (F&F 84:20).

Nomena an’i Adama izany fisoronana lehibe kokoa izany ary hita teto an-tany hatrany isaky ny manambara ny filazatsarany ny Tompo. Nesorina teto an-tany izany nandritra ny Apôstazia Lehibe, saingy naverina tamin’ny laoniny tamin’ny Mey 1829, rehefa nanolotra izany tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Apôstôly Petera sy Jakoba, ary i Jaona.

Ireo anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia ny Apôstôly, Fitopololahy, patriarika, mpisorona avo ary loholona. Ny Filohan’ny Fisoronana Avo no Filohan’ny Fiangonana (jereo ny F&F 107:64–66).

Tsy maintsy mpihazona mendrika ny Fisoronana Melkizedeka ireo lehiahy ato am-piangonana vao afaka mandray ny fanafiana masina any amin’ny tempoly sy ho voafehy mandrakizay amin’ireo fianakaviany. Manana ny fahefana hametra-tanana amin’ireo marary sy hanome tsodrano manokana an’ireo olona ao amin’ny fianakaviany sy ireo olon-kafa izy ireo. Afaka manome ny fanomezana ny Fanahy Masina sy manendry ireo lehilahy mendrika amin’ny anjara fanompoan’ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka izy ireo rehefa nahazo lalana avy tamin’ireo mpitarika mpiahy ao amin’ ny fisoronana.

Rehefa mandray ny Fisoronana Melkizedeka ny lehilahy iray dia miditra ao amin’ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana izy. Manao fanekempihavanana ny ho mahatoky sy hilofo amin’ ny antsony izy, “[hitandrina] fatratra ny tenin’ ny fiainana mandrakizay,” ary “[h]ivelona amin’ ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” Ireo izay mitandrina ity fanekempihavanana ity dia hohamasinina amin’ny Fanahy ary handray “izay rehetra an’ny Ray.” (Jereo ny F&F 84:33–44.)