Ireo loharano hafa
Tombokavatsa


Tombokavatsa

Ireo mpaminanin’ny andro farany dia manoro hevitra mafy mba tsy hanao tombokavatsa eo amin’ny vatana. Ireo izay tsy manaraka izany torohevitra izany dia mampiseho tsy fanajana amin’ny tenany sy amin’Andriamanitra. Nampianatra ny maha-sarobidy ny vatantsika ny Apôstôly Paoly ary ny zava-doza amin’ny fandotoana azy ireny an-kitsirano: “Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo? Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra, dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia hianareo izany” (1 Korintiana 3:16–17).

Raha toa ka misy tombokavatsa ianao dia mitondra tsy tapaka eny aminao mpampahatsiahy iray ny hadisoana nataonao ianao. Mety tokony hanala izany ianao.