Ireo loharano hafa
Fanaovana sorona


Fanaovana sorona

Ny fanaovana sorona dia famoizana zavatra iray izay sarobidy amintsika mba hahazoana zavatra iray izay manan-danja kokoa. Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia manana fahafahana isika hamoy ireo zavatr’izao tontolo izao noho ny amin’ny Tompo sy ny Fanjakany. Tokony ho vonona hahafoy izay zavatra takian’ny Tompo ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Raha tsy takiana hahafoy zavatra isika dia tsy ho afaka ny hampitombo ilay finoana ilaina ho an’ny famonjena mandrakizay.

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no sorona lehibe sy mandrakizay eo anivon’ny filazantsara (jereo ny Almà 34:8–16). Talohan’ny nanaovan’ny Mpamonjy ny Sorompanavotana dia nanao sorona biby ireo vahoakan’ny fanekena ho tandindon’ny sorona ataony. Nanampy azy ireo hahita taratra ny Sorompanavotana izany fombafomba izany (jereo ny Mosesy 5:4–8). Nifarana niaraka tamin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy ilay didy hanolotra biby natao sorona. Ankehitriny ato am-piangonana dia mandray ny fanasan’ny Tompo isika ho fahatsiarovana ny sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Ankoatry ny fahatsiarovana ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia tokony hanolotra sorona nataontsika manokana isika: fo torotoro sy fanahy manenina. Hoy ny Mpamonjy hoe: “Tsy hanatitra fandatsahan-dra ho Ahy intsony ianareo; … [ary] ny fanatitrareo odorana dia hitsahatra. … Ary haterinareo ho sorona ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina. Ary na zovy na zovy no mankaty Amiko amin’ ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, dia izy no hataoko batisa amin’ ny afo sy ny Fanahy Masina” (3 Nefia 9:19–20).

Ny hoe manana fo torotoro sy fanahy manenina dia manetry tena sy manaiky ny sitrapon’Andriamanitra sy ny torohevitr’ireo izay nantsoiny hitarika ny Fiangonany. Midika koa izany hoe fahatsapana alahelo lalina noho ny ota sy faniriana amin-kitsimpo ny hibebaka. Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fanaovana izany fahafoizan-tena izany ny mpaminany Lehia: “Indro manolotra ny tenany [i Kristy] ho sorona noho ny fahotana mba hanefana ny fitakian’ ny lalàna ho an’ ireo rehetra izay manana fo torotoro sy fanahy manenina; ary tsy azo efaina amin’ olon-kafa afa-tsy Aminy ny fitakian’ ny lalàna” (2 Nefia 2:7). Tsy afaka ny handray tanteraka ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana isika raha toa ka tsy manolotra ny fo torotoro sy fanahy manenina.

Raha vonona ianao ny hanao sorona araka ny nandidian’ny Tompo anao dia hahazo sitraka Aminy. Nampianatra Izy fa: “Ireo … izay mahafantatra fa mahitsy ny fony sady torotoro, ary manenina ny fanahiny ary vonona ny hitandrina ny fanekempihavanany amin’ ny alalan’ ny fahafoizan-tena—eny, ny fahafoizan-tena rehetra izay handidiako Izaho Tompo—ireo no ekeko” (F&F 97:8). Rehefa manana fomba fijery mitodika any amin’ny mandrakizay ianao dia afaka mahita fa tsy tena hoe manao sorona akory ny fahafoizana ny zavatr’izao tontolo izao. Lehibe lavitra noho ireo zavatra afoinao ireo fitahiana azonao.