Ireo loharano hafa
Tevika amin’ny Vatana


Tevika amin’ny Vatana

Mandrara mafy ny fanaovana tevika amin’ny vatana ireo mpaminanin’ny andro farany raha tsy hoe noho ny antony ara-pitsaboana izany. Raha toa ka te-hitevika eo amin’ny sofiny ny ankizivavy na ny vehivavy dia amporisihina izy ireo hanao kavina tsotra iray fotsiny eo amin’ny sofina.

Ireo izay misafidy ny tsy hanaraka izany torohevitra izany dia tsy maneho fanajana ny tenany sy Andriamanitra. Hanenina amin’ny fanapahan-keviny izy ireo indray andro any.

Nampianatra ny lanjan’ny vatantsika sy ny loza avy amin’ny fanimbana an-kitsirano izany ny Apôstôly Paoly: “Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo? Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra, dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia hianareo izany” (1 Korintiana 3:16–17).