Ireo loharano hafa
Fandrindrana ny Fiterahana


Fandrindrana ny Fiterahana

Raha toa ka tsy manana olana ara-batana ny mpivady dia manana tombontsoa hanome vatana mety maty an’ireo fanahy zanaky ny Ray any an-danitra. Mitana anjara toerana eo amin’ny drafitra lehiben’ny fahasambarana izy ireo, izay manome fahafahana ny zanak’Andriamanitra hahazo vatana sy hiaina ny fiainana an-tany.

Raha toa ianao ka manambady dia tokony hiresaka mikasika ilay andraikitra masina hitondra zanaka eto an-tany sy hitaiza azy ireo amim-pahamarinana ianao sy ny vadinao. Rehefa manao izany ianao dia saintsaino ny fahamasinan’ny fiainana sy ny dikany. Saintsaino ny fifaliana izay azo rehefa ao an-trano ny zanaka. Eritrereto ireo fitahiana mandrakizay izay azo avy amin’ny fananana taranaka soa. Ho vonona hanapa-kevitra ombam-bavaka amin’ny isan’ny ankizy ho ateraka sy ny fotoana hiterahana azy ireo ianao sy ny vadinao miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika ireo. Ny fanapahan-kevitra toy izany dia mipetraka eo aminareo roa sy ny Tompo.

Rehefa miresaka mikasika izany zavatra masina izany ianareo dia tsarovy fa ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana dia ankatoavin’Andriamanitra. Raha toa ka ny hanomezana vatana an’ireo zanak’Andriamanitra no iray amin’ireo tanjon’ireo firaisana ireo, ny tanjona iray hafa dia ny hanehoana fifankatiavana eo amin’ny mpivady no—mba hifamatoroan’ny mpivady ao anatin’ny fahatokiana, ny tsy fivadiham-pitokisana, ny fifampiahiana ary ny fananana tanjona mitovy.