Ireo loharano hafa
Fahafatesana, Ara-batana


Fahafatesana, Ara-batana

Ny fahafatesana ara-batana dia ny fisarahan’ny fanahy amin’ny vatana mety maty. Nitondra fahafatesana ara-batana teto amin’ity izao tontolo izao ity ny Fahalavoan’i Adama (jereo ny Mosesy 6:48).

Lafiny iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra ny fahafatesana (jereo ny 2 Nefia 9:6). Mba hitovizana bebe kokoa amin’ny Raintsika any an-danitra dia tsy maintsy mandalo fahafatesana isika ary any aoriana dia hanana vatana nitsangana amin’ny maty sy tonga lafatra.

Rehefa maty ny vatana dia mitohy miaina ny fanahy. Any amin’ny tontolon’ny fanahy, ny fanahin’ireo marina “dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana izay antsoina hoe paradisa, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry ny fiadanana izay hialany sasatra amin’ny fahasahiranana rehetra sy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo” (Almà 40:12). Misy toerana iray antsoina hoe tranomaizin’ny fanahy ho an’ “ireo izay efa maty tao amin’ ny fahotany, tsy nahalala ny fahamarinana, na tao amin’ ny fandikan-dalàna sady efa nitsipaka ireo mpaminany” (F&F 138:32). Ireo fanahy ao amin’ny tranomaizina dia “nampianarina ny finoana an’ Andriamanitra, ny fibebahana amin’ ny fahotana, ny batisa isoloana tena ho famelana ny fahotana, ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana ary ireo fitsipika hafa rehetra an’ ny filazantsara” (F&F 138:33–34). Raha manaiky ny fitsipiky ny filazantsara izy ireo, mibebaka amin’ny fahotany ary manaiky ireo ôrdônansy atao amin’ny alalan’ny fisoloana tena ho azy ireo any amin’ny tempoly, dia ho raisina ao amin’ny paradisa.

Noho ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia tsy maharitra ny fahafatesana ara-batana: “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy” (1 Korintiana 15:22). Hitsangana amin’ny maty ny olona tsirairay, izany hoe ny fanahin’ny olona tsirairay dia hitambatra indray amin’ny vatany—“haverina amin’ ny endriny tsirairay avy sy tomombana” ary tsy hiharan’ny fahafatesana intsony (Almà 40:23; jereo koa ny Almà 11:44–45).

Mety efa niaina ny fanaintainana avy tamin’ny fahafatesan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana ianao. Zavatra mahazatra ny mahatsapa alahelo amin’ny fotoana toy izany. Raha ny marina dia fanehoam-pitiavana lalina ny fanehoana alahelo. Hoy ny Tompo: “Ianareo dia hiara-honina amim-pitiavana, ka hitomany ny famoizana an’ izay maty” (F&F 42:45). Ny hany fomba tsy mba hahatsapana alahelo angamba amin’ny fahafatesana dia rehefa tsy mba nisy ny fahatsapana fitiavana tao anatin’ny fiainana.

Na dia mitomany aza ianao noho ny fahafatesan’ireo olon-tiana dia afaka mahazo fampiononana ianao avy amin’ilay fampanantenana ny fitsanganana amin’ny maty ary avy amin’ilay fahatokiana fa afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana. Afaka ny “[hahita] ny antony lehibe mampalahelo ary koa mampifaly [ianao]—alahelo noho ny fahafatesana sy ny fandringanana teo anivon’ ny olona, ary fifaliana noho ny fahazavan’ i Kristy ho fiainana” (Almà 28:14; jereo koa ny Almà 28:9–13).

Ankoatry ny fahazoanao fampiononana rehefa misy maty ny olon-tianao dia afaka manana fiadanana koa ianao amin’ny fahalalana fa mbola ho faty ihany koa. Rehefa miaina ny filazantsara ianao dia afaka ny hahatsiaro ny fampanantenan’ny Tompo hoe: “Ireo izay maty ao Amiko dia tsy hanandrana fahafatesana fa ho mamy aminy izany” (F&F 42:46).