Ireo loharano hafa
Filazantsara


Filazantsara

Ny filazantsara no drafitry ny fahasambaran’ny Raintsika any an-danitra. Ny ivon’ny fotopampianaran’ny filazantsara dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Mino isika fa ireo fitsipika sy ôrdônansy fototra amin’ny filazantsara dia: voalohany, ny Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo; faharoa, ny Fibebahana; fahatelo, ny Batisa asitrika ho famelana ny fahotana; fahaefatra, ny Fametrahan-tanana ho fanomezana ny Fanahy Masina” (Fanekem-pinoana 1:4). Ny filazantsara ao anatin’ny fahafenoany dia ahitana ireo fotopampianarana, fitsipika, lalàna, ôrdônansy ary fanekempihavanana rehetra izay ilaintsika hisandratana any amin’ny fanjakana selestialy. Nampanantena ny Mpamonjy fa raha toa ka maharitra hatramin’ny farany isika sy miaina amim-pahatokiana ny filazantsara dia hotanany tsy hisy tsiny eo anoloan’ny Ray amin’ny Fitsarana Farany (jereo ny 3 Nefia 27:16).

Notoriana nandritra ny vanim-potoana rehetra ny fahafenoan’ny filazantsara rehefa vonona handray izany ireo zanak’Andriamanitra. Amin’izao andro farany izao, na ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana dia naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny filazantsara.