Ireo loharano hafa
Famonjena


Famonjena

Mety hametrahan’ny olona fanontaniana toy izao ianao indraindray rehefa miresaka amin’ireo Kristiana hafa: “Moa ve efa voavonjy ianao?” Ireo izay mametraka fanontaniana toy izany raha ny mahazatra dia miresaka mikasika ny fibabohana tanteraka na fanambarana fa efa nanaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny tenanao ianao. Rehefa mametraka io fanontaniana io izy ireo dia mampiseho ny finoany an’ireto teny manaraka ireto, izay nosoratan’ny Apôstôly Paoly:

“Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena” (Romana 10:9–10).

Famaliana ilay Fanontania hoe: “Moa Ve efa Voavonjy Ianao?”

Ao amin’ny Romana 10:9–10, ireo teny hoe hovonjena sy famonjena dia midika hoe fifandraisana mifono fifanekena amin’i Jesoa Kristy. Amin’ny alalan’izany fifandraisana mifono fifanekena amin’i Jesoa Kristy izany dia omena antoka ny hahazo famonjena amin’ireo vokatra mandrakizain’ny ota isika raha toa ka mankatò. Voavonjy daholo ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky rehetra raha arahina ity dikany ity. Efa niova fo ao amin’ny filazantsara naverina amin’ny laoniny isika. Tamin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa dia niditra tao amin’izany fifandraisana mifono fifanekena amin’ny Mpamonjy izany isika, ary mitondra ny anarany eo amintsika. Manavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Ireo Dika Hafan’ny Teny hoe Famonjena

Ao amin’ny Fotopampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia misy dikany maromaro ireo teny hoe hovonjena sy famonjena. Araky ny voalazan’ireo dikany ireo ny valin’ilay fanontaniana hoe: “Moa ve efa voavonjy ianao?” dia na “Eny” na “Eny, fa misy fepetra.” Ireto fanazavana manaraka ireto dia maneho ny dikan’ilay teny hoe famonjena izay misy enina samihafa.

Famonjena amin’ny Fahafatesan’ny Vatana.

Tsy maintsy ho faty daholo ny olon-drehetra. Kanefa amin’ny alalan’ny Sorompanavotana sy Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty ny olon-drehetra—hovonjena amin’ny fahafatesana ara-batana. Nijoro ho vavolombelona i Paoly hoe: “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy” (1 Korintiana 15:22).

Famonjena amin’ny Fahotana.

Mba hahafahanao ho voadio amin’ny ota amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tsy maintsy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy ianao, mibebaka, atao batisa ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo ny Asan’ny Apôstôly 2:37–38). Raha toa ka vita batisa sy nandray ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana mifandraika amin’izany ianao dia efa voavonjy tamin’ny fahotana ianao saingy eo ambany fepetra. Tsy ho voavonjy tanteraka amin’ny ota ianao raha tsy rehefa vitanao ny fiainanao teto an-tany, ary naharitra tamim-pahatokiana hatramin’ny farany ianao.

Mariho fa tsy azo vonjena ao amin’ny otanao ianao. Tsy afaka ny handray famonjena tsy arahina fepetra ianao amin’ny alalan’ny fitenenana fotsiny fa mino an’i Kristy ary mahatakatra fa tsy ho afa-miala amin’ny fanaovana ota mandritra ny fiainanao sisa (jereo ny Almà 11:36–37). Afaka ny hovonjena amin’ny otanao ianao amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra (jereo ny Helamàna 5:10–11). Mba handraisana izany fitahiana izany dia tsy maintsy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy ianao, miezaka ny mitandrina ireo didy, mahafoy ny ota, ary manavao ny fibebahanao sy ny fanadiovana anao amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.

Nateraka Indray.

Mety misy hanontany ianao indraindray hoe efa nateraka indray ve ianao. Miseho matetika ao amin’ny soratra masina ny fitsipiky ny fahaterahana ara-panahy indray. Ny Testamenta Vaovao dia ahitana ny fampianaran’i Jesoa fa tsy maintsy “ateraka indray” isika ary “ateraka [amin’ny] ny rano sy ny Fanahy, [raha tsy izany] dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Jaona 3:3, 5). Voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna koa izany fampianarana izany: “Ny olombelona rehetra, eny, na lahy na vavy, ny firenena, ny foko, sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra, dia tsy maintsy ateraka indray; eny, aterak’ Andriamanitra, ovaina avy amin’ ilay toetra manaram-batana sy lavo, ho amin’ ny toetry ny fahamarinana, rehefa navotan’ Andriamanitra ka tonga zanany lahy sy vavy; Ary dia toy izany no mahatonga azy ho olom-baovao; ary raha tsy manao izany izy, dia tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra mihitsy” (Môsià 27:25–26).

Izany fahaterahana indray izany dia dingana izay mitranga aorian’ny fanaovana batisa sy fandraisantsika ny fanomezana ny Fanahy Masina. Izany dia tonga vokatry ny fahavononantsika “hanao fanekempihavanana amin’ [Andriamanitra], hanao ny sitrapony sy hankatò ny didiny amin’ ny zava-drehetra izay handidiany [antsika], amin’ ny andro[ntsika] sisa rehetra” (Môsià 5:5). Avy eo ny “fo[ntsika] dia efa miova amin’ ny alalan’ ny finoana ny anarany; noho izany, dia aterany [isika]” (Môsià 5:7). Afaka miteny ianao fa nateraka indray rehefa vita batisa sy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina, miaraka amin’ilay fanekempihavanana ny hitondra eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy. Ary afaka manavao izany fahaterahana indray izany ianao isaky ny Sabata rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Famonjena amin’ny Tsy fahafantarana.

Maro ireo olona no miaina anatin’ny fahamaizinana, tsy mahafantatra ny fahazavana avy amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Izy ireo dia “[Voasakana] tsy hahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny” (F&F 123:12). Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao dia voavonjy amin’izany toe-javatra izany ianao. Ianao dia mahalala an’Andriamanitra Ray, Jesoa Kristy, ny tanjon’ny fiainana, ny drafitry ny famonjena ary ny hery anaty anananao mandrakizay. Afaka miaina amin’ny maha-mpianatry ny Mpamonjy anao ianao, izay nanambara hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).

Famonjena amin’ny Fahafatesana Faharoa.

Indraindray ny soratra masina dia miresaka mikasika ny famonjena amin’ny fahafatesana faharoa. Ny fahafatesana faharoa dia ny fahafatesana ara-panahy farany—izay fisarahana amin’ny fahamarinana sy tsy fahazoana toerana ao amin’ireo fanjakam-boninahitra (jereo ny Almà 12:32; F&F 88:24). Izany fahafatesana faharoa izany dia tsy hitranga raha tsy amin’ny Fitsarana Farany, ary ho vitsy no hiharan’izany (jereo ny F&F 76:31–37). Nomena toky fa hahazo famonjena amin’ny fahafatesana faharoa ny ankamaroan’ny olona tsirairay izay efa niaina teto an-tany (jereo ny F&F 76:40–45).

Fiainana Mandrakizay, na Fisandratana.

Matetika ilazana ny fiainana mandrakizay na fisandratana ireo teny hoe hovonjena sy famonjena ao amin’ny soratra masina (jereo ny Abrahama 2:11). Ny fiainana mandrakizay dia ny fahafantarana ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fiarahana mipetraka amin’Izy Ireo mandrakizay—mba handova toerana iray ao amin’ilay faritra avo indrindran’ny fanjakana selestialy (jereo ny Jaona 17:3; F&F 131:1–4; 132:21–24). Tsy maintsy manao zavatra mihoatra noho ny fibebahana amin’ireo otantsika sy fanaovana batisa ary fandraisana ho mpikambana amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana mifandraika amin’izany isika raha te-hahazo izany fanomezana lehibe indrindra izany. Tsy maintsy mandray ny Fisoronana Melkizedeka ny lehilahy ary tsy maintsy manao sy mitandrina ny fanekempihavanana masina atao any amin’ny tempoly ireo mpikambana rehetra, ka ao anatin’izany ny fanambadiana mandrakizay.

Raha toa ka mampiasa ny teny famonjena isika hilazana ny fiainana mandrakizay dia tsy misy afaka hiteny fa efa voavonjy eto amin’ity fiainana an-tany ity. Izany fanomezana mahatalanjona izany dia tsy afaka ny ho azo raha tsy aorian’ny Fitsarana Farany.