Ireo loharano hafa
Fahafahana misafidy


Fahafahana misafidy

Nanome anao fahafahana misafidy ny Rainao any an-danitra, izay fahafahana hisafidy sy hanao zavatra araky ny nahim-ponao. Ny fahafahana misafidy dia zava-dehibe ao anatin’ny drafitry ny famonjena. Raha tsy misy izany dia tsy hanana fahafahana hianatra na hivoatra na hanaraka ny Mpamonjy ianao. Noho ny fananana izany dia afaka “hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ Ilay Mpanalalana lehiben’ ny olon-drehetra na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana araka ny fambaboana sy ny fahefan’ ny devoly” ianao (2 Nefia 2:27).

Efa talohan’ny nahaterahanao mihitsy no nanananao ilay hery ahafahana misafidy. Nandritra ilay Filankevitra tany An-danitra talohan’ny nahaterahana dia nampahafantatra ny drafiny ny Ray any an-danitra, izay nahitana ny fitsipiky ny fahafahana misafidy. Nikomy i Losifera ary “nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona” (Mosesy 4:3). Vokatr’izany dia tsy nomena ilay tombontsoa hahazo vatana mety maty i Losifera sy ireo rehetra nanaraka azy. Ny fahatongavanao eto an-tany dia manamafy fa nampiasa ny fahafahanao misafidy ianao mba hanarahana ny drafitry ny Ray any an-danitra.

Mbola manana izany fahafahana misafidy izany ianao eto amin’ity fiainana an-tany ity. Ny fomba fampiasanao izany fanomezana izany dia mamaritra ny fiainanao ao anatin’ny fifaliana na fahoriana eto amin’ity fiainana ity ary any amin’ny fiainana ho avy. Manana fahafahana hisafidy sy hanao zavatra ianao, kanefa tsy manana fahafahana hisafidy ny vokatry ny zavatra nataonao. Mety tsy ho eo no ho eo ny vokatra aterak’izany, saingy ho tonga foana izany. Ny fisafidianana ny tsara sy ny fahamarinana dia mitondra fifaliana, fiadanana ary fiainana mandrakizay, raha toa ka mitondra fahoriana sy fanaintainana kosa amin’ny farany ny fisafidianana ny ota sy ny faharatsiana.

Tompon’andraikitra amin’ireo fanapahan-kevitra raisinao ianao. Tsy tokony hanome tsiny ny toe-javatra iainanao, na ny fianakavianao na ny namanao ianao rehefa misafidy ny tsy hankatò ny didin’Andriamanitra. Zanak’Andriamanitra izay manana tanjaka lehibe ianao. Manana fahafahana hisafidy ny fahamarinana sy ny fifaliana ianao na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainanao.

Tompon’andraikitra amin’ny fampivelarana ireo fahaiza-manao sy talenta nomen’ny Ray any an-danitra anao koa ianao. Ianao dia tompon’andraikitra amin’izay ampiasanao ny fahaiza-manaonao sy ny fomba ampiasanao ny fotoananao. Aza laniana amin’ny hakamoana ny andronao. Aoka ianao ho vonona ny hiasa mafy. Misafidiana ny hanao zavatra tsara maro amin’ny nahim-ponao.