Ireo loharano hafa
Fanambadiana


Fanambadiana

Eto amin’ity izao tontolo izao ity ankehitriny dia maro ireo olona no mandà ary manimbazimba mihitsy aza ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Eo anivon’izany feo mifamahofaho sy manimba izany dia nanome feon’ny fahamarinana izay tsy miova ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Izy ireo“dia manambara amim-boninahitra fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia didin’Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany” (jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” pejy 122–123 ao amin’ity boky ity).

Ao anatin’ny fianakaviana no ahitana ireo fifaliana lehibe eto amin’ny fiainana. Mitaky ezaka ny fananana fifandraisana mafy orina eo amin’ny fianakaviana, kanefa ny ezaka toy izany dia mitondra fifaliana lehibe eo amin’ity fiainana ity sy hatrany amin’ny mandrakizay. Na dia tsy nanana fiainam-pianakaviana feno fifaliana aza ianao taloha dia afaka mikatsaka ny hanana fanambadiana feno fifaliana sy mandrakizay ary fifandraisana feno fitiavana amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao.

Ny Fanekempihavanana Vaovao sy Mandrakizain’ny Fanambadiana

Ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra dia azo fehezina mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay ny lehilahy iray sy vehivavy iray. Manana antoka ireo izay nofehezina tany amin’ny tempoly fa hitohy mandrakizay ny fifandraisan’izy ireo raha toa ka tsy mivadika amin’ny fanekempihavanana nataony izy ireo. Fantany fa tsy hisy zavatra, na dia ny fahafatesana aza, afaka hanasaraka mandrakizay azy ireo.

Ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay dia ilaina amin’ny fisandratana. Nanambara tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Tompo hoe: “Ao amin’ ny voninahitra selestialy dia misy lanitra telo na ambaratonga, ary mba hahazoana ny avo indrindra, ny olona dia tsy maintsy miditra ao amin’ ity lamin’ ny fisoronana ity [dia ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ ny fanambadiana]; ary raha tsy manao izany izy dia tsy afaka ny hahazo izany. Mahazo miditra ao amin’ ny hafa izy, saingy izany no fiafaran’ ny fanjakany; tsy afaka ny hanana fitomboana izy” (F&F 131:1–4).

Aorian’ny fandraisana ny ôrdônansin’ny famehezana sy fanaovana ireo fanekempihavanana masina ao amin’ny tempoly dia tsy maintsy mitoetra ho mahatoky ny mpivady mba handraisany ireo fitahiana azo avy amin’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fisandratana. Niteny ny Tompo hoe:

“Raha toa ny lehilahy iray manambady vehivavy iray amin’ ny alalan’ ny teniko, dia ny lalàko, ary amin’ ny alalan’ ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay, ary izany dia fehezin’ ny Fanahy Masin’ ny fampanantenana ho azy ireo, amin’ ny alalan’ ilay voahosotra izay efa notendreko ho amin’ izany fahefana izany sy ireo fanalahidin’ ity fisoronana ity; … ary raha mitoetra ao amin’ ny fanekempihavanako ianareo, … dia ho to amin’ izy ireo ny zava-drehetra, na inona na inona efa nomen’ ny mpanompoko azy ireo haharitra ny fotoana sy mandrakizay; ary hanan-kery tanteraka rehefa any ivelan’ izao tontolo izao izy ireo” (F&F 132:19; mba hahazoana fanazavana mikasika ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia jereo ny pejy 81).

Fiomanana amin’ny Fanambadiana

Raha toa ianao ka mpitovo dia miomàna tsara amin’izany fanambadiana izany. Tsarovy fa tsy misy zavatra afaka manolo ny fanambadiana any amin’ny tempoly. Miomàna hanambady ilay olona iray tena izy any amin’ilay toerana tena izy amin’ny fotoana tokony hanaovana izany. Miainà amim-pahamendrehana amin’izao fotoana izao mba ho mendrika an’ilay olona izay irinao ho vadiana.

Aza mampiaraka afa-tsy amin’ireo olona izay miaina fitsipika ambony ary afaka mihazona ny fitsipika ambony iainanao ianao rehefa miaraka aminy. Manomàna amim-pitandremana zavatra atao izay mahasoa sy mampivoatra mba tsy hahafahanao sy ilay olona miaraka aminao sady hitokantokana no tsy hanana zavatra hatao. Mitoera any amin’ny toerana azo antoka izay ahafahanao mifehy mora foana ny tenanao. Aza mandray anjara amin’ny resaka na zavatra atao izay mamoha ny faniriana hanao firaisana ara-nofo.

Mitadiava vady izay mitovy finoana aminao. Mitadiava olona izay azonao omena haja sy voninahitra foana, olona izay hifameno aminao eo amin’ny fiainanao. Alohan’ny hanambadianao dia aoka ianao hanana antoka tsara fa nahita olona izay azonao anolorana ny fonao manontolo, ny fitiavanao manontolo, ny tokim-panoavana manontolo ary fahitsim-po aman-tsainao manontolo.

Torohevitra ho an’Ireo Izay Tsy Manambady

Ireo mpikambana sasany ato am-piangonana dia mijanona ho tokan-tena tsy fidiny na dia manam-paniriana ny hanambady aza izy ireo. Raha ao anatin’izany toe-javatra izany ianao dia matokia fa “ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8:28). Rehefa mitoetra ho mendrika ianao dia indray andro any, eto amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy, dia homena ireo fitahiana rehetran’ny fananana fianakaviana mifandray mandrakizay. Namerimberina izany fampanantenana izany tamin’ny alalan’ireo mpaminanin’ny andro farany ny Tompo.

Raha toa ianao ka tokan-tena ary maniry ny hanambady dia aza manary toky. Kanefa koa aza dia diso miasa saina loatra amin’izany tanjonao izany. Fa aoka ianao ho vonona hirotsaka hanao zavatra izay mampivoatra. Mitadiava fomba hanompoana eo anivon’ny fianakaviambenao sy anivon’ny fiaraha-monina misy anao. Maneke handray antso ato am-piangonana ary andriano izany. Aoka ianao hadio na ara-batana na ara-panahy. Mianara dia mivelara dia mivoara eo amin’ny fiainanao manokana.

Fananana Fanambadiana Feno Fifaliana

Raha toa ianao ka manambady, dia tsarovy fa ny finamanana sy ny fitiavana misy eo aminao sy ny vadinao no tokony ho fifandraisana faran’izay sarobidy ho anao eto an-tany. Ny vadinao no hany olona nandidiana anao mba hotiavinao amin’ny fonao rehetra ankoatry ny Tompo (jereo ny F&F 42:22).

Tsarovy fa ny fanambadiana, raha ny dikany marina, dia fiaraha-miasa mitovy lenta, ka tsy tokony haneho fanjakazakana na ny andaniny na ny ankilany, fa kosa tokony hifaneho famporisihana, fanohanana ary fanampiana.

Satria ny fanambadiana dia fifandraisana tena manan-danja eo amin’ny fiainana, noho izany dia mila sy mendrika hanokanana fotoana izany. Aza manao ho laharam-pahamehana bebe kokoa ireo zavatra izay tsy dia manan-danja loatra. Makà fotoana hifampiresahana ary hifampihainoana. Aoka mba samy hifaneho hatsaram-panahy sy fanajana ianareo. Manehoa halemem-panahy sy fitiavana matetika.

Manapaha hevitra fa tsy hisy velively zavatra eo aminareo mivady izay hanakorontana ny fanambadianareo. Manapaha hevitra hanao izay hampahomby ny fanambadianareo, na dia eo aza ireo fanamby mety hitranga.

Aoka hifaneho fahatokiana ianareo. Aoka ianao ho mahatoky amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana nataonao amin’ny eritreritra, fiteny ary asa. Tsarovy fa ny Tompo dia nilaza hoe: “Ianao dia ho tia ny andefimandrinao amin’ ny fonao manontolo, ka hifikitra aminy fa tsy amin’ ny olona hafa” (F&F 42:22). Ilay andian-teny hoe “amin’ny olona hafa” dia mampianatra fa tsy misy olona, na zavatra atao na fananana tokony ho lohalaharana mihoatra noho ny fiarahanao amin’ny vadinao.

Alaviro ireo zavatra izay mety hitarika anao hivadim-pitokisana amin’ny endriny rehetra. Hanova ny toetranao sy handrava ny fototry ny fanambadianao ny pôrnôgrafia, ny haitraitra manimba ary ny fihontihontiana.

Miaraha miasa eo amin’ny fitantanana ny toe-bolanareo. Mifanaraha mba hametraka sy hanaja ny vola tokony ho laniana. Fero ny vola lanianao ary alaviro ny fanandevozan’ny trosa. Ny fitantanana amim-pahendrena ny vola sy ny tsy fananana trosa dia mitondra fiadanana ao an-tokantrano.

Ataovy ho ivon’ny fiainanao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mifanampia amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana nataonareo. Miaraha miangona sy mankany amin’ny tempoly. Miaraha mandalina ny soratra masina. Miaraha mivavaka amim-pandohalihana rehefa manomboka sy mifarana ny andro tsirairay mba hisaorana ny Rainareo any an-danitra noho ny tsirairay aminareo ary mba hiraisana fo amin’ny fangatahana ny mba handrotsahany ireo Fitahiany eo amin’ny fiainanareo, eo amin’ny tokantranonareo, eo amin’ireo olon-tianareo, ary eo amin’ireo faniriana ara-drariny anananareo. Dia hitarika anao Andriamanitra ary ny fifampiresahanao Aminy isan’andro dia hitondra fiadanana sy fifaliana izay tsy ho azonao na aiza na aiza raha tsy avy Aminy. Hihamamy ny fiarahanareo mandritra ny taona maro. Hihamatanjaka ny fifankatiavanareo. Hitombo ny fifanehoanareo fankasitrahana.