Ireo loharano hafa
Asa mikasika ny Tantaram-pianakaviana sy ny Tetiarana


Asa mikasika ny Tantaram-pianakaviana sy ny Tetiarana

Tamin’ny 3 Aprily 1836, ny mpaminany Elià dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland. Nanolotra azy ireo ilay hery mamehy izay an’ny fisoronana izy ka ahafahan’ireo fianakaviana ho voafehy amin’ireo taranaka mifandimby rehetra izy. Tamin’ny alalan’ny fanomezana izany hery izany no nanatanterahany ilay faminaniana izay milaza fa ny Tompo dia handefa azy “hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny ray” (jereo ny F&F 110:14–16; jereo koa ny Malakia 3:23–24).

Afaka mandray anjara amin’ny fanohizana ny fanatanterahana izany faminaniana izany ianao amin’ny alalan’ny fanaovana asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Afaka mianatra mikasika ireo razambenao ianao ary mampitombo ny fitiavanao azy ireo. Afaka mahazo fanentanam-panahy ianao amin’ny alalan’ny tantaran’izy ireo izay mifono herim-po sy finoanao. Afaka mamindra izany lova izany amin’ireo zanakao ianao.

Izany no tombontsoa maharitra azo avy amin’ny fanaovana ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana, kanefa tsy dia ireo loatra no antony voalohany hanaovan’ny Fiangonana ezaka lehibe hanangona ireo tahirintsoratra mikasika ny tetiarana. Ny ezaky ny Fiangonana eo amin’ny tantaram-pianakaviana dia mifantoka amin’ny fanaovana “fifamatorana … [eo amin’ny] ray sy ny zanaka” (F&F 128:18). Io fifamatorana io dia voavoatra amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana, amin’ny alalan’ireo ôrdônansy masina any amin’ny tempoly ataontsika ho an’ireo razambentsika.

Fanavotana ny Maty

Maro amin’ireo zanaky ny Ray any an-danitra efa nodimandry no tsy nanana fahafahana handray ny fahafenoan’ny filazantsara. Noho ny famindram-pony sy ny fitiavany tsy misy fetra dia nanomana fomba iray ho azy ireo hahazoany fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara sy handraisany ireo ôrdônansin’ny fisoronana hahazoana famonjena ny Tompo.

Any amin’ny tontolon’ny fanahy, ny filazantsara dia “toriana tamin’ ireo izay efa maty tao amin’ ny fahotany, tsy nahalala ny fahamarinana, na tao amin’ ny fandikan-dalàna sady efa nitsipaka ireo mpaminany. Ireo [dia] ampianarina ny finoana an’ Andriamanitra, ny fibebahana amin’ ny fahotana, ny batisa isoloana tena ho famelana ny fahotana, ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana, ary ireo fitsipika hafa rehetra an’ ny filazantsara, izay ilainy ho fantatra mba hahalany ny tenany, mba hotsaraina araka ny olona ao amin’ ny nofo izy, fa ho velona araka an’ Andriamanitra ao amin’ ny fanahy” (F&F 138:32–34).

Maro ireo mandray ny filazantsara any amin’ny tontolon’ny fanahy. Kanefa dia tsy afaka mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ho an’ny tenany izy ireo satria tsy manana vatana nofo sy taolana. Manana fahafahana handray ireo ôrdônansy eo amin’ny toeran’izy ireo isika any amin’ny tempoly masina. Ireo ôrdônansy ireo dia ahitana ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fenendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ireo lehilahy), ny fanafiana masina, ny famehezana ny fanambadiana ary ny famehezana ireo zanaka amin’ny ray aman-dreny. Nanambara ity asa ity tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo, ka namerina indray fomba fanao iray izay nampahafantarina ireo Kristiana fotoana fohy taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty (jereo ny 1 Korintiana 15:29).

Rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ireo eo amin’ny toeran’ireo izay efa nodimadry ianao, dia lasa mpanavotra eny amin’ny Tendrombohitr’i Ziona ho azy ireo (jereo ny Obadia 1:21). Manakaiky ny foto-kevitry ny sorompanavotan’ny Mpamonjy ny ezaka ataonao—manatanteraka asa famonjena ianao ho an’ny hafa izay tsy afaka manao izany ho an’ny tenany.

Ireo Andraikitrao ao amin’ny Asa mikasika ny Tantaram-pianakaviana

Manana andraikitra fototra telo ianao ao amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana:

  1. Raiso ho an’ny tenanao manokana ireo ôrdônansin’ny tempoly ary ampio ireo olona ao amin’ny fianakaviana akaiky handray izany.

  2. Manàna fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ary mandehana any amin’ny tempoly matetika araka izay azo atao.

  3. Angony ireo fampahalalana mikasika ny tantaram-pianakaviana mba hanampiana ireo razambenao handray ireo fitahian’ny tempoly.

Afaka mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ianao, hatramin’io fetrany io farafaharatsiny, na aiza na aiza ipetrahanao ary na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainanao. Na dia tsy afaka hanao ny zava-drehetra aza ianao dia afaka manao zavatra ihany. Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hanomboka izany asa izany:

  • Raketo an-tsoratra ireo zava-manan-danja eo amin’ny fiainanao manokana. Raketo an-tsoratra ny daty nahaterahanao sy ny toerana nahaterahanao ary ireo datin’ny batisa sy nandraisana anao ho mpikambana. Mihazona diary ho an’ny tena manokana mba hiraketana ireo zavatra miavaka eo amin’ny fiainanao, ka ao anatin’izany ny traikefanao manokana izay hampatanjaka ny finoan’ireo zanakao sy ireo taranaka ho avy.

  • Fantaro ireo razambenao. Atombohy raisina an-tsoratra ireo zavatra tadidinao sy ireo zavatra avy amin’ireo loharano misy ao an-tokantrano. Raketo an-tsoratra ireo fampahalalana manan-danja izay tsaroanao amin’ny antsipiriany na hitanao mikasika ireo mpiray tampo aminao, ny ray aman-dreninao, ny dadatoa sy nenitoanao, dadabe sy bebenao ary ireo ray aman-drenin’ny dadabe sy bebenao. Raha azo atao dia ataovy izay ahazoana tahadikan’ireo taratasy fanamarinana na antontan-taratasy hafa izay ahitana ireo fampahalalana ireo. Eo am-panangonana ireo fampahalalana ireo ianao dia mety te-hikaroka any amin’ny toeran-kafa, toy ny tahirintsoratry ny fanjakana. Ny paroasy na sampana eo an-toerana koa dia mety manana tompon’andraikitra misahana ny tantaram-pianakaviana izay afaka manampy anao. Azonao atao koa ny mitsidika ny Tranokala ôfisialin’ny Fiangonana ho an’ny tantaram-pianakaviana, www.familysearch.org.

  • Rehefa mahafantatra ny razambenao ianao dia ampiasao ny taratasy firaketana momba ny fianakaviana sy ny sarin’ny rohim-pihavanana mba hiraketana ireo fampahalalana hitanao. Misy an-taratasy sy amin’ny logiciel novokarin’ny Fiangonana koa ireo taratasy fenoina ireo toy ny Fichier Personnel des Ancêtres.

Rehefa nahangona ireo fampahalalana ilaina mikasika ny razambenao izay nodimandry nefa tsy nandray ny filazantsara ianao dia ataovy izay hanatanterahana ny asa any amin’ny tempoly ho azy ireo. Na dia tsy mipetraka any akaikin’ny tempoly aza ianao sy ny fianakavianao mba hahafahanareo manao ireo ôrdônansy dia afaka mandefa ny anaran’ireo razambe any amin’ny tempoly ianao mba hahafahan’ny olon-kafa manao ny asa ho azy ireo. Afaka mitsidika foiben’ny tantaram-pianakaviana ianao na miresaka amin’ireo tompon’andraikitra misahana ny tantaram-pianakaviana eo amin’ny paroasy na sampana eo an-toerana mba hahafantaranao ny fanaovana izany.

Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith fa misy “fitsipika momba ny maty sy ny velona izay tsy azo hamaivanina, satria mikasika ny famonjena antsika. Fa ny famonjena azy ireo dia ilaina sady zava-dehibe ho an’ny famonjena antsika, … fa tsy hatao tanteraka izy ireo raha tsy eo isika—isika koa dia tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika” (F&F 128:15). Amin’ny alalan’ny fandraisanao anjara eo amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana dia handroso mankany amin’ny famonjena ianao sy ny razambenao.