Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63


Fizarana 63

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 30 aogositra 1831. Tafaverina tao Kirtland ny Mpaminany, i Sidney Rigdon ary i Oliver Cowdery ny 27 aogositra, taorian’ny famangiany tany Missouri. Manazava io fanambarana io ny tantaran’i Joseph Smith: “Amin’izao androm-pahazazan’ny Fiangonana izao dia nisy ny fahamaimaizana lehibe ny hahazo ny tenin’ny Tompo momba ny lohahevitra tsirairay, izay amin’ny lafiny rehetra dia mikasika ny famonjena antsika; ary satria ny tanin’i Ziona no raharahan’ny tany lehibe indrindra banjinina ankehitriny dia nangataka fanampim-pahalalana tamin’ny Tompo aho ny amin’ny fanangonana ny Olomasina sy ny fividianana ny tany ary ireo raharaha hafa.”

1–6, Ho avy amin’ny olon-dratsy ny andron’ny fisafoahana; 7–12, Tonga amin’ny alalan’ny finoana ireo famantarana; 13–19, Izay manitsakitsa-bady ao am-po dia handà ny finoana ary hatsipy any amin’ny farihy afo; 20, Handray lova amin’ny tany niova endrika ny mahatoky; 21, Tsy mbola nomena ny fitantarana feno ny zava-nitranga teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy; 22–23, Mandray ny misterin’ny fanjakan’ny mpankatò; 24–31, Tokony hovidiana ny lova ao Ziona; 32–35, Manapaka ny hisian’ny ady ny Tompo, ka mamono ny olon-dratsy ny olon-dratsy; 36–48, Hiangona ao Ziona ny Olomasina ary hanome ny vola hanorenana azy; 49–54, Azo antoka ho an’ny mahatoky ny fitahiana amin’ny Fiaviana Fanindroany, amin’ny Fitsanganana amin’ny maty ary mandritra ny Arivotaona; 55–58, Izao no andro fampitandremana; 59–66, Manonona foana ny anaran’ny Tompo ireo izay mampiasa izany tsy ombam-pahefana.

1 Mihainoa, ô ianareo Ry olona, ary sokafy ny fonareo dia mampandria sofina avy lavitra; ary mandrenesa ianareo izay manao ny tenanareo ho vahoakan’ny Tompo, ka henoy ny tenin’ny Tompo sy ny sitrapony momba anareo.

2 Eny, lazaiko marina tokoa, henoy ny tenin’ilay mirehitra amin’ny olon-dratsy sy mpikomy ny fahatezerany;

3 Izay te haka ireo izay tiany halaina ary mitsimbina ny ain’ireo izay tiany hotsimbinina;

4 Izay manorina araka ny tiany sy ny sitrapony ihany; ary mandrava rehefa sitrany, ary afaka mandroaka ny fanahy hidina any amin’ny helo.

5 Indro, Izaho Tompo no mamoaka ny feoko, ary izany dia hankatoavina.

6 Koa lazaiko marina tokoa, aoka hitandrina ny olon-dratsy, ary aoka ny mpikomy hatahotra sy hangovitra; ary aoka ny tsy mpino hanakombona ny molony, fa ho tonga aminy toy ny tadio ny andron’ny fisafoahana, ary ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho no Andriamanitra.

7 Ary izay mitady famantarana dia hahita famantarana, nefa tsy ho amin’ny famonjena.

8 Lazaiko aminareo marina tokoa, misy ireo eo anivonareo izay mitady famantarana, ary efa nisy ny toy izany hatrany am-piandohana;

9 Nefa indro, tsy avy amin’ny famantarana ny finoana, fa ny famantarana no manaraka ireo izay mino.

10 Eny, ny famantarana dia tonga amin’ny alalan’ny finoana, fa tsy amin’ny alalan’ny sitrapon’olombelona na araka izay tiany, fa amin’ny alalan’ny sitrapon’ Andriamanitra.

11 Eny, avy amin’ny alalan’ny finoana ny famantarana mba hahatontosana asa mahery, fa raha tsy misy ny finoana, dia tsy misy olona ankasitrahan’ Andriamanitra; ary amin’izay mahatezitra an’ Andriamanitra dia tsy mankasitraka Izy; koa amin’ny toy izany, dia tsy maneho famantarana Izy raha tsy ao amin’ny fisafoahana, ho fanamelohana azy.

12 Koa, Izaho Tompo dia tsy mankasitraka ireo any anivonareo izay nitady famantarana sy zava-mahatalanjona mba hanam-pinoana, nefa tsy ho tombontsoan’olombelona mba ho voninahitro.

13 Na dia izany aza, dia manome didy Aho, ary maro no efa nivily niala tamin’ny didiko ary tsy nitandrina azy.

14 Nisy teo anivonareo ny lehilahy sy ny vehivavy nanitsakitsa-bady; ny sasany taminy dia efa nandao anareo, ary ireo hafa izay mijanona miaraka aminareo dia hampahafantarina any aoriana.

15 Aoka ny toy izany hitandrina ary hibebaka faingana tokoa, fandrao ho tonga aminy toy ny fandrika ny fitsarana, ary haseho ny fahadalany, ary hanaraka azy eo imason’ny olona ny asany.

16 Ary lazaiko aminareo marina tokoa, toy ny efa voalazako teo aloha, fa ny lehilahy izay mijery vehivavy ka mitsiriritra azy, na raha misy manitsakitsa-bady ao am-pony, dia tsy hanana ny Fanahy izy fa handa ny finoana ary hatahotra.

17 Koa, Izaho Tompo dia efa niteny, fa ny saro-tahotra sy ny tsy mino sy ny mpandainga rehetra, ary na zovy na zovy no tia sy manao lainga, ary ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy dia hanana ny anjarany ao amin’ilay farihy mirehitra afo sy solifara, izay fahafatesana faharoa.

18 Lazaiko marina tokoa fa tsy hanana anjara amin’ny fitsanganana voalohany amin’ny maty ireo.

19 Ary ankehitriny indro, Izaho Tompo dia milaza aminareo fa tsy amarinina ianareo, noho ireo zavatra ireo eo anivonareo.

20 Na dia izany aza, izay maharitra amin’ny finoana ary manao ny sitrapoko, dia izy no haharesy ary handray lova eto an-tany rehefa avy ny andro fiovan’endrika;

21 Rehefa hiova endrika ny tany, araka ny toromarika izay naseho ny apôstôliko teo an-tendrombohitra; izay tsy mbola voarainareo ny fitantarana feno momba azy.

22 Ary ankehitriny, lazaiko aminareo marina tokoa, satria nolazaiko fa hampahafantariko anareo ny sitrapoko, dia indro hampahafantariko anareo izany, tsy amin’ny alalan’ny fomba fandidiana, satria misy maro izay tsy miezaka ny hitandrina ny didiko.

23 Fa izay mitandrina ny didiko no homeko ny mistery momba ny fanjakako ary izany dia ho loharanon’ny rano velona ao anatiny, miboiboika hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay.

24 Ary ankehitriny indro, izao no sitrapon’ny Tompo Andriamanitrareo momba ny olomasiny, fa tokony hiara-mivory ao an-tanin’i Ziona izy ireo, tsy amim-pirotorotoana fandrao hisy fifanjevoana izay mitondra areti-mandringana.

25 Indro, ny tanin’i Ziona—Izaho Tompo dia mihazona izany eo an-tanako;

26 Kanefa Izaho Tompo dia mamerina amin’i Kaisara ny zavatra izay an’i Kaisara.

27 Koa, tiako Izaho Tompo ny hividiananareo ireo tany, mba hahazoanareo tombony amin’izao tontolo izao, mba hanananareo zo amin’izao tontolo izao, mba tsy hahazoana mambosy azy ho tezitra.

28 Fa apetrak’i Satana ao am-pony ny ho tezitra aminareo ary ny handatsa-dra.

29 Koa ny tanin’i Ziona dia tsy ho azo raha tsy amin’ny fividianana na amin’ny ra, fa raha tsy izany dia tsy misy lova ho anareo.

30 Ary raha amin’ny fividianana, dia indro, tahina ianareo;

31 Ary raha amin’ny ra, satria rarana ny handatsahanareo ra, dia indro, mby eo aminareo ny fahavalonareo, ary hokaravasiana isan-tanàna sy isaky ny sinagoga ianareo, ary vitsivitsy no hijoro mba handray ny lova.

32 Izaho Tompo dia tezitra amin’ny olon-dratsy; ary hazoniko tsy ho an’ny mponin’ny tany, ny Fanahiko.

33 Efa nianiana tao amin’ny fisafoahako Aho ka nanapaka fa hisy ady eto ambonin’ny tany ary handringana ny olon-dratsy ny olon-dratsy, ary ho tonga amin’ny olona tsirairay ny tahotra;

34 Ary zara raha ho afa-miala ny olomasina; kanefa momba azy Izaho Tompo, ary hidina mbamin’ny lanitra Aho avy eo anatrehan’ny Raiko ka handevona ny olon-dratsy amin’ny afo tsy mety maty.

35 Ary indro tsy mbola eo izany, fa ho avy tsy ho ela.

36 Koa noho Izaho Tompo, efa nanapaka ny hisian’ireo zavatra rehetra ireo eto ambonin’ny tany dia tiako ny hiangonan’ny olomasiko any an-tanin’i Ziona;

37 Ary hakan’ny olona tsirairay fahamarinana ho eo an-tanany sy fahatokiana ho eo am-balahany ary hanandratany feo fampitandremana amin’ny mponin’ny tany; sady hanambaràny amin’ny teny no amin’ny fandosirana fa hihatra amin’ny olon-dratsy ny fandravana.

38 Koa aoka ireo mpianatro izay monina eo amin’io toerana fambolena sy fiompiana ao Kirtland io handamin’ny ny raharaham-piainany.

39 Aoka i Titus Billings mpanompoko, izay mikarakara izany, hivarotra ny tany, mba ho vonona izy amin’ny lohataona ho avy ny handeha hiakatra any an-tanin’i Ziona miaraka amin’ireo izay monina eo amin’ny tany afa-tsy ireo izay hatokako ho an’ny Tenako ka tsy handeha raha tsy Izaho no mandidy azy ireo.

40 Ary aoka ny vola rehetra izay azo angonina, tsy ahoako na kely izany na be, halefa any an-tanin’i Ziona, any amin’ireo izay efa notendreko handray izany.

41 Indro, Izaho Tompo no hanome an’i Joseph Smith zanany mpanompoko, hery hahaizany manavaka, amin’ny alalan’ny Fanahy, ireo izay handeha hiakatra any an-tanin’i Ziona sy ireo izay hijanona amin’ny mpianatro.

42 Aoka i Newel K. Whitney mpanompoko mbola hitana ny tranombarotra, na amin’ny teny hafa, ilay tranombarotra, mandritra ny fotoana fohy.

43 Na dia izany aza, dia aoka izy hanome ny vola rehetra izay azony omena, mba halefa any an-tanin’i Ziona izany.

44 Indro eo an-tanany ireo zavatra ireo, ka aoka izy hanao amim-pahendrena.

45 Lazaiko marina tokoa, aoka izy hatokana ho mpandraharaha ho an’ireo mpianatra izay hijanona, ary aoka izy hatokana ho amin’io hery io;

46 Ary ankehitriny dia vangio faingana miaraka amin’i Oliver Cowdery mpanompoko ireo fiangonana, ka hazavao amin’izy ireo izany zavatra izany. Indro, izao no sitrapoko, dia ny hahazoana vola araka izay efa natoroko.

47 Izay mahatoky sy maharitra no handresy izao tontolo izao.

48 Izay mandefa raki-tsoa any an-tanin’i Ziona dia handray lova eo amin’izao tontolo izao, ary ny asany hanaraka azy, ary koa valisoa any amin’ny tontolo ho avy.

49 Eny, ary sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao, rehefa ho avy ny Tompo ka ho lasa ny zavatra taloha ary tonga vaovao ny zava-drehetra, dia hitsangana amin’ny maty ireo ary tsy ho faty rehefa avy eo, fa handray lova ao amin’ny tanàna masina, eo anoloan’ny Tompo.

50 Ary izay velona rehefa ho avy ny Tompo, ary efa nitana ny finoana, dia sambatra izy; na dia izany aza, dia anjarany ny ho faty amin’ny taonan’olombelona.

51 Koa hitombo ny ankizy mandra-pahatonga azy ho antitra; ho faty ny lahiantitra; saingy tsy hatory amin’ny vovoka izy fa hovana ao amin’ny indray mipi-maso.

52 Koa, noho izany antony izany dia notorian’ireo apôstôly tamin’izao tontolo izao ny fitsanganana amin’ny maty.

53 Ireo zavatra ireo no zavatra izay tsy maintsy andrandrainareo; ary araka ny fomba fitenin’ny Tompo, dia efa antomotra sahady izy ireo ankehitriny ary amin’ny fotoana ho avy, dia amin’ny andro fiavian’ny Zanak’Olona.

54 Ary mandra-pahatongan’io ora io, dia hisy virijiny adala eo anivon’ny hendry; ary amin’io ora io, dia hitranga ny fisarahana tanteraka eo amin’olo-marina sy ny olon-dratsy; ary amin’io andro io, dia hirahiko ny anjeliko hamongotra ny olon-dratsy ary hanipy azy ireny any amin’ny afo tsy mety maty.

55 Ary ankehitriny indro, lazaiko aminareo marina tokoa, Izaho Tompo dia tsy mankasitraka an’i Sidney Rigdon mpanompoko; nanandra-tena tao am-pony izy ary tsy nandray ny torohevitra fa nampalahelo ny Fanahy;

56 Koa tsy azo ekena ho an’ny Tompo ny asa sorany, ary hanao anankiray hafa izy; ary raha tsy mandray izany ny Tompo, dia tsy hanefa intsony ny anjara fanompoana izay efa nanendreko azy izy.

57 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, ireo izay maniry amim-panentren-tena ao am-pony hampitandrina ny mpanota mba hibebaka, dia aoka ireo hatokana ho amin’izany hery izany.

58 Fa izao dia andro fampitandremana fa tsy andron’ny teny maro. Fa Izaho Tompo dia tsy hovazivaziana amin’ny andro farany.

59 Indro, Izaho dia avy any ambony, ary ny heriko dia ety ambany. Izaho dia ambonin’ny rehetra sy ao amin’ny rehetra ary manerana ny rehetra ary mandinika ny zava-drehetra ary avy ny andro izay hampanoavana Ahy ny zava-drehetra.

60 Indro Izaho no Alfa sy Omega, dia i Jesoa Kristy.

61 Koa aoka ny olon-drehetra hitandrina amin’ny fomba hanononany ny anarako eo amin’ny molony—

62 Fa indro lazaiko marina tokoa, fa misy maro izay eo ambanin’io fanamelohana io, izay mampiasa ny anaran’ny Tompo ary mampiasa izany foana, nefa tsy manana fahefana.

63 Koa aoka ny fiangonana hibebaka amin’ny fahotany, ary Izaho Tompo dia hanana azy fa raha tsy izany dia hoesorina izy hiala.

64 Tadidio fa izay avy any ambony dia masina ary tsy maintsy tenenina amim-piheverana sy amin’ny faneren’ny Fanahy; ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana, ary mandray ny Fanahy amin’ny alalan’ny vavaka ianareo; koa raha tsy misy izany, dia mitoetra ny fanamelohana.

65 Aoka ny mpanompoko Joseph Smith zanany sy i Sidney Rigdon hitady fonenana ho azy ireo araka izay ampianarin’ny Fanahy azy ireo amin’ny alalan’ny vavaka.

66 Ireo zavatra ireo dia mitoetra mba horesena amin’ny alalan’ny faharetana, mba hahazoana mandray ny havesatry ny voninahitra mihoa-pampana sy mandrakizay, fa raha tsy izany dia lehibe kokoa ny fanamelohana. Amena.