Fizarana 29
Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany teo anatrehan’ny loholona enina tao Fayette, New York, ny volana septambra 1830. Ity fanambarana ity dia nomena andro vitsivitsy talohan’ny fihaonambe izay nanomboka ny 26 septambra 1830.
1–8, Manangona ny olom-boafidiny i Kristy; 9–11, Mampiditra ny arivotaona ny fiaviany; 12–13, Hitsara an’i Isiraely rehetra ny Roambinifololahy; 14–21, Hialoha lalana ny Fiaviany Fanindroany ny famantarana, ny areti-mandringana ary ny fandravana; 22–28, Handimby ny Arivotaona ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana farany; 29–35, Ara-panahy ny zava-drehetra ho an’ny Tompo; 36–39, Noroahina hiala avy tany an-danitra ny devoly sy ny miaramilany mba haka fanahy ny olona; 40–45, Nitondra famonjena ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotana; 46–50, Voavonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ny zaza.
1 Henoy ny feon’i Jesoa Kristy Mpanavotra anao, ilay Izy Aho, lehibe, izay efa nanonitra ho an’ny fahotanareo ny sandrin’ny famindram-pony;
2 Izay hanangona ny vahoakany toy ny reniakoho manangona ny zanany eo ambanin’ny elany, dia ireo rehetra izay hihaino ny feoko sy hanetry ny tenany eo anoloako ary hiantso Ahy amin’ny faherezana mivavaka.
3 Indro, lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa voavela ny fahotanareo amin’izao fotoana izao, noho izany dia mandray ireto zavatra ireto ianareo; saingy tsarovy ny tsy hanota intsony, fandrao ho avy aminareo ny loza.
4 Lazaiko aminareo marina tokoa fa voafidy avy tamin’izao tontolo izao ianareo mba hanambara ny filazantsarako amin’ny feom-pifaliana, tahaka ny amin’ny feon’ny trompetra.
5 Asandrato ny fonareo, ary mifalia fa eo afovoanareo Aho, ary Izaho no mpisolovavanareo amin’ny Ray; ary efa sitrapony ny hanome anareo ny fanjakana.
6 Ary araka ny voasoratra hoe—Na inona na inona hangatahinareo amin’ny finoana, amin’ny fiombonam-bavaka araka ny didiko, dia ho azonareo izany.
7 Ary antsoina ianareo mba hanatanteraka ny fanangonana ny olom-boafidiko; fa ny olomboafidiko dia mihaino ny feoko ary tsy manamafy ny fony;
8 Koa efa navoaka ny didy avy amin’ny Ray, fa hangonina ho amin’ny toerana iray eo ambonin’ity tany ity izy ireo, mba hanomanana ny fony sy hiomana ho amin’ny zava-drehetra, ho fiatrehana ny andro izay andefasana ny fahoriana sy ny fandravana amin’ny olon-dratsy.
9 Fa efa akaiky ny ora ary efa antomotra ny andro izay mahamasaka ny tany; ary ny mpirehareha rehetra sy ireo izay manao ratsy dia ho toy ny vodivary; ary hodorako ho levona ireo, hoy ny Tompon’ny Maro, mba tsy hisy faharatsiana eto ambonin’ny tany;
10 Fa efa akaiky ny ora, ary izay efa notenenin’ny apôstôliko dia tsy maintsy tanteraka fa araka izay nolazainy no hahatanteraka izany;
11 Fa haneho ny tenako avy any an-danitra amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe Aho, miaraka amin’ny miaramilany rehetra, ka hitoetra amim-pahamarinana miaraka amin’ny olona eto an-tany arivo taona, ary ny olon-dratsy tsy hahatanty.
12 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, ary efa navoaka ho didy hentitra izao, noho ny sitrapon’ny Ray, fa ny apôstôliko, ny Roambinifololahy izay niaraka tamiko tamin’ny asa fanompoako tao Jerosalema, dia hijoro eo an-tanana ankavanako amin’ny andro fiaviako ao amin’ny andry afo, miakanjo ny akanjon’ny fahamarinana, misatroka diadema, ao amin’ny voninahitra toa Ahy, mba hitsara ny mpianakavin’i Isiraely iray manontolo, dia izay rehetra efa tia Ahy sy nitandrina ny didiko, fa tsy olon-kafa.
13 Fa haneno maharitra sady mafy ny trompetra, dia toy ny teo an-tendrombohitra Sinay, ary hihorohoro ny tany manontolo, ary hivoaka izy ireo—eny, dia ireo nodimandry izay nodimandry tao Amiko, mba handray ny satroboninahitry ny fahamarinana sy mba hotafiana toa Ahy, mba hiaraka Amiko, ka hahatonga anay ho iray.
14 Nefa indro, lazaiko aminareo fa mialoha ny fahatongavan’izany andro lehibe izany, dia hohamaizinina ny masoandro, ary ny volana hampodiana ho ra, ary ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary hisy famantarana lehibe kokoa eny amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany;
15 Ary hisy fitomaniana sy fidradradradrana eo anivon’ny sarambabem-bahoaka;
16 Ary hisy havandra vaventy halatsaka hanimba ny vokatry ny tany.
17 Ary ny zavatra hitranga noho ny faharatsian’izao tontolo izao dia hamaly faty amin’ny olon-dratsy Aho, satria tsy te hibebaka izy; satria feno ny kapoaky ny fahavinirako; fa indro, tsy hodiovin’ny rako izy raha tsy mihaino Ahy.
18 Koa Izaho Tompo Andriamanitra dia handefa lalitra eny ambonin’ny tany, izay hifikitra amin’ny mponiny sy hihinana ny nofony ary hahatonga ny olitra hiditra ao aminy;
19 Ary hifatotra ny lelany mba tsy hitenenany manohitra Ahy; ary ny nofony dia hihintsana hiala amin’ny taolany, ary ny masony amin’ny lohany;
20 Ary ny zavatra hitranga dia ny biby an’ala sy ny voromanidin’ny habakabaka no hambosibosika azy.
21 Ary ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko, izay vehivavy janga amin’ny tany manontolo, dia hazeran’ny afo midedadeda, araka izay voalazan’ny vavan’i Ezekiela mpaminany izay niteny ny amin’ireto zavatra ireto izay tsy mbola nitranga saingy tsy maintsy mitranga marina tokoa, raha velona koa Aho, satria tsy hanjaka ny fahavetavetana.
22 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa rehefa hifarana ny arivo taona ary hanomboka indray handà an’ Andriamaniny ny olona, amin’izany dia tsy hamindra fo amin’ny tany afa-tsy fotoana fohy Aho;
23 Ary ho tonga ny farany, ary ny lanitra sy ny tany ho foana sy ho levona, ary hisy lanitra vaovao sy tany vaovao.
24 Fa ho foana ny zavatra tranainy, ary ny zava-drehetra dia ho tonga vaovao, dia ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra eo aminy, na ny olona na ny biby, ny voromanidin’ny habakabaka sy ny hazandranon-dranomasina;
25 Ary na dia ny singam-bolo iray aza, na ny zava-bitika, dia tsy hisy ho very, fa asan’ny tanako izany.
26 Nefa indro, lazaiko aminareo marina tokoa, mialoha ny hahafoana ny tany, dia hitsoka ny trompetrany i Mikaela arikanjeliko, ary amin’izay dia hifoha avokoa ireo nodimandry, fa hovohana avokoa ny fasany, ary hivoaka izy ireo—eny, izy rehetra.
27 Ary ny marina dia hangonina eo an-tanana ankavanako ho amin’ny fiainana mandrakizay; ary hahamenatra Ahy ny hanana ny ratsy eo an-tanana ankaviako eo anoloan’ny Ray;
28 Koa hoy Aho aminy—Mialà Amiko ianareo voaozona ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
29 Ary ankehitriny indro, lazaiko aminareo fa na oviana na oviana, na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona, dia tsy nanambara ny vavako fa hiverina izy ireo, fa izay misy Ahy dia tsy azony aleha satria tsy ananany ny hery.
30 Nefa tsarovy fa tsy omena ny fitsarako rehetra ny olona; ary tahaka ny efa nivoahan’ny teny ny vavako, dia tahaka izany no hahatanteraka azy, ka ny voalohany ho farany ary ny farany ho voalohany amin’izay zavatra rehetra nohariako tamin’ny herin’ny teniko, dia ny herin’ny Fanahiko.
31 Fa tamin’ny herin’ny Fanahiko no nohariako ireo; eny, ny zava-drehetra na ara-panahy na ara-nofo—
32 Voalohany ara-panahy, faharoa ara-nofo, izay fiandohan’ny asako; ary koa voalohany ara-nofo ary faharoa ara-panahy, izay fiafaran’ny asako—
33 Miteny izany aminareo Aho mba hahatakaranareo mora foana; saingy ho Ahy ny asako dia sady tsy manam-pahataperana no tsy manam-piandohana; nefa omena anareo izany mba hahatakaranareo, satria nangatahinareo Tamiko izany ary nifanekenareo.
34 Koa lazaiko aminareo marina tokoa fa ho Ahy ny zavatra rehetra dia ara-panahy, ary tsy nisy fotoana nanomezako ho anareo ny lalàna izay ara-nofo; na ho an’ny olona, na ho an’ny zanak’olombelona; na ho an’i Adama rainareo izay nohariako.
35 Indro, nomeko ho azy ny hisafidy ho an’ny tenany; ary nomeko ho azy ny didy, saingy tsy ara-nofo ny didy nomeko azy, satria ny didiko dia ara-panahy fa tsy araka ny toe-tena na ny vatana, na ny nofo na ny filàna.
36 Ary ny zava-nitranga, noho i Adama nalain’ny devoly fanahy—fa indro talohan’i Adama ny devoly, fa nikomy Tamiko izy nanao hoe: Omeo ahy ny voninahitrao, dia ny heriko, ary ny ampahatelon’ny miaramilan’ny lanitra koa dia naodiny hiala Tamiko noho ny safidin’izy ireo;
37 Ary nazera izy ireo ka dia tonga devoly sy ny anjeliny;
38 Ary indro, misy toerana voavoatra ho azy ireo hatrany am-piandohana, izany toerana izany dia ny helo.
39 Ary tsy maintsy ilaina ny hakan’ny devoly fanahy ny zanak’olombelona, fa raha tsy izany dia tsy afaka ny hisafidy ho an’ny tenany izy ireo; fa raha tsy manana na oviana na oviana ny mangidy izy ireo, dia tsy ho hainy ny hahafantatra ny mamy—
40 Koa ny zava-nitranga dia naka fanahy an’i Adama ny devoly, ary nandray tamin’ny voankazo voarara izy ka nandika ny didy izay nahatonga azy ho eo ambany fifehezan’ny sitrapon’ny devoly, satria nilefitra tamin’ny fakam-panahy izy.
41 Koa Izaho Tompo Andriamanitra dia nanao izay handroahana azy hiala ny Saha Edena, avy teo anatrehako, noho ny fandikan-dalàna nataony izay nahatonga ny fahafatesana ara-panahiny, dia ny fahafatesana voalohany, dia ilay fahafatesana izay ny fahafatesana farany ihany koa, izay ao amin’ny fanahy, izay hotononina amin’ny olon-dratsy rehefa hiteny Aho hoe: Mialà Amiko ianareo voaozona.
42 Nefa indro, lazaiko aminareo fa Izaho Tompo Andriamanitra dia nanome ho an’i Adama sy ho an’ny taranany ny tsy hahafatesany, raha ny amin’ny fahafatesam-batana, raha tsy efa nirahiko, Izaho Tompo Andriamanitra, ny anjely mba hanambara fibebahana sy fanavotana aminy amin’ny alalan’ny finoana ny anaran’ny Zanako Lahitokana.
43 Ary dia toy izany no nanendreko, Izaho Tompo Andriamanitra, ny andron’ny fizahan-toetra ho an’ny olona—mba hahazoana, amin’ny alalan’ny fahafatesan’ny nofo, manangana azy ao amin’ny tsy fahafatesana ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay rehetra hino;
44 Ary ireo izay tsy mino ho amin’ny fanamelohana mandrakizay, fa tsy afaka avotana amin’ny fahalavoam-panahiny izy satria tsy mibebaka;
45 Fa tiany ny haizina noho ny hazavana, ary ratsy ny asany ka mandray ny valin-kasasarany amin’izay tiany hankatoavina izy.
46 Nefa indro, lazaiko aminareo fa avotana amin’ny alalan’ny Lahitokako ny ankizy madinika hatry ny fanorenana izao tontolo izao.
47 Koa tsy afaka manota izy ireo fa tsy nomena an’i Satana ny hery hakana fanahy ny ankizy madinika ambara-panombohan’izy ireo ho lasa tompon’andraikitra eo anoloako;
48 Fa omena azy ireo araka izay tiako izany, araka ny sitrapoko, mba hahazoana mitaky zava-dehibe amin’ny rainy.
49 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa na zovy na zovy no manam-pahalalana, moa tsy efa nodidiako hibebaka va?
50 Ary izay tsy manana fahazavan-tsaina, dia andraikitro ny manao araka izay voasoratra. Ary ankehitriny dia tsy hanambara firy aminareo Aho amin’izao fotoana izao. Amena.