Institiota
Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna


“Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 5, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
I Joseph sy Oliver mandika ny Bokin’i Môrmôna

Mialoha ny nanafenan’i Môrmôna ny rakitsoratra Nefita dia naminany ny amin’ny fivoahan’izany amin’ny andro farany izy hoe: “Fa tsy hisy hanam-pahefana hitondra izany ho eo amin’ny mazava raha tsy omen’ Andriamanitra azy izany” (Môrmôna 8:15). Diniho hoe nahoana ny Ray any An-danitra no nisafidy zatovolahy mpiompy tsy nahita fianarana mba handika ny iray amin’ireo boky manan-danja indrindra amin’izao vanin’androntsika izao.

Fizarana 1

Ahoana no namoahan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra?

Tranga mahagaga maromaro no niseho tamin’ny nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna izay manaporofo fa nadika tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ilay izy (jereo ny Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 21–30, 39–64).

Nanompo an’i Joseph Smith ny anjely iray ary niresaka momba ilay rakitsoratra fahiny taminy.

Ny takarivan’ny 21 septambra 1823 dia niseho tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia ary nilaza taminy fa manana asa hampanaovina azy Andriamanitra (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:33).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:34–35.

Sary
Miseho amin’i Joseph Smith ny Anjely Môrônia, nataon’i Tom Lovell

Nandika ilay boky i Joseph Smith na dia tanora sy tsy dia nahita fianarana firy aza izy.

17 taona i Joseph Smith tamin’ny nitsidihan’i Môrônia azy voalohany sy ny nahitany voalohany ireo takela-bolamena. Teo anelanelan’ny faha-18 sy 21 taonany dia nitsidika azy indray mandeha isan-taona i Môrônia ary nanome azy “torolalana sy fahalalana” (Joseph Smith—Tantara 1:54). Tamin’ny faha-21 taonan’i Joseph dia navela haka ny takelaka izy mba hahafahany mandika izany. Tamin’ny faha-22 taonany dia nandika ampahany tamin’ireo takelaka izy, ka i Martin Harris no mpitantsorany. (Io lahatsoratra natao sora-tanana io no ireo 116 pejy izay very ary tsy naverina nadika intsony.) Tamin’ny faha-23 taonany dia namita ny ambin’ny fandikan-teny i Joseph niaraka tamin’i Oliver Cowdery sy olona hafa izay mpitantsorany.

I Emma Smith, vadin’ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava fa: “[Tamin’io fotoana io] i Joseph Smith … dia tsy nahay na ny manoratra na ny manonona taratasy iray mitombina sy voarafitra tsara; mainka fa hoe manonona boky iray toy ny Bokin’i Mormôna. Ary na dia mpandray anjara mavitrika aza aho tamin’ireo zava-nitranga, ary teo koa nandritra ny fandikana ny takela-bolamena … dia mahatalanjona ahy izany, -mahagaga sy mahatalanjona,- toy ny fahitan’ny hafa rehetra izany ihany. … Ny Bokin’ i Môrmôna dia avy amin’ Andriamanitra marina. Tsy manana ahiahy ny amin’izany aho na dia bitika aza. (“Last Testimony of Sister Emma,” The Saints’ Herald, Oct. 1, 1879, 290).

Namita ny fandikan-teny tao anatin’ny fotoana tena fohy i Joseph Smith.

Notombanana ho nahavita ny dikan-teny tao anatin’ny “dimy amby enimpolo andro niasana raha be indrindra” i Joseph Smith, izay nandikany boky iray “ahitana 531 pejy ny edisiôn’izany amin’izao fotoana. Raha aravona ny kajy dia manome pejy valo isan’andro. Diniho izany rehefa mandika boky iray ianao, na rehefa mandamina ny famakianao manokana ny Bokin’i Môrmôna” (Russell M. Nelson, “A Treasured Testament,” Ensign, July 1993, 61–62).

Tsy nandray an-tsoratra ary tsy namerina nijery ny lahatsoratra vita sora-tanana i Joseph Smith tamin’izy nanao ny fandikan-teny.

Sary
I Emma manampy amin’ny fandikan-teny

Toy izao no namariparitan’i Emma ny fizotry ny fandikan-teny tamin’ny zanakalahiny, dia i Joseph Smith III izany, fotoana fohy talohan’ny nahafatesany tamin’ny 1879:

Mino [aho] fa naorina araka ny fitarihan’ Andriamanitra ny Fiangonana. Mino tanteraka izany aho. …

Tsy nanana lahatsoratra vita sora-tanana na boky novakina i [Joseph] tamin’ [izy nandika teny]. …

Raha nanana karazan-javatra toy izany izy dia tsy ho nafeniny ahy izany. …

Matetika ireo takelaka no nipetraka teo ambonin’ny latabatra ka tsy tao an’eritreriny akory ny hoe hanafina izany, voarakotra lamban-databatra kely vita tamin’ny lamba rongony nomeko azy mba hamonosany azy. Nahatsapa ireo takelaka aho indray mandeha, raha nipetraka teo ambonin’ny latabatra izany ka novinavinaiko ny habeny sy ny endriny. Toa afaka miforitra toy ny taratasy matevina ilay izy ary maneno toy ny vy [sic] mikasaosaoka rehefa ampiakarin’ny ankihibe ny sisiny, toy ireny ataon’ny olona amin’ny sisin’ny boky ireny indraindray. …

Mino tanteraka aho fa tsy misy olona ho afaka nanonona ny soratra tao amin’ny raki-tsoratra raha tsy notarihin’ny Fanahy izy; satria rehefa niasa ho mpitantsorany aho dia nanonona tamiko nandritra ny ora maro ny rainao; ary rehefa nanohy indray rehefa avy nisakafo na rehefa avy nitsahatra kely, dia tonga dia nanomboka teo amin’izay nijanonany izy, tsy namerina nijery akory izay voasoratra na hoe nangataka ny hamakiana ampahany ho azy. Zavatra nahazatra azy ny nanao izany. Sarotra ny hahafahan’ny olona avara-pianarana iray hanao toy izany; ary ho an’ny olona tsy nianatra sy tsy nahalala na inona na inona toa azy dia tsy ho azo heverina tsotra izao izany. (Emma Smith, ao amin’ny “Last Testimony of Sister Emma,” The Saints’ Herald, Oct. 1, 1879, 289–90)

Nomena fitaovana i Joseph Smith hanampiana azy amin’ny fandikan-teny.

Tsy nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fomba mahazatra i Joseph. Tsy nahafantatra ilay fiteny tao amin’ny takelaka izy ary avy eo nandika izany tamin’ny teny Anglisy. Ny nataony kosa dia nandika ilay lahatsoratra avy amin’ny fiteny iray ho amin’ny fiteny iray hafa tamin’ny alalan’ny fanambarana—araka “ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3).

I Joseph sy ireo mpitantsorany dia nanoratra avy tamin’ny fitaovana anankiroa izay nampiasaina tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Misy fitaovana iray, antsoina hoe “fandikan-teny” (Môzià 8:13) ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay fantatry ny Olomasin’ny Andro Farany ankehitriny amin’ny hoe “Orima sy Tomima” (Joseph Smith—Tantara 1:35). Nilaza i Oliver Cowdery fa rehefa “nijery tamin’ny alalan’” ny Orima sy Tomima i Joseph dia “afaka namaky tamin’ny teny Anglisy ireo tarehin-tsoratra tamin’ny fiteny Egyptiana nohavaozina izay voasokitra teo amin’ny takelaka izy” (“Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Ny firaketana tantara taty aoriana dia milaza fa indraindray i Joseph dia nampiasa fitaovana hafa mba handikana ny Bokin’i Môrmôna. Izany fitaovana izany dia vato kely miendrika atody, antsoina hoe vaton’ny mpahita, izay hitan’i Joseph taona vitsivitsy talohan’ny nandraisany ireo takela-bolamena. Ireo tantara ireo dia milaza fa i Joseph dia nametraka na ireo fandikan-teny na ny vaton’ny mpahita tao anaty satroka iray mba hanakanana ny hazavana ivelany, ka izany dia namela azy hahita tsaratsara kokoa ny teny izay nipoitra teo amin’ilay fitaovana. (Jereo ny “Book of Mormon Translation,” topics.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny Richard E. Turley Jr., Robin S. Jensen, and Mark Ashurst-McGee, “Joseph the Seer,” Ensign, Oct. 2015, 51.)

Herintaona mahery taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna dia nangatahana i Joseph nandritra ny fivoriana iray mba hilazalaza momba ny antsipirian-javatra sasany mikasika ny nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Ny tatitra momba izany fivoriana izany dia milaza fa izy dia “nilaza fa tsy nisy ny fikasana hilaza amin’izao tontolo izao ireo antsipirian-javatra mikasika ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna” ary “tsy mahasoa azy ny hizarany ireo zavatra ireo” (“Minutes, Oct. 25–26, 1831,” ao amin’ny Minute Book 2, 13, josephsmithpapers.org).

Nanazava ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Tsy mahagaga raha toa ireo olona maro mamaky ny Bokin’i Môrmôna no maniry ny hahalala misimisy kokoa mikasika ny nipoirany, ary ao anatin’izany ny ambaratonga marin’ny fandikan-teny. … Ampy antsika izay fantatsika ankehitriny mikasika ny nipoiran’ny Bokin’i Môrmôna, saingy tsy tena amin’ny antsipiriany izany. …

… Nafenina angamba ny antsipiriany mikasika ny fandikan-teny … satria tiana hamakafaka lalina ny votoatin’ny boky isika fa tsy hanjary hanana olana amin’ny tsy antony momba ny dingana izay nahazoana izany. (Neal A. Maxwell, “By the Gift and Power of God,” Ensign, Jan. 1997, 39, 41)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Nahoana isika araka ny hevitrao no tokony ho liana kokoa amin’ny “votoatin’ny boky fa tsy “amin’ny dingana izay nahazoana izany”?

Fizarana 2

Ahoana no hanomezan’ny tenivavolombelon’ireo vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna porofo misimisy kokoa momba ny fahamarinan’izany?

Sary
I Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo miara-mivavaka

Nandritra ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna dia nahafantatra i Joseph Smith sy Oliver Cowdery fa haneho ny takelaka amina vavolombelona manokana anakintelo ny Tompo (jereo ny Etera 5:2–4). “Nentanin’ny faniriana avy tamin’ Andriamanitra i Oliver, i David Whitmer ary i Martin Harris mba ho izy ireo no ho ireo vavolombelona manokana telo”. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17, sasin-tenin’ny fizarana).

Ny jona 1829 dia naseho an’i Oliver sy i David ary i Martin Harris tamin’ny fomba mahagaga ireo takelaka. Nijoro ho vavolombelona izy ireo fa “anjelin’ Andriamanitra iray [no] nidina avy tany an-danitra ka izy no nitondra sy namelatra ireo takelaka teo imasonay, ka dia nobanjininay sy nojerenay ireo mbamin’ny soratra voasokitra taminy” (“Ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo,” Bokin’i Môrmôna).

Teo no eo taorian’ny zavatra niainan’ireo Vavolombelona Telo niaraka tamin’ilay anjely dia niverina tany amin’ny tranon-dry Whitmer i Joseph Smith ka nihiaka tamin’ny ray aman-dreniny hoe: “Dada, Neny! Tsy ho takatrareo mihitsy ny fifaliako; amin’izao ny Tompo dia namela ny hanehoana ny takelaka tamin’olona telo fanampiny ankoatra ny tenako—nahita anjely izy ireo, izay nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo; ary izy ireo dia hanome tenivavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny zavatra efa nolazaiko; mahafantatra mivantana izy ireo ankehitriny mantsy, ny amin’ny hoe tsy mandehandeha mba hamitaka olona izany aho. Ary tsapako ho toy ny hoe nesorina tamiko ny enta-mavesatra iray, izay efa saika ho mavesatra [loatra] ho ahy ny nizaka azy; ary mahafaly ny foko izany, fa tsy natao ho irery intsony aho eto amin’izao tontolo izao.” (“Lucy Mack Smith, History, 1845,” 153–54, josephsmithpapers.org)

Taty aoriana dia nasehon’i Joseph tamin’ny vavolombelona valo fanampiny ireo takelaka. Nanambara izy ireo hoe: “Nokasihinay tamin’ny tananay [ny takelaka]; ary nahita koa ireo soratra voasokitra taminy izahay, … [ary] fantatray marina fa [i Joseph Smith] [dia] manana ireo takelaka izay efa noresahanay.” (“Ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo,” Bokin’i Môrmôna).

Na dia teo aza ny tsy fitovian-kevitr’izy ireo tamin’i Joseph Smith izay nitarika ny tsirairay tamin’ireo Vavolombelona Telo hisara-bazana amin’ny Fiangonana (niverina i [Oliver] Cowdery sy i [Martin] Harris taty aoriana), dia mbola nanohy nanamafy hatrany ny tenivavolombelon’izy ireo amin’ny maha-vavolombelona azy ireo nandritra ny fiainany manontolo izy ireo. Torak’izany koa dia mbola nanamafy hatrany ny tenivavolombelony ny amin’ny nizahany ny takelaka ny tsirairay tamin’ireo Vavolombelona Valo, na dia nisara-bazana tamin’ny Fiangonana aza ny sasany tamin’izy ireo taty aoriana. Ny lanjan’ireo zavatra marobe nolazain’izy ireo indray mitambatra, izay nomena nandritra ny taona maro ary na dia teo aza ny fiovan’ny fihetsika nasehon’izy ireo nanoloana an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana, dia vavolombelona mahery vaika ny maha azo antoka ny tenivavolombelon’izy ireo izay navoaka tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. (“Witnesses of the Book of Mormon,” Church History Topics, ChurchofJesusChrist.org)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Raketo ny zavatra niainanao izay nanampy anao ho lasa mahafantatra ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Homena fahafahana ianao, raha toa manaiky izany, ny hizara ny tenivavolombelonao manokana mandritra ny fotoam-pianarana.