Institiota
Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy


“Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

Nanangana indray ny Fiangonany teto an-tany ny Tompo, tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hanazava ny mahatonga Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho ny “hany fiangonana marina sy velona,” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30). Hamantatra ihany koa ny mpianatra hoe ahoana no ahafahany mandray anjara feno kokoa ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny Tompo dia namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa rehefa nanasa namana iray hanatrika fotoam-pivavahana izy dia namaly ilay namana hoe: “Tsy mampaninona ny fisian’ny fiangonana, saingy mieritreritra aho hoe afaka ny ho olona tsara ihany aho na dia tsy mivavaka aza. Samy manana ny lalantsika manokana hankanesana any amin’ Andriamanitra isika tsirairay avy, sa tsy izany?”

  • Inona avy ireo tsoa-kevitra diso mety hanakana ilay namanao hahatakatra ny lanjan’ny Fiangonan’ny Tompo?

Avelao ny mpianatra hifanakalo hevitra mandritra ny minitra vitsivitsy ao anaty vondrona kely maromaro ny amin’ny fomba hanazavana amin’io namana io ny antony nanorenan’ny Tompo ny fiangonany tety an-tany. (Amporisiho ny mpianatra hampiasa izay nianarany avy amin’ny fandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Asehoy ireo sary miaraka amin’ny lesona izay ahitana ny tranon’i Peter Whitmer Rainy tao Fayette New York izany. Asao ny mpianatra hitadidy izay nohalalininy tao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hamariparitana ny zava-nitranga tao amin’ny tranon-dry Whitmer tamin’ny andro nitsanganan’ny Fiangonana.

Sary
ivelan’ny trano hazon’i Peter Whitmer
Sary
I Joseph Smith mampianatra ny daholobe

Vakio miaraka ny Fanekem-pinoana 1:6, dia tadiavo ny zavatra iray nosoratan’i Joseph Smith mikasika ny firafitry ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Raha ilaina dia hazavao fa ny “evanjelistra” dia entina hilazana ny patriarika ary ny “mpiandry” dia entina hilazana ireo anjara fanompoan’ny mpiahy, toy ny eveka ohatra.

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io teny nambara io? (Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe ny Fiangonan’ny Tompo amin’izao andro farany izao dia mirafitra araka ny firafitr’izany tamin’ny fotoan’andron’i Jesoa.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny andiam-pehezan-teny faharoa ao amin’ny zavatra nambaran’ny Rahalahy Tad R. Callister ao amin’ny fizarana 2 an’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianatana, ilay manomboka amin’ny hoe “Raha toa ka mampitaha …”

Asehoy ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto. Asao ny mpianatra hisafidy iray na mihoatra izany amin’izy ireo ho vakiany am-pahanginana, ary hitady izay ambaran’izany momba ny firafitra sy ireo fomba fanao, ary ny fampianaran’ny Fiangonan’ny Mpamonjy tao amin’ny Testamenta Vaovao.

Fanamarihana: Tsy tokony hivalampatra be na handany fotoana be amin’ity asa atao ity ianareo. Izany dia natao fotsiny mba hanampiana ny mpianatra hahita fa ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny dia mirafitra araka ny Fiangonany tamin’ny andro fahiny.

  • Inona no fitoviana hitanao eo amin’ny Fiangonan’ny Tompo fahiny sy ny Fiangonana amin’izao vanin’andro izao? Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa ny Fiangonan’ny Tompo ankehitriny dia mirafitra araka ny lamina nisy tao amin’ny Fiangonany taloha?

Hazavao fa tokony ho herintaona sy tapany taorian’ny nanorenana ny Fiangonana dia nampianatra momba ny zavatra mampiavaka ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny ny Tompo. Asao ny mpianatra hamaky mangiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30 ary hitady ny zavatra nambaran’ny Tompo.

  • Ahoana no namariparitan’ny Tompo ny Fiangonany ao amin’ny andininy 30? (Ampio ny mpianatra hamantatra izao teny milaza fotopampianarana manaraka izao: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa io fahamarinana io dia azonao angatahana ny iray kilasy hifanakalo hevitra momba ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Amporisiho ny mpianatra hamerina hamaky sy hieritreritra ny zavatra nianarany avy tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mandritra ilay fifanakalozan-kevitra.

  • Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray amin’ny fomba feno fitiavana nefa amim-pahasahiana ihany koa ny dikan’ny hoe ity Fiangonana ity no “hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo”?

  • Inona no maha-fiangonana “velona” an’ity fiangonana ity? (Mety hanampy ny mampiseho zavatra velona iray, toy ny zava-maniry, ary ny mangataka ny mpianatra mba hamariparitra ny toetry ny zavatra velona raha ampitahaina amin’ny zavatra tsy velona na maty.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny mahatakatra fa na dia tsy miova aza ireo fahamarinana mandrakizain’ny filazantsaran’ny Mpamonjy, dia mbola mitohy mitombo hatrany ny Fiangonana ary miova mifanaraka amin’ny fanambarana avy amin’ny Tompo?

  • Inona no zavatra niainana nanampy anao ho lasa mahafantatra fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fiangonana marina sy velon’ny Mpamonjy?

Ny Fiangonan’ny Tompo dia mitondra ireo fitahian’ny filazantsara ho an’ny olombelona rehetra.

Asehoy ity teny nambara manaraka ity izay avy amin’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Tsy mahafaty antoka ny maka fotoana handinihana hoe nahoana i Jesoa Kristy no misafidy hampiasa fiangonana, ny Fiangonany, … mba hanatanterahana ny asany sy ny asan’ny Rainy. (“Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 108)

  • Nahoana araka ny hevitrao no misafidy hampiasa fiangonana, ny Fiangonany, mba hanatanterahana ny asany sy ny asan’ny Rainy i Jesoa Kristy?

Asaivo vakin’ny iray kilasy ny Môrônia 6:3–6 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:8–9 hitadiavana ireo tanjona sy fitahiana sasany izay tonga amin’ny alalan’ny maha-mpikambana sy ny asa fanompoana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Asaivo mizara ny zavatra nianarany avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra.

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hanaovany famerenana ireo teny nambaran’ny Loholona Christofferson sy ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson ao amin’ny fizarana 3 an’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Fampianarana inona ao amin’ireo teny nambara ireo no manan-danja manokana aminao? (Aorian’ny fanomezan’ny mpianatra ny valinteniny dia asehoy ity fahamarinana manaraka ity: Nanorina ny Fiangonany ny Tompo mba hanampiana antsika hiverina any Aminy, handray ny fahafenoan’ny fitahian’ny filazantsarany, ary hanana fahafahana hanompo ny hafa.)

Asaivo mieritreritra momba ny singa tsirairay ao amin’io fahamarinana io ny mpianatra. Asao ny mpianatra hizara ny fomba nahitany ny fahatanterahan’io fahamarinana io teo amin’ny fiainany manokana. Afaka mametraka fanontaniana fanarahamaso vitsivitsy ianao, toy ireto manaraka ireto:

  • Inona no “fahafenoan’ny fitahian’” ny filazantsaran’ny Tompo?

  • Inona no anjara asan’ny Fiangonana amin’ny fanampiana anao ho lasa tahaka ny Rainao any an-danitra bebe kokoa?

Omeo fotoana hisaintsainana sy hiraketana an-tsoratra ny eritreriny momba ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra:

  • Inona avy ireo fomba ahafahako mandray anjara mavitrika kokoa ao amin’ny Fiangonana ary manampy amin’ny fanatanterahana ny tanjon’izany?

Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ny mpianatra dia azonao anontaniana azy ireo ny zavatra nianarany androany ka afaka manampy azy ireo hamaly ny fanontanian’ny namana iray tahaka ilay naroso tao amin’ilay toe-javatra teny am-piandohan’ny lesona. Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ny lesona.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao fa noho ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny dia afaka mahatakatra kokoa ny toetra sy ny sorona fanavotan’ny Mpamonjy mihoatra ny nahafahan’ny olona hafa nahatakatra izany nandritra ny 2.000 taona teo ho eo isika. Asaivo mieritreritra ireo fitahiana avy amin’ny fanakaikezana kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ny mpianatra. Asao izy ireo hampitombo ny fahatakarany sy ny finoany Azy amin’ny alalan’ny fandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka.