Institiota
Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana


“Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana

Taorian’ny vanim-potoana iray nisian’ny apôstazia dia naverina tamin’ny laoniny teto an-tany ny fahefan’ny fisoronan’ Andriamanitra. Io famerenana amin’ny laoniny io no nanomana ny lalana ho an’ny fananganana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hianatra ny antony maha-tena ilaina ny fisoronana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo sy ny fomba hamelan’ireo ôrdônansy antsika handray ny herin’ny Mpamonjy.

Sosokevitra enti-mampianatra

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Jereo araka izay mety ahatongavany ny mpianatrao. Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampianatra hoe “Manana andraikitra isika ny hijery ny olona tsirairay tsy amin’ny maha-izy azy ankehitriny fa amin’izay azon’izy ireo hahatongavana kosa” (“Mijery ny hafa araka izay mety ho ahatongavany,” Liahona, nôv. 2012, 70). Mivavaha mba hahafahanao mijery ny mpianatrao amin’ny fomba izay ahitan’ny Ray any An-danitra azy ireo. Ny fanaovana izany dia afaka manampy anao hahatakatra ny hasarobidin’ny mpianatra tsirairay avy sy hahatsapa ny fitiavana sy ny fiheveran’ny Ray any An-danitra ny zanany tsirairay avy.

Tena ilaina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ny fisoronana.

Hevero ny hanoratra ity fanontaniana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe alohan’ny hahatongavan’ny mpianatra ary avy eo dia angataho izy ireo hizara ny eritreriny momba izany rehefa manomboka ny fotoam-pianarana.

  • Oviana no fotoana farany nahatsapanao ho voatahy noho ny fisoronana?

Asehoy ity fehezan-teny manaraka milaza fotopampianarana ity izay avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ny fisoronan’ Andriamanitra, miaraka amin’ny fanalahidiny, ny ôrdônansiny, ny fiandohany tany amin’ Andriamanitra ary ny fahafahany mamatotra any an-danitra izay voafatotra eto an-tany, dia sady tena ilaina ao amin’ny Fiangonana marin’ Andriamanitra no tsy manam-paharoa ao aminy ary raha tsy misy izany dia tsy misy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. (Jeffrey R. Holland, “Our Most Distinguishing Feature,” Ensign or Liahona, May 2005, 43; nampiana fanamafisana amin’ny soratra matavy)

  • Inona no teny na andian-teny toa manan-danja indrindra aminao ao amin’ny teny nolazain’ny Loholona Holland? Nahoana?

Rehefa hamorainao ny fizaran’ny mpianatra ny heviny sy ny fifanakalozan-kevitra ataony, dia afaka mampiasa ny sasantsasany amin’ireto lohahevitra sy fanontaniana manaraka ireto ianao mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny ampahany vitsivitsy ao amin’ny teny nolazain’ny Loholona Holland. Mety manan-danja kokoa ny manao fifanakalozan-kevitra feno tsara momba ny fanontaniana iray na roa toy izay miezaka miresaka ireo fanontaniana rehetra. Afaka ny ho tsara kokoa ny fifanakalozan-kevitra ataonareo rehefa mizara ny zavatra nianarany avy amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ihany koa ny mpianatra.

Fanamarihana: Hiresaka momba ireo ôrdônansy ianareo ao amin’ny tapany faharoa amin’ity lesona ity. Aza adinoina ny mamela fotoana ampy tsara hanaovana izany fifanakalozan-kevitra izany mba hahafahan’ny mpianatra mahafantatra sy mahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansy.

Tena ilaina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ny fisoronana (jereo ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

  • Nahoana araka ny hevitrao no tena ilaina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ny fisoronana? Inona no fahalalana sy fanalahidy tsy ho nananantsika raha tsy naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana?

  • Amin’ny fomba ahoana avy no maha-tena ilaina ny fisoronana eo amin’ny fiainanao manokana?

Ny fisoronana dia avy amin’ Andriamanitra (jereo ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

  • Tamin’ny fomba ahoana no namerenana tamin’ny laoniny ny fisoronana?

  • Inona no ampianarin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana anao momba ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Tena ilaina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ireo fanalahidin’ny fisoronana (jereo ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

  • Inona no atao hoe fanalahidin’ny fisoronana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha-fitahiana ny fanalahidin’ny fisoronana teo amin’ny fiainanao?

Rehefa mizara zavatra niainana ny mpianatra ary mijoro ho vavolombelona momba ny fisoronana sy ny famerenana izany tamin’ny laoniny, dia azonao atao koa ny mizara ny fankasitrahanao sy ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fomba nitahian’ny famerenana tamin’ny laoniny ny fisoronana ny fiainanao manokana.

Ilaina amin’ny famonjena antsika ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana.

Hazavao fa tamin’ny septambra 1832, tokotokony ho roa taona taorian’ny nandraisany ny Fisoronana Melkizedeka avy tamin’i Petera sy Jakoba ary Jaona, dia nahazo fanambarana izay manampy antsika hahatakatra ny fisoronana i Joseph Smith. Tafiditra ao anatin’izany ilay fahamarinana hoe ireo ôrdônansin’ny famonjena izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana dia manampy antsika hiomana hiverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Asao ny mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:18–22, ka hitady ny fomba hanomanan’ireo ôrdônansy antsika hiverina ho eo anatrehan’Andriamanitra.

  • Araka ireo andininy ireo, dia inona no fitahiana tena ilaina izay raisina amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana?

  • Inona avy no mety ho hevitr’ilay andian-teny hoe “herin’ ny toetra araka an’ Andriamanitra”? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny milaza fa ny hoe “araka an’Andriamanitra” dia midika hoe “tahaka an’ Andriamanitra.” Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra dia ahitana ny herin’ Andriamanitra mba hanampy antsika ho lasa tahaka Azy.)

Asehoy ny mpianatra ary vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo ity, dia asao ny mpianatra hitady izay mety ho hevitr’ilay andian-teny hoe “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”:

Ny ôrdônansin’ny fisoronana dia manokatra ny varavarana ary manome fahafahana handray ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra. … Ny sain’olombelona sy ny fitenin’olombelona dia tsy afaka tsotra izao mamaritra amin’ny fomba tena marina sy araka ny tena izy ny hevitr’ilay andian-teny ao amin’ny soratra masina hoe “ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.” Saingy ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Sorompanavotana (ny fanavotana amin’ny fahotana, ny tanjaka hanaovan-javatra sy hahatongavana ho olona tsara, ny fanomezana ara-panahin’ny fiadanan’ny tena manokana, ny fahafahana manonitra izay manampy antsika hiatrika ny fahadisoam-panantenana, ny tsy fahamarinana, ny tsy rariny, ny tsy fitoviana, sy ny zavatra maro hafa) dia azo antoka fa mandrafitra farafahakeliny ampahany iray amin’ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra. … Mba hanatonana ny Mpamonjy, ny olona iray dia tsy maintsy miditra amin’ny fanekempihavanan’ny batisa aloha ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary avy eo dia manohy mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy ny ôrdônansy izay mitondra mankany amin’ny Mpamonjy sy ireo fitahian’ny Sorompanavotany (jereo ny 2 Nefia 31). Ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia ilaina mba “[hanatonana feno] an’i Kristy, ary … hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32; jereo koa ny andininy 30–33). Raha tsy misy ireo ôrdônansy dia tsy afaka mandray ireo fitahiana rehetra izay nanjary nisy tamin’ny alalan’ny sorompanavotana tsy misy fetra sy mandrakizain’ny Tompo ny olona iray (jereo ny Almà 34:10–14)—dia ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra izany. (David A. Bednar, Power to Become [2014], 75–77)

  • Inona no ianarantsika avy amin’ny teny nambaran’ny Loholona Bednar momba ny “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”? Inona no ianarantsika momba ny tanjon’ireo ôrdônansin’ny fisoronana? (Soraty na asehoy ny mpianatra ny fahamarinana iray mitovy amin’izao manaraka izao, amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra: Amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana dia afaka mahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Tompo isika, izay manome antsika hery hahatongavana tahaka an’ Andriamanitra.)

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hampifandraisan’ireo ôrdônansy manokan’ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka antsika amin’ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? (Raha ilaina, dia omeo fotoana ny mpianatra hamakiana ireo teny nambara ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hisaintsainana ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay nandraisan’izy ireo anjara be indrindra tato ho ato. Angataho izy ireo hieritreritra ny zavatra tsapany sy ny dikan’ireo ôrdônansy ireo amin’ny fivoaran’izy ireo mandrakizay. Dia asehoy an’ny mpianatra avy eo ireto fanontaniana manaraka ireto mba hodinihin’izy ireo:

  • Inona no ôrdônansy mety ho lasa manan-danja kokoa aminao amin’ny alalan’ny fampiharana ny zavatra nianaranao androany? (Amporisiho ny mpianatra hirakitra an-tsoratra sy hamadika ho asa ny fitaomam-panahy azon’izy ireo.)

  • Inona no zavatra nianaranao sy tsapanao androany ka nampitombo ny fanirianao handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana?

Raha ilaina, dia asao ny mpianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny fomba nanampian’ny fahefana sy ny fanalahidy ary ny ôrdônansin’ny fisoronana azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ny mpianatra hieritreritra ny anjara asa tanan’ny Fiangonana eo amin’ny fiainany. Eo am-pandalinan’izy ireo ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona manaraka, dia amporisiho izy ireo hitady ireo fitahiana izay atolotry ny Tompo an’ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky.