Institiota
Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fotopampianaran’ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay


“Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay

Tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny, ny Tompo dia nanambara ny sitrapony mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra ho afaka hanazava tsara kokoa ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay sy ho afaka hamaritra izay azon’izy ireo atao mba hahazoana ireo fitahiana ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manana tanjona ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray.

Sary
mpivady vao mifampitantana

Atombohy amin’ny alalan’ny fametrahana izao fanontaniana manaraka izao ny fotoam-pianarana (ampahatsiahivo ny mpianatra mba tsy haneho teny fitsaratsarana fahatany momba ny olona):

  • Inona avy ireo fomba fijery sy fihetsika momba ny fanambadiana hitanareo eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Hazavao fa tahaka ny amin’izao androntsika izao, dia nisy olona sasany nanana fomba fijery samy hafa momba ny fanambadiana tamin’ny andron’i Joseph Smith. Asao ireo mpianatra hitadidy avy ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana izay nianaran’izy ireo momba ny finoan’ireo Shakers momba ny fanambadiana.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra mba hitady ny fotopampianarana nambaran’ny Tompo momba ny fanambadiana.

  • Inona no nampianarin’ny Tompo momba ny fanambadiana ao anatin’io soratra masina io? (Mety hahita fahamarinana maro ny mpianatra ka anisan’izany izao manaraka izao: Tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana. Nodidiana ny mpivady mba hanan-janaka. Rehefa mifanambady sy miteraka ny lehilahy sy ny vehivavy dia manampy amin’ny fanatanterahana ny tanjon’ Andriamanitra tamin’ny fahariana ny tany izy ireo. Ampisehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo hevitra ireo na izy rehetra.)

Hevero ny hanazava fa ilay andian-teny hoe “fatrany amin’ny isan’ny olombelona” ao amin’ny andininy 17 dia milaza ireo fanahy zanak’ Andriamanitra izay nomaniny mba hipetraka eto an-tany. Hazavao ihany koa fa ilay andian-teny hoe “ny fanambadiana dia voatendrin’ Andriamanitra” ao amin’ny andininy 15 dia midika fa ny fanambadiana dia lalàna navoakan’ Andriamanitra sy naoriny. Tamin’ny 1995 dia naverin’ny Tompo nohamafisina tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny tao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org) fa “ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra.”

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery vetivety ny teny nolazain’ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Angataho ny mpianatra mba hijery ireo antony maha-manan-danja ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Mampiorim-paka ny fahatakaranao ny antony maha-manan-danja ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra amin’ny fomba ahoana ireo fampianaran’ny Loholona Bednar?

Nianatra momba ireo fitahiana entin’ny fanambadiana mandrakizay ireo Olomasina tany am-piandohana.

Raha toa ka manana mpianatra efa natao mariazy tany amin’ny tempoly ianao dia anontanio azy ny dikan’izany hoe nivady ho mandrakizay izany. Hazavao fa mialoha ny fahatontosan’ny Tempolin’i Nauvoo dia nampianatra ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana mahatoky vitsivitsy i Joseph ary namehy azy ireo. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nampianarin’ny Mpaminany.

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana mikasika ny fanambadiana mandrakizay avy amin’ireo andininy ireo? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia ampisehoy ity fitsipika manaraka ity: Mba hahazoana ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, dia tsy maintsy miditra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana isika. Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy ihany isika no mahazo ny fisandratana.)

Lazao amin’ny mpianatra fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19, ny Tompo dia nampianatra bebe kokoa fa isika dia tokony “[h]itoetra ao amin’ny fanekempihavana[ny]” mba hahazona ny fitahian’ny fisandratana.

  • Midika inona aminao ny hoe “[h]itoetra ao amin’ny fanekempihavana[ny]” raha ny fanambadiana mandrakizay no resahana?

Azonao atao ny manamafy fa tsy ampy izany hoe fehezina any amin’ny tempoly fotsiny izany. Tsy maintsy mazoto amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hitandremana ny fanekempihavanana nataony tany amin’ny tempoly sy hanorenana fifandraisana matanjaka sy maharitra ireo mpivady.

Ampio hoe “sy mitoetra ao amin’ny” ilay fitsipika naseho mba hivaky toy izao izany: “tsy maintsy miditra sy mitoetra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ny olona.

Asaivo ataon’ny mpianatra lisitra eo amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fitahiana hafa avy amin’ny fanambadiana mandrakizay. (Asao ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany avy amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona amin’ireo fitahiana ireo no manan-danja indrindra aminareo? Nahoana?

MANATSARA NY FAMPIANARANTSIKA SY NY FIANARANTSIKA

Ampio ny mpianatra hiomana amin’ny fotoam-pianarana. Ireo mpianatra izay miomana samirery amin’ny fotoam-pianarana dia mampihatra ny finoan’izy ireo ny Tompo sy ny fahafahany manampy azy ireo hanana traikefa amin’ny fianarana lalim-paka kokoa. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa afaka manatontosa ny anjara asan’izy ireo ao amin’ny dingan’ny fianarana izy ireo amin’ny alalan’ny fandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy ny fanatanterahana ireo atrikasa hoenti-mianatra. Azonao atao ny mijery ny lesona na ireo lesona manaraka mba hampahafantarana ny mpianatra izay azon’izy ireo atao mba hiomanana amin’ny fotoam-pianarana manaraka.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nangatahina izy ireo tao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hiresaka amin’ny mpivady iray izay fantatr’izy ireo fa miaina ao anatin’ny fanambadiana matanjaka sy feno fitiavana. Nasaina izy ireo mba hiresaka izay nataon’ilay mpivady mba hanorenana fanambadiana mandrakizay sy ny fomba nampivoatra ny fiainan’izy ireo noho izany fanambadiana izany. Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ny resadresaka nataony.

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ombam-bavaka ireo toetra na asa izay hanampy azy ireo hitoetra ao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana ary hanorina fanambadiana feno fitiavana sy marina. Omeo fotoana ny mpianatra hiraketana an-tsoratra sy hanaovana drafitra handray andraikitra amin’ireo bitsika raisin’izy ireo.

Tian’ Andriamanitra hiaro ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy fianakaviana isika.

Anontanio ireto manaraka ireto:

  • Nahoana no manan-danja amintsika ny miaro ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy fianakaviana? (Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hanampiana azy ireo hamaly io fanontaniana io.)

  • Moa ve efa nisy fotoana niarovanao ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy fianakaviana? Raha efa nisy dia toy ny ahoana ny zavatra niainanao?

Ampisehoy ny mpianatra izao lahatsoratra manaraka izao, ary angataho izy ireo mba hisaintsaina raha toa ka efa nandre zavatra izay ahitana taratra izao rafi-pisainana manaraka izao:

“Fa maninona ianao no te hanambady sahady amin’izao fotoana izao? Mbola ho lava ny andro iainanao. Nahoana no tsy ampiasainao mba hahazoana fahafinaretana sy hivoarana eo amin’ny fiainana izao fotoana izao?”

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa isan’ireo fitsipika amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny famakafakana ireo hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Ity atrikasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra io fitsipika io izay mifandray amin’ireo fanontaniana momba ny fanambadiana.

Zarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra, ary asao izy ireo hifanakalo hevitra ny amin’ny fomba hamalian’izy ireo ny olona iray izay manana io fomba fijery io. Omeo ny tahadikan’ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra (na asehoy izany) mba hitarihana ny fifanakalozan-kevitr’izy ireo:

  • Inona avy ireo fihevitra mety ananan’io olona io izay mety hametra ny fijeriny momba ny lanjan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

  • Manampy mba hiresahana ny fomba hanovana ny fomba fijerin’io olona io amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’ny fomba fijery araka ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra?

  • Fotopampianarana, soratra masina, na fampianaran’ny mpaminany inona no azonao zaraina mba hanampiana io olona io hijery ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’ny fomba fijery mandrakizay?

Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia angataho ny mpianatra vitsivitsy hizara izay noresahan’ny vondrona misy azy ireo.

Farano ny fotoam-pianarana amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana hita tato amin’ity lesona ity.

Ho an’ny lesona manaraka

Eo am-pamarananao ny fotoam-pianarana dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Tompo dia nanambara ihany koa ny fotopampianaran’ny fanambadiana maro tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Amporisiho ny mpianatra hamaky tsara ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 22 ka ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hifanakalo hevitra momba ny antony nanaovan’ny Olomasina tany aloha ny fampakarana vady maro.