Institiota
Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fampakarana vady maro


“Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fampakarana vady maro” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 22, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fampakarana vady maro

Sary
I Abrahama teo amin’ny lemak’i Mamre, nataon’i Grant Romney Clawson

Nampianatra an’i Abrahama ny Tompo fa isan’ny tanjona hisian’ny fiainana an-tany ny hisedrana antsika mba “hahitana raha toa [isika] ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamani[tsika] [antsika]” (Abrahama 3:25). Mety ho toy ny sarotra be tokoa ny sasany amin’ny didin’ Andriamanitra, indrindra fa rehefa mifanohitra amin’ireo fenitra ara-kolotsaina na ny zavatra andrandraintsika manokana izy ireo. Rehefa mandalina ianao dia saintsaino ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny finoana sy ny fankatoavana miavaka nasetrin’i Joseph Smith sy ireo Olomasina teo aloha an’ilay didin’ Andriamanitra mba hampihatra ny fampakarana vady maro.

Fizarana 1

Nahoana ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo Olomasina teo aloha no nampihatra ny fampakarana vady maro?

Efa taloha be tamin’ny 1831, tamin’ny fotoana nanaovan’i Joseph Smith ny fandikany avy amin’ny fitaomam-panahy ny Testamenta Taloha no nivavahany mba hahatakatra ny antony nanaovan’ny sasany tamin’ireo mpaminany fahiny sy ireo mpanjaka Isiraelita fampakarana vady maro (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana sy ny andininy 1 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132). Nomen’ny Tompo fanambarana ny Mpaminany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34–37.

Ao amin’ny andininy 37, ny teny hoe vaditsindrano dia entina hilazana vehivavy iray izay, tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, vita fanambadiana ara-dalàna tamin’ny lehilahy iray saingy nanana saranga ambany kokoa raha oharina amin’ny hoe vady. Tsy tafiditra tamin’ilay fampakarana vady maro tamin’izao fotoampitantanana misy antsika izao ny vaditsindrano.

Fotoana vitsy taorian’ny nanambaran’ny Tompo ny fitsipiky ny fampakarana vady maro tamin’i Joseph Smith dia nandidy ny Mpaminany Izy mba hankatò io fitsipika io sy hampianatra izany an’ny hafa. Na dia tsy takatsika daholo aza ny tanjon’ Andriamanitra tamin’ny nampisantarany ny fampakarana vady maro tany amin’ny fotoana niandohan’ny Fiangonana, dia tafiditra tao anatin’ny fampodiana ny “zava-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:40, 45; jereo koa ny Asan’ny Apostoly 3:19–21) amin’izao andro farany izao ny fampidirana izany.

Fizarana 2

Inona no fantatsika momba ny zavatra niainan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fampakarana vady maro?

Ireo olona akaiky an’i Joseph Smith dia nilaza fa i Joseph dia nilaza tamin’izy ireo fa nisy anjelin’ Andriamanitra niseho taminy in-telo be izao teo anelanelan’ny taona 1834 sy 1842 izay nandidy azy ny hankatò ny fitsipiky ny fampakarana vady maro. “Nisy porofo tsy mbola voamarina tsara izay nilaza fa avy dia nandray andraikitra i Joseph Smith raha vao nandidy voalohany ilay anjely tamin’ny alalan’ny fanambadiana vady hafa iray, dia i Fanny Alger tao Kirtland Ohio, tany amin’ny 1835 tany. … Zara raha misy zavatra fantatra momba io fanambadiana io, ary tsy misy zavatra fantatra momba ny fifampiresahana nisy teo amin’i Joseph sy Emma mahakasika an’i Alger. Taorian’ny niafaran’ilay fanambadiana tamin’i Alger tamin’ny fisarahana, dia toa tsy niresaka ny lohahevitra momba ny fampakarana vady maro i Joseph raha tsy taorian’ny nifindran’ny Fiangonana tany Nauvoo, Illinois” (“Le mariage plural à Kirtland et à Nauvoo,” Sujets de l’évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Nanomboka tamin’ny taona 1841, dia nanambady vehivavy vitsivitsy fanampiny i Joseph Smith mba hankatoavana ny didin’ny Tompo ary nampahafantatra ny fitsipiky ny fampakarana vady maro tamina mpikambana voafetra hafa tao amin’ny Fiangonana.

I Eliza R. Snow, izay nofehezina tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ary Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany faharoa taty aoriana, dia nahatsiaro ny hoe:

Ny Mpaminany Joseph Smith … [dia] namariparitra ny fahorian-tsaina tena mafy izay niainany mba handresy ny rikorikon’ny fahatsapany … izay mifandray amin’ny fampidirana ny fampakarana vady maro. Fantany ny feon’ Andriamanitra—fantany fa ny didy nomen’ilay Tsitoha Azy dia ny hanohy hampianatra ny fotopampianaran’ny fampakarana vady maro. … Fantany fa tsy ny fomba fiheviny sy ny fahatakarany taloha ihany no tsy maintsy niadiany sy noreseny, fa ireo fitsarana an-tendrony izay avy amin’ny Kristianina rehetra ihany koa; saingy Andriamanitra, izay ambonin’ny rehetra, no nanome azy ny didy, ary tsy maintsy ankatoavina Izy. (Eliza R. Snow, ao amin’ny Biography and Family Record of Lorenzo Snow [1884], 69)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no ambaran’ny fahavononan’i Joseph Smith hankatò didy sarotra toy izany momba ny finoany sy ny toetrany?

Iray amin’ireo antony maha-voafetra ny fahatakarantsika momba ny fampiharan’i Joseph Smith ny fampakarana vady maro ny hoe zara raha nilaza izany tao anatin’ireo rakitsoratra izy sy ireo olona hafa izay nampihatra ny fampakarana vady maro. Notazonina ho tsiambaratelo ny antsipiriany maro tamin’ny fampiharana ny fampakarana vady maro, ary ireo firaketana ara-tantara dia tsy mamaly tsotra izao ny fanontaniantsika rehetra.

Fantatsika avy amin’ny famoronan-dahatsoratra momba ny fampakarana vady maro ao amin’ny Sujets de l’évangile fa:

Nandritra ny fotoana izay nampiharana ny fanambadiana maro, ny Olomasin’ny Andro Farany dia nampiavaka ny famehezana mandritra izao fiainana izao sy ho an’ny mandrakizay amin’ny famehezana ho an’ny mandrakizay fotsiny. Ny famehezana mandritra izao fiainana izao sy ny mandrakizay dia ahitana ny fanoloran-tena sy ny fifandraisana mandritra ity fiainana ity, amin’ny ankapobeny dia ny mety hisian’ny firaisana ara-nofo. Ny famehezana ho amin’ny mandrakizay fotsiny dia milaza ny fifandraisana any amin’ny fiainana aorian’izao fiainana izao fotsiny ihany. …

Nijoro ho vavolombelona taty aoriana ny sasany tamin’ireo vehivavy izay nofehezina tamin’i Joseph fa ny fanambadiany dia mandritra izao fiainana izao sy ny mandrakizay, raha toa kosa ireo hafa ka nilaza fa ny fifandraisany dia ho amin’ny mandrakizay fotsiny ihany.

Ny ankamaroan’ireo izay nofehezina tamin’i Joseph Smith ireo dia nanelanelana ny 20 ka hatramin’ny 40 taona tamin’ny fotoana izay namehezana azy ireo taminy. Ny zokiny indrindra, i Fanny Young, dia 56 taona tamin’izay. Ny zandriny indrindra dia i Helen Mar Kimball, … izay nofehezina tamin’i Joseph volana vitsivitsy talohan’ny faha-15 taonany. Ny fanambadiana amin’ny sokajin-taona toy izany, izay tsy mety amin’ny fitsipika amin’izao androntsika izao, dia ara-dalàna tamin’izany vanim-potoana izany, ary ny vehivavy sasany dia nanambady tao anatin’ny fahazatovony. Nilaza i Helen Mar Kimball fa ny famehezana azy tamin’i Joseph Smith dia “ho an’ny mandrakizay fotsiny”, izay midika fa tsy nisy firaisana ara-nofo tao anatin’ny fiarahan’izy ireo. …

… Nofehezina tamin’ny vehivavy maro efa nanambady i Joseph Smith. Samy tsy nisy nanazava betsaka mikasika an’ireo famehezana ireo na ireo vehivavy na i Joseph Smith, na dia betsaka aza ireo vehivavy nilaza fa ho an’ny mandrakizay fotsiny izany. …

Misy fanazavana maro izay azo omena mahakasika io famehezana io. Mety ho nanome lalana nahafahana namorona fifamatorana mandrakizay na rohy mampifandray ny fianakavian’i Joseph sy ny fianakaviana hafa tao amin’ny Fiangonana ireo famehezana ireo. …

Mety ho azo hazavaina avy amin’ny fahalainan’i Joseph hiroso tamin’ny fampakarana vady maro ihany koa ireo famehezana noho ny alahelo izay haterak’izany teo amin’i Emma vadiny. Mety ho nino izy fa ny famehezana atao miaraka amin’ny vehivavy efa manambady dia hifanaraka amin’ny didin’ Andriamanitra kanefa tsy mitaky azy hanana fifandraisana mahazatra toy ny an’ny mpivady. …

Zavatra hafa mbola azo heverina ny hoe tamin’ny vanim-potoana iray izay fohy kokoa noho ny amin’izao fotoana izao ny faharetan’ny andro niainana, dia nahatsapa ireo vehivavy mahatoky fa tokony nofehezina haingana tamin’ny fahefan’ny fisoronana izy ireo. Maro tamin’ireo vehivavy ireo no nanambady lehilahy tsy Môrmôna na Môrmôna teo aloha, ary mihoatra ny iray tamin’ireo vehivavy ireo no nanambara taty aoriana ny amin’ny tsy fahitany fifaliana tao anatin’ny fanambadiany tamin’izany fotoana izany. Noho izy ireo niaina tao anatina fotoana izay naha sarotra ny fahazoana fisaraham-panambadiana dia mety ho nino ireo vehivavy ireo fa raha voafehy amin’i Joseph Smith izy ireo dia hanome azy ireo ny fitahiana izay mety tsy ho azony amin’ny fomba hafa any amin’ny fiainana ho avy izany. …

… Taorian’ny fahafatesan’i Joseph dia nifindra tany Utah niaraka tamin’ny Olomasina ny ankamaroan’ireo vehivavy ireo, nijanona ho mpikamban’ny Fiangonana mahatoky, ary sady niaro ny fampakarana vady maro no niaro an’i Joseph. (“Le mariage plural à Kirtland et à Nauvoo,” topics.ChurchofJesusChrist.org)

Fizarana 3

Inona no fihetsika nasehon’ny mpikamban’ny Fiangonana nanoloana ny fitsipiky ny fampakarana vady maro?

Sary
Every Trial Can Bring Greater Faith (Afaka mitondra finoana lehibe kokoa ny fitsapana rehetra), nataon’i James Johnson

Zavatra tsy nahazatra ary sarotra ho an’ny ankamaroan’ireo Olomasina teo aloha ny fampiharana ny fampakarana vady maro, tahaka ny haha tsy mahazatra sy sarotra izany ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao koa. “Tany amin’ny faritra maro manerana izao tontolo izao dia nekena teo anivon’ny fiarahamonina ny fampakarana vady maro ary ara-dalàna. Saingy tao Etazonia dia nihevitra ny ankamaroan’ny olona fa tsy mendrika ilay fomba fanao eo amin’ny lafiny ara-pitsipi-pitondrantena” (“Le Manifeste et la fin du mariage plural,” Sujets de l’ évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org). Ilay didy mba hampihatra ny fampakarana vady maro “dia anisan’ireo ampahany sarotra indrindra teo amin’ny Famerenana tamin’ny laoniny, ho an’i Joseph manokana sy ho an’ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana. … Ho an’i Emma vadin’i Joseph dia fitsapana tena sarotra izany. … Niovaova hevitra izy indraindray teo amin’ny fomba fijeriny ny fampakarana vady maro, ka nisy fotoana izy nanohana izany ary nisy fotoana nanohitra izany” (“Le mariage plural à Kirtland et à Nauvoo,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Tsy ny Olomasin’ny Andro farany rehetra akory no nandrasana hankatò ny fampakarana vady maro. Ary ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany izay nanana fahasahiranana tamin’ny fitsipiky ny fampakarana vady maro dia nahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy izay nanome azy ireo herim-po mba handroso tamin’ny fanaovana ilay fampakarana vady maro. Voafintina etoana ny zavatra niainan’ny anankiroa tamin’ireo mpikambana ireo:

Rehefa nahafantatra momba ny fampakarana vady maro i Brigham Young dia nilaza hoe: “izay no fotoana voalohany teo amin’ny fiainako izay naniriko ny ho faty”. “Tsy maintsy nivavaka tsy ankiato aho,” hoy izy, “ary tsy maintsy nampihatra finoana, dia nambaran’ny Tompo tamiko ny fahamarinan’izany ka nahafapo ahy.” …

Nampahatsiahivin’i Lucy Walker ny korontana nisy tao aminy rehefa nasain’i Joseph Smith ho lasa vadiny izy. “Ny fahatsapan’ny fanahiko rehetra dia nikomy nanohitra izany,” hoy izy nanoratra. Kanefa, taorian’ny alina maro tsy natoriana nandohalihana nivavaka, dia nahazo fahamaivanana izy rehefa “heniky ny fitaomana masina” tahaka ny “masoandro mamiratra” ny efitranony. Hoy izy hoe: “Feno fiadanana tony sy mamy ny fanahiko izay mbola tsy tsapako mihitsy,” ary “fahasambaranana ambony dia ambony no nameno ny tenako manontolo”.

Tsy ny olona rehetra no niaina zavatra toy izany. Nitsipaka ny fitsipiky ny fampakarana vady maro ny Olomasin’ny Andro Farany sasany ka niala ny Fiangonana, raha toa kosa ny hafa ka nanohitra ilay fanambadiana saingy nitoetra ho mahatoky. Fa ho an’ny lehilahy sy vehivavy maro, na izany aza, ilay faharikoriko sy fahoriana tany am-boalohany dia nodimbiasan’ny tolona, ny fandraisana fanapahan-kevitra, ary fahazavana sy fiadanana nony farany. Namela ny Olomasina handroso amim-pinoana ireo traikefa masina.. (“Le mariage plural à Kirtland et à Nauvoo,” topics.ChurchofJesusChrist.org)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no mety hanampian’ireo zavatra niainan’ny mpikamban’ny Fiangonana teo aloha ireo ny olona izay manana fanontaniana momba ny hoe nandray andraikitra toy ny mpaminanin’ Andriamanitra notaomim-panahy ve i Joseph Smith sa tsia rehefa nametraka ny fampiharana ny fampakarana vady maro?

Fizarana 4

Ahoana no fomba nifaranan’ny fanaovana fampakarana vady maro tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Tsy dia ela loatra taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1844 dia nifindra monina tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake tao amin’ny faritra andrefan’i Etazonia ny Olomasina, izay toerana nahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana nampihatra tamin-kalalahana ny fampakarana vady maro taty aoriana. Nanomboka tamin’ny 1860 ka hatramin’ny mihoatra kelin’ny 1880, dia namoaka ny lalàna manohitra ny fampakarana vady maro ny governemantan’i Etazonia, ary taty aoriana dia nametraka sazy henjana ho an’ireo izay tsy nanaraka izany, ka anisan’izany ny fampidirana am-ponja. Rehefa avy nikatsaka ny fitarihan’ny Tompo sy nandray didy avy Aminy, dia nanomana fanambarana ny Filoha Wilford Woodruff tamin’ny 1890, izay lasa fantatra tamin’ny anarana hoe “Manifestô” (Fanambarana Ôfisialy 1), izay nitarika ho amin’ny fampitsaharana ny fampiharana ny fampakarana vady maro nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana nony farany.

Nisy mpikamban’ny Fiangonana vitsy an’isa mbola nanohy nanao fampakarana vady maro vaovao taorian’ny namoahana ilay Manifestô. Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-teny ny aprily 1904 dia namoaka manifestô faharoa ny Filoha Joseph F. Smith, izay nilaza “fa ny fampakarana vady [maro] rehetra dia voarara, ary raha misy manam-pahefana na mpikamban’ny Fiangonana izay mieritreritra ny hanao ampahibemaso na hampihatra izany karazana fanambadiana izany dia … esorina hiala tsy ho mpikambana intsony” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1904, 75). Mbola mitohy io fitsipika mifehy io ankehitriny.

Fizarana 5

Takina mba hahazoana ny fisandratana ve ny fampakarana vady maro?

Nampianatra izao ny Loholona Marcus B. Nash ao amin’ny Fitopololahy:

Misy olona [mandika vilana ny soratra masina] ho milaza fa ilaina hahazoana ny fisandratana ny fampakarana vady maro. … Tsy misy fanambarana manohana izany anefa. … Ny fiainana mandrakizay dia ampanantenaina ny mpivady ahitana lehilahy iray sy vehivavy iray izay voafehy tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy mijanona ao anatin’ny fanekempihavanana, ary tsy misy fepetra na zavatra takina fanampiny [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19]. … Manamafy ny Fiangonana fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no fenitr’ Andriamanitra ho an’ny fanambadiana, afa-tsy rehefa manome lalana na manome didy ankoatra izay amin’ny alalan’ny mpaminaniny Izy. Ny Fiangonana dia tsy mampianatra fa ilaina mba hahazoana ny fisandratana ny fandraisana anjara amin’ny fampakarana vady maro. (“The New and Everlasting Covenant,” Ensign, Dec. 2015, 44, 46)

Averina indray fa tsy takatsika daholo ny tanjon’ Andriamanitra tamin’ny fampidirana ny fampakarana vady maro tamin’ny fotoana niandohan’ny Fiangonana. Saingy ny Olomasin’ny Andro Farany amin’izao fotoana izao dia manaja ny fahafoizan-tena sy ny ezaka feno finiavana nataon’ireo izay nampihatra ny fampakarana vady maro mba ho fankatoavana ny didin’ Andriamanitra.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao, dia nahoana ny fampiharana ny fampakarana vady maro no maneho ny finoana sy ny fatokiana ary ny fitiavan’ny Olomasina teo aloha tato anatin’ity fotoampitantanana ity ny Tompo?