Institiota
Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manambara soratra masina fanampiny ny Tompo


“Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manambara soratra masina fanampiny ny Tompo,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Sary
zatovovavy mandalina soratra masina

Lesona 14, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manambara soratra masina fanampiny ny Tompo

Nanamarika ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tamin’ny alalan’ [ny Mpaminany Joseph Smith] no nahazoantsika pejin-tsoratra masina maro kokoa noho izay azontsika tamin’izay mety ho mpaminany hafa.” (“Araraoty ilay onja,” Liahona, mey 2013, 47). Ireo soratra masina navoakan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith dia manome tenivavolombelona mandresy lahatra ny amin’ny antsony amin’ny maha-mpaminany voantson’ Andriamanitra azy. Eo am-pandalinanao dia diniho hoe ahoana no nanamafisan’ny soratra masina fanampiny ny fahatakaranao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsaran’ Izy Ireo.

Fizarana 1

Inona no inoantsika momba ny fanambarana mitohy sy ny soratra masina fanampiny?

I Joseph Smith dia nanambara izao tamin’ny mpamoaka lahatsoratra an-gazety iray tao Chicago izay nanontany momba ireo zavatra inoan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy: “Mino ny zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra isika, izay ambarany ankehitriny, ary mino isika fa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Fanekem-pinoana 1:9).

Izany finoana ny fanambarana mitohy amin’ny alalan’ny mpaminany velona izany dia fotopampianarana miavaka an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ho fanampin’ny Baiboly Masina dia mianatra fahamarinana manan-danja avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy isika, ka ireo rehetra ireo dia raisintsika ho soratra masina.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Baiboly, ankoatra ny hoe manazava andalan-tsoratra masina maro ao amin’ny Baiboly, dia mamerina amin’ny laoniny ihany koa fahamarinana tsotra sy sarobidy maro izay very rehefa nandeha ny fotoana.

Fizarana 2

Mitahy ny fiainako amin’ny fomba ahoana ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?

Nanoratra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Amin’izao androm-pahazazan’ny Fiangonana izao dia nisy ny fahamaimaizana lehibe ny hahazo ny tenin’ny Tompo momba ny lohahevitra tsirairay, izay amin’ny lafiny rehetra dia mikasika ny famonjena antsika” (History, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], volume A-1, 146, josephsmithpapers.org). Namaly imbetsaka sy tamin-katsaram-panahy an’ireo faniriana ireo tamin’ny alalan’ny fanambarana ny Tompo.

Sary
Fanambarana nomena an’i Joseph Smith tamin’ny fijoroan’ny Fiangonana, nataon’i Judith A. Mehr

Vao tafajoro nandritra ny 18 volana mahery monja ny Fiangonana no nandroso hevitra tamina andiana loholona tao amin’ny fivoriana tany Hiram Ohio ny Mpaminany mba hanambatra sy hamoaka ireo fanambarana nomen’ny Tompo. Ny fanaovana izany dia hanome fahafahana ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra mba hahazo ireo fanambarana ary hanampy amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Nanambara ireo mpikamban’ny Fiangonana nanatrika an’io fivoriana io fa ireo fanambarana ireo dia “sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo” (Minute Book 2, 18, josephsmithpapers.org). Fotoana fohy taty aoriana dia navoaka ho boky nantsoina hoe Bokin’ireo Didy ireo fanambarana. Taty aoriana dia navoaka ho ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireo zavatra ireo sy ireo fanambarana fanampiny.

Ny teny fanolorana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manampy antsika hahatakatra ny antony maha-tena sarobidy ny fampitambarana ho amboara iray an’ireo fanambarana: “Ny hafatra, ny fampitandremana ary ny fanentanana kosa dia natao ho tombontsoan’ny olombelona rehetra ary mirakitra fanasana ny olon-drehetra, na aiza na aiza, hihaino ny feon’i Jesoa Kristy miteny aminy ho an’ny fiadanany ara-nofo sy ho an’ny famonjena azy haharitra mandrakizay” (teny fanolorana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36).

Nandritra io fivorian’ny loholona io dia nandray fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1 i Joseph. Izany dia sasin-tenin’ny Tompo ho an’ireo fanambarana.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17, 21–23, 37.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Eritrereto ny fomba niresahan’ny Tompo taminao tamin’ny alalan’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Mitadiava andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay nampatanjaka ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Miomàna hizara izany andalan-tsoratra masina izany ao an-dakilasy.

Fizarana 3

Manampy inona amin’ny fahatakarako ny momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny Dikantenin’i Joseph Smith sy ny Voahangy Lafo Vidy?

Sary
Mikatsaka fahendrena avy ao amin’ny Baiboly i Joseph Smith, nataon’i Dale Kilbourn

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampiseho fitiavana lehibe ho an’ny Baiboly nandritra ny fiainany. Nahatsapa anefa izy fa nisy olana ny lahatsoratra tao anatin’izany. Hoy izy:

Sary
ny Mpaminany Joseph Smith

Mino ny Baiboly araka izay nosoratan’ny penin’ireo mpanoratra tany am-piandohana aho. Nanao fahadisoana maro ireo mpandika teny tsy manam-pahalalana, na ireo mpandika soratra, na ireo mpitandrina te hitondra ny olona amin’ny sangany sy manana toe-tsaina lomorina.. (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 207)

Nanomboka tamin’ny fahavaratry ny taona 1830 dia nanomboka ny fandikan-teny nentanim-panahin’ny Baiboly i Joseph Smith. Tsy nandika ny Baiboly avy amin’ny fiteny iray ho amin’ny fiteny iray hafa izy, na hoe nanana ny Baiboly sora-tanana voalohany mba hanaovana ny fandikana. Fa i Joseph kosa dia namaky sy nandalina ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Baiboly King James ary avy eo dia nanao fanitsiana sy nanampy zavatra araka izay nitaoman’ny Fanahy Masina.

Ny ampahany amin’ny fanitsiana nentanim-panahy nataon’ny Mpaminany dia hita eny amin’ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy ao amin’ny tovana ao amin’ireo edisiônan’ny Baiboly sasany sy ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Ny Voahangy Lafo Vidy dia amboarana lahatsoratra nentanim-panahy izay manazava sy manampy ny fahatakarantsika ny filazantsara. Ny bokin’i Mosesy dia ahitana sombiny amin’ny dikantenin’i Joseph Smith ho an’ireo toko enina voalohany ao amin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly. Ny Joseph Smith—Matio dia ampahany amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Matio 23 sy 24 izay ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny Joseph Smith—Tantara sy Ireo fanekem-pinoana dia ampahany amin’ny tenivavolombelon’i Joseph Smith sy fanambarany ireo zavatra inoana.

Ny Voahangy Lafo Vidy dia ahitana ihany koa ireo zavatra sasany nosoratan’i Abrahama ilay patriarika. Tamin’ny fahavaratry ny taona 1835 dia nankao Kirtland Ohio nitondra faty maina voafono miisa efatra sy papirosy fahiny maromaro izay hita tao Thèbes Egypta ny lehilahy iray antsoina hoe Michael Chandler. Nandinika ireo horonan-taratasy papirosy ny Mpaminany Joseph Smith ary taorian’ny nandikany ny “sasany tamin’ireo tarehin-tsoratra izay tamin’ny endrika hiéroglyphes,” dia nilaza izy fa “ny iray tamin’ireo horonan-taratasy dia nahitana ny zavatra nosoratan’i Abrahama, ary ny iray hafa dia nahitana ny zavatra nosoratan’i Josefa tany Egypta” (History, 1838–1856, volume B-1 [1 September 1834–2 November 1838], 596). Niaraka tamin’ny fanampian’ny mpikamban’ny Fiangonana, ny Mpaminany dia nividy ireo faty maina voafono, sy horonan-taratasy papirosy roa, ary sombina papirosy maromaro. Nandika ny ampahan’ny zavatra nosoratan’i Abrahama tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izy ary taty aoriana dia namoaka azy ireo voalohany tao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana nantsoina hoe Times and Seasons, izay fantatra amin’ny hoe bokin’i Abrahama.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mitadiava andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith na ny Voahangy Lafo Vidy izay nanatevina ny fahatakaranao ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Raha tsy misy soratra masina tonga ao an-tsainao dia afaka misafidy avy amin’ity lisitra manaraka ity ianao. Miomàna hizara ao an-dakilasy ny andalan-tsoratra masina nosafidianao ary ny antony nisafidiananao izany.

Fizarana 4

Inona ny bokin’i Abrahama?

Sary
sombina papirosy

Ny bokin’i Abrahama dia boky soratra masina mitantara ny ampahany tany am-boalohandon’ny fiainan’ilay mpaminany araka ny teniny manokana. Izany dia milaza ny faniriany ho lasa “mpandala bebe kokoa ny fahamarinana” (Abrahama 1:2) sy ny fitokisany ny Tompo, izay namonjy azy tamin’ny fomba mahagaga taorian’ny nisamboran’ireo “rainy” azy mba ho ataon’ireo mpisoron’i Farao sorona (jereo ny Abrahama 1:5–7, 30). Io boky io ihany koa dia mampianatra fahamarinana lalina mahakasika ny fanekempihavanan’i Abrahama, ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ny maha-mandrakizay ny fanahy, ny fanendrena mialoha, ny Filankevitra tany an-Danitra sy ny tanjon’ny fiainana, ary ny famolavolana sy ny fahariana ny tany. Fa indrindra indrindra, mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izany—ny nahalehibe Azy talohan’ity fiainana ity, ny famindram-pony sy ny heriny hanavotana ny zanak’ Andriamanitra, ary ny anjara asa fototra ananany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Sary
I Abrahama miandrandra ny lanitra

Ireto lohahevitra manaraka ireto dia mikasika ny zavatra fantatsika sy tsy fantatsika momba ny niavian’ny bokin’i Abrahama.

Ny Bokin’i Abrahama sy ny Tontolo Fahagola

Ny bokin’i Abrahama dia tena mahavariana fa tsy mifanipaka mihitsy amin’ny zavatra izay nianaran’ireo manam-pahaizana mikasika ny tontolo fahagola. Ny sasany amin’izany fahalalana izany dia mbola tsy fantatra na tsy dia fantatra loatra tamin’ny vaninandron’i Joseph Smith. Ohatra, neritreretina taloha fa tsy nanatanteraka sorona olombelona araka ny voasoritsoritra ao amin’ny bokin’i Abrahama ny Egyptiana (jereo ny Abrahama 1:8–15; “Tahadika avy amin’ny Bokin’i Abrahama,” Lah. 1). Ny fikarohana ara-tantara vao tsy ela anefa dia manamarina fa nanatanteraka izany izy ireo ary nokendrena tamin’izany ireo izay nanohitra ny fomba fanao ara-pivavahana Egyptiana, toy ny nataon’ireo zanakavavin’i Onità izay voatonona ao amin’ny Abrahama 1:11.

Ny manam-pahaizana ihany koa dia nahita fa ireo sorona dia natao tsy tany Egypta ihany fa tany amin’ireo faritra izay teo ambany fitaoman’ireo Egyptiana ihany koa (jereo ny Abrahama 1:1, 5–11). Ny bokin’i Abrahama dia manonona ny hoe “an-dohasahan’i Olisema” akaikin’ny tanin’i Ora sy Harana (jereo ny Abrahama 1:10). Io anaran-tanana io dia tsy nisy nahafantatra tamin’ny vaninandron’i Joseph Smith. Ny lahatsoratra fahiny izay hita hatramin’ny taorian’izay anefa dia milaza toerana antsoina hoe Olisema any akaikin’i Harana izay mety mifanandrify tsara amin’ilay tanàna voalaza ao amin’ny bokin’i Abrahama. Lahatsoratra fahiny vitsivitsy ihany koa no milaza fa i Abrahama dia nampianatra an’ireo Egyptiana tamin’ny alalan’ny fampiasana ny astrônômia (jereo ny Abrahama 3:1–15; “Tahadika,” Lah. 3). Ny lahatsoratra fahiny hafa dia mitantara ny fahitan’i Abrahama momba ny Fahariana ary manoritsoritra ny filankevitra tany an-danitra izay niresahana sy nandrafetana ny famoronana ny olombelona (jereo ny Abrahama 3:23–25; 4:26–27). Ireo fitoviana ireo dia porofo manamarina ny maha-azo itokiana ny bokin’i Abrahama.

Mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo koa ny “Translation and Historicity of the Book of Abraham,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org; Daniel C. Peterson, “News from Antiquity,” Ensign, Jan. 1994, 16–21; and Kerry Muhlestein, “Egyptian Papyri and the Book of Abraham: A Faithful, Egyptological Point of View,” ao amin’ny Robert L. Millet, ed., No Weapon Shall Prosper: New Light on Sensitive Issues (2011), rsc.byu.edu.

Ny papirosy Egyptiana

Taorian’ny fahafatesan’i Joseph Smith dia namidin’ny fianakaviany ireo faty maina voafono sy papirosy. Ny ankamaroan’ny papirosy dia inoana fa simba tao amin’ilay Afo lehibe tao Chicago tamin’ny 1871. Tamin’ny 1967 anefa dia nanolotra ny Fiangonana sombina papirosy izay an’i Joseph Smith taloha ny Metropolitan Museum of Art ao New York. Ireo sombina papirosy voatahiry ireo dia avy tamin’ny taon-jato vitsivitsy talohan’i Kristy, izay fotoana ela taorian’ny niainan’i Abrahama.

Ny mpanao tsikera dia niezaka nampiasa ny daty niavin’ilay sombina papirosy mba hampisalasalana ny hafa momba ny fahamarinan’ny bokin’i Abrahama. Ny daty niavian’ilay papirosy anefa dia tsy voatery ho ny daty niainan’i Abrahama mba hanamarinana ny bokin’i Abrahama. Matetika ny rakitsoratra fahiny dia miampita amin’ny endrika tahadika na tahadikan’ny tahadika. Ohatra, ny lahatsoratra tranainy indrindra sisa tavela izay ahitana ireo bokin’ny Baiboly dia nosoratrana efa taon-jato maro taorian’ny nanoratana azy ireo voalohany indrindra (jereo ny John Gee, A Guide to the Joseph Smith Papyri [2000], 23–25, scholarsarchive.byu.edu; Kerry Muhlestein, “Egyptian Papyri and the Book of Abraham: Some Questions and Answers,” Religious Educator, boky 11, lah. 1 [2010], 91–108).

Ny olona sasany dia mitsikera ihany koa ny bokin’i Abrahama noho ireo dikan-teny maoderina ana sombina papirosy ahitana lahatsoratra momba ny fandevenana Egyptiana fahiny tsy mifanaraka amin’ny lahatsoratry ny bokin’i Abrahama. Mety misy antony vitsivitsy mahatonga izany.

Ny iray amin’ireo sombina papirosy dia ahitana ampahany amin’ilay sary izay ny Tahadika avy amin’ny bokin’i Abrahama, lah.1 ao amin’ny bokin’i Abrahama ankehitriny. Ny olona sasany dia lasa nihevitra fa tsy maintsy ny lahatsoratra nifanakaiky tamin’io sary io no loharano nandikan’i Joseph Smith ny bokin’i Abrahama. Mazàna anefa no ahitana sary ao amin’ny papirosy Egyptiana izay mifanalavitra ihany amin’ny lahatsoratra izay manoritsoritra azy. Ny vavolombelona nanatri-maso dia nilazalaza momba ny “rakitsoratra be dia be, nosoratana tamin’ny papirosy,” ka tao anatin’izany “ny horonan-taratasy lava” na “horonan-taratasy” maromaro amin’ny endrika papirosy (jereo ny John Gee, An Introduction to the Book of Abraham [2017], 5). Raha nandika teny ny Mpaminany Joseph Smith, dia mety nandika ireo fizarana tao amin’ny papirosy izay nopotehina taty aoriana izy. Noho izany dia tsy fantatsika hoe fizarana tao amin’ny papirosy inona no nampiasain’i Joseph tao amin’ny fandikan-teny.

Ny olona sasany dia nandroso hevitra fa angamba ny bokin’i Abrahama, na ny ampahany ao aminy, dia tsy avy amin’ny dikan-teny ara-bakitenin’ny papirosy. Araka io fironan-kevitra io dia mety ho nitarika an’i Joseph ho amin’ny fanambarana mikasika ireo tranga sy fampianarana lehibe teo amin’ny fiainan’i Abrahama ny fandalinan’i Joseph ny hiéroglyphes Egyptiana, tahaka ny fomba nandraisan’ny Mpaminany ny bokin’i Mosesy raha nandalina ny Baiboly izy. Na ny Tompo na i Joseph dia tsy nanazava ny dingana nanaovana ny fandikana ny bokin’i Abrahama.

Vavolombelona avy amin’ Andriamanitra

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny bokin’i Abrahama. Toy ny amin’ireo soratra masina hafa rehetra, ny finoana ny fahamarinan’ireo zavatra ao anatin’ny bokin’i Abrahama dia mikasika ny finoana voalohany indrindra. Ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ Andriamanitra ny amin’ny fahamarinan’ny fampianarana ao aminy izay azo amin’ny alalan’ny fandalinana ombam-bavaka sy ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina no porofo lehibe indrindra fa marina ilay izy. Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, raha mbola nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nijoro ho vavolombelona fa: “Iray no loharanon’ny fahamarinana izay feno, marina, ary maharitra mandrakizay. Izany loharano izany dia ny Ray any An-danitra manam-pahendrena tsy manam-pahataperana sy mahalala ny zavatra rehetra” (“Qu’est-ce que la vérité?” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 13 jan. 2013], 5, speeches.byu.edu).