Institiota
Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fifandimbiasan-toerana tao amin’ny Fiadidiana sy ny dia niankandrefana


“Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fifandimbiasan-toerana tao amin’ny Fiadidiana sy ny dia niankandrefana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra

Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Fifandimbiasan-toerana tao amin’ny Fiadidiana sy ny dia niankandrefana

Taorian’ny namonoana ho maritiora an’i Joseph sy Hyrum Smith dia maro ny Olomasina no nandray fijoroana ho vavolombelona avy tamin’ Andriamanitra fa i Brigham Young sy ireo Apôstôly Roambinifolo no hitarika ny Fiangonan’ny Tompo. Teo ambany fitarihana nentanim-panahy, dia nandeha mandrapaha-tonga tany amin’ny Lemak’i Salt Lake ireo Olomasina. Ity lesona ity dia natao mba hampiorenam-paka ny finoan’ny mpianatra fa ny Fiadidiana Voalohany sy ny Apôstôly Roambinifolo no mitazona ny fanalahidy rehetran’ny fisoronana amin’ity fotoampitantanana farany ity. Ity lesona ity koa dia hanampy ny mpianatra hatoky fa hitarika ny fiainan’izy ireo manokana ny Tompo rehefa manaja ny fanekempihavanany izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakana ireo apôstôly.

Asehoy ity sarin’i Joseph sy i Hyrum Smith manaraka ity.

Sary
I Joseph sy Hyrum Smith

Hazavao fa ireo mpirahalahy ireo dia maty maritiora tamin’ny harivan’ny 27 jona 1844. Ny ampitso marainan’io, dia nitaingina ny soavaliny nankao Nauvoo i Porter Rockwell naman’ny Mpaminany nihiaka hoe: “Maty i Joseph! Maty i Joseph! Novonoin’izy ireo izy!” (Anson Call, Autobiography and journal, circa 1856–1889, 12, Church History Library, Salt Lake City, Utah).

  • Ahoana araka ny eritreritrao no fahatsapan’ireo Olomasina rehefa nandre an’io vaovao io?

Azonao atao ny manontany ireo mpianatra raha efa nandre ny vaovao momba ny fahafatesan’ny mpaminany iray izy ireo sy ny fahatsapana tamin’izany.

  • Inona avy ireo fanontaniana sy ahiahy heverinao ho nananan’ny Olomasina tany am-boalohany rehefa nandre ny fahafatesan’i Joseph Smith izy ireo?

  • Nanao ahoana ny fihetsik’i Brigham Young tamin’ny vaovao momba ny fahafatesan’i Joseph sy i Hyrum Smith? (Raha ilaina dia asao ny mpianatra hamerina hijery ny fihetsik’i Brigham Young ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Na dia teo aza ny alahelony tamin’ny fahafatesan’ny Mpaminany, dia inona no nampionona an’i Brigham?

Asehoy ny sarin’i Brigham Young sy ny sarin’i Sidney Rigdon.

Sary
Brigham Young, Mosesy Amerikana, nataon’i Kenneth A. Corbett ary i Sidney Rigdon

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa i Brigham Young no Apôstôly efa ela niasana indrindra tamin’ny fotoana nahafatesan’ny Mpaminany. I Sidney Rigdon dia mpanolotsain’i Joseph Smith tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary nahatsapa fa tokony ho raiamandreny hitarika ny Fiangonana izy. Nampiantso fivoriana manokana i Sidney, niaraka tamin’ny fanantenana fa hanaiky ny fitakiany mba ho mpitarika ireo mpikamban’ny Fiangonana. Samy nandray fitenenana tamin’ny Olomasina i Sidney sy i Brigham.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo fanambarana nataon’ny Filoha Brigham Young hita ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny teny nambaran’i Brigham Young momba ny fahefana ananan’ireo izay voatendry ho Apôstôly? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra, dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ireo Apôstôly dia mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra izay ilaina mba hitarihana ny Fiangonana. [Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13; 112:30–32.])

Hazavao fa amin’izao androntsika izao, rehefa voatendry ny Apôstôly tsirairay, dia omena ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra naverin’ny Tompo teto an-tany tamin’ny alalan’i Joseph Smith izy. Na izany aza, ny Filohan’ny Fiangonana ihany no manam-pahefana hampiasa ireo fanalahidy rehetra ireo. Ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mampiasa ny fanalahidin’ny fisoronana hazonin’izy ireo eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Fiangonana.

  • Inona no mitranga ankehitriny rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana?

Raha ilaina dia asehoy ity teny manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana dia rava ho azy ny Fiadidiana Voalohany. Ireo lehilahy izay nanompo tamin’ny naha-mpanolotsaina azy ireo dia maka ny toerany ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary izany kôlejy izany no mitarika ny fitantanana ny Fiangonana, ka ny Apôstôly efa ela niasana indrindra no lohany. … Teo amin’ny tantarantsika dia ny apôstôly efa ela niasana indrindra foana no lasa filohan’ny Fiangonana mpandimby. (“Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, ” 16 jan. 2018, ChurchofJesusChrist.org)

Miverena amin’ireo sarin’i Brigham sy sarin’i Sidney, dia manontania hoe:

  • Inona no zavatra niainan’ny Olomasina maro rehefa nijery sy nihaino an’i Brigham Young niteny izy ireo? Inona no fiantraikan’izany tamin’izy ireo? (Amporisiho ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity: Hazavao fa ny Loholona Andersen dia nilaza ireto teny ireto tamin’ny andro nanohanana ny Filoha Russell M. Nelson ho Filohan’ny Fiangonana vaovao:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Manana tombontsoa isika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika handray tenivavolombelona ho an’ny tena manokana fa avy amin’ Andriamanitra ny antson’ny [mpaminany]. (“Ny mpaminanin’ AndriamanitraLiahona, mey 2018, 25-26).

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo fa antsoin’ Andriamanitra ny mpaminany ankehitriny ary koa ny fomba nahazoany izany fijoroana ho vavolombelona izany. Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ny fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana fa ny mpitarika ny Fiangonana dia voantso amin’ny alalan’ny aingam-panahy.

Nitarika ny Olomasina nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake i Brigham Young sy ireo Roambinifololahy.

Sary
Tempolin’i Nauvoo

Asehoy ny sarin’ny Tempolin’i Nauvoo, ary anontanio ireo mpianatra ny antony niasan’ny Olomasina mafy mba hamitana ny tempoly talohan’ny nandaozany ny tranony ka nifindra niankandrefana. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny teny nolazain’i Sarah Rich ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Hazavao fa rehefa nandao an’i Nauvoo handeha hanao dia miankandrefana ny Olomasina, dia zara raha nahalala ny zavatra hiainan’izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Erastus Snow, isan’ireo mpisava lalana voalohany ary mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo taty aoriana:

Sary
Loholona Erastus Snow

Rehefa nandao [ho any Andrefana] ireo mpisava lalana … dia nitady firenena iray izay notondroin’ny Mpaminany Joseph Smith teo afovoan’ny Tendrombohitra Harambato izahay. … Nandeha io andiana mpisava lalana io, tsy nahalala izay nalehany, fa … Andriamanitra dia efa nandidy azy ireo hankany amin’ny tany izay hasehony azy ireo. Ary isaky ny napetraka tamin’ny Mpaminany Brigham Young … ny fanontaniana hoe: “Ho aiza ianao?”, ny hany valiny azony omena dia hoe: “hasehoko anareo rehefa tonga eo isika.” Ny vavak’io andiana mpisava lalana io, izay natolotra andro aman’alina, tsy an-kijanona tamin’ Andriamanitra, dia ny hitarika antsika, araka ny nampanantenainy, tany amin’ny tany iray … efa nambarany fa homeny antsika. (Journal of Discourses, 16:207)

  • Inona no tsikaritrareo avy amin’io fanambarana io momba ny finoan’ireo mpisava lalana?

Angataho ireo mpianatra handinika iray minitra ny dian’ny fiainana manoloana azy ireo sy ny fitarihana avy any an-danitra antenain’izy ireo.

  • Inona no sasany amin’ireo fanamby niainan’ny Olomasina rehefa nandao an’i Nauvoo izy ireo ary nanomboka ny diany niankandrefana? (Raha ilaina dia amporisiho ny mpianatra hijery ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nandritra ilay ririnina nampitondra ny mafy tamin’ny taona 1846–47 raha mbola nivondrona vonjimaika tao Winter Quarters Nebraska ny Olomasina, dia nahazo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 i Brigham Young. Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:22, ka hitady ny fampanantenan’ny Tompo tamin’ireo Olomasina izay afaka mampahery antsika rehefa miezaka ny hahita sy hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra isika eo amin’ny fiainantsika.

Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “ny sandriko dia efa mihinjitra amin’ny andro farany” dia maneho ny herin’ny Tompo sy ny fitarihany izay atolony ny olony.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io andininy io mikasika ny zavatra irin’ny Tompo hataony ho an’ny olony? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Maniry ny hitarika sy hanampy antsika eo amin’ny fiainantsika ny Tompo.)

  • Inona avy ireo fomba sasany hitarihan’ny Tompo antsika eo amin’ny fiainantsika? Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny fitarihana toy izany? (Avereno jerena miaraka amin’ny mpianatra ny teny nolazain’ny Filoha Oaks ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Afaka mahazo fitarihana sy fanampiana avy amin’ny Tompo aho rehefa …

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:2–4, 7–11, 19–24 ary hitady hoe nila tonga karazan’olona toy ny ahoana ireo Olomasina mba hahazoany ny fitarihan’ny Tompo. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hitanisa ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe hamenoana ilay fitsipika.

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny fiezahana ho lasa ilay karazan’olona voafaritra ao amin’ireo andininy ireo no manampy antsika handray fitarihana sy fanampiana avy amin’ny Tompo?

Asao ny mpianatra hitadidy izay nolazain’i Brigham Young rehefa nahita ny Lohasahan’i Salt Lake voalohany izy (jereo ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana). Anontanio ireo mpianatra raha efa nisy fotoana teo amin’ny fiainany izay nanamafisan’ny Tompo taminy fa nanao ny tsara izy ireo na teo amin’ny toerana tsara. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany.

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hisaintsaina ombam-bavaka izao fanontaniana manaraka izao ary raiso an-tsoratra izay eritreritra sy fahatsapana mety ho azony:

  • Inona no tsapanao fa ilainao hifantohana mba hahazoana ny fitarihana avy amin’ny Tompo izay antenainao?

Farano amin’ny famporisihana ny mpianatra mba hanao asa araka ireo fahatsapana azon’izy ireo sy ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana nampianarina tato anatin’ity lesona ity.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao amin’ny mpianatra fa ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka dia handalina ny iray amin’ireo tranga mampalahelo indrindra teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izy ireo, dia ny Fandripahana tao Mountain Meadows. Asao izy ireo mba ho tonga ao an-dakilasy efa niomana hiresaka momba ny lesona azontsika tsoahina avy amin’io zava-nitranga io.