Institiota
Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy


“Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

Sary
I Joseph Smith mijoro eo anoloan’ny mpiangona

Midika inona aminao ny maha-mpikambana anao ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny? Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia diniho hoe ahoana no hitarihan’ny fandraisanao anjara ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ho amin’ny fitahiana lehibe kokoa ho anao sy ny fianakavianao, ary koa ny hafa izay hifanojo aminao eny amin’ny lalanao mandritra ny fiainanao manontolo.

Fizarana 1

Ahoana no mampiavaka Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ireo fiangonana sy fivavahana hafa rehetra?

Raha nijoro teo akaikin’ny ony iray tamin’ny 6 aprily 1830 i Joseph Smith, dia “nanatri-maso ny batisan’ny reniny sy ny rainy mba ho lasa mpikamban’ny fiangonana. Taorian’ny taona maro nandehanan’izy ireo tamin’ny lalana samy hafa tamin’ny fizahan’izy ireo ny fahamarinana, dia tafaray tao amin’ny finoana ihany izy ireo nony farany. Rehefa nivoaka avy tao amin’ny rano ny rainy, dia noraisin’i Joseph tamin’ny tanany izy, ka nampiany hankeo amin’ny sisin-drano, ary nofihininy.

“-Andriamanitro ô,- hoy izy nihiaka, nitampify teo an-tratran-drainy, -niaina aho mba hahita ny raiko natao batisa tao amin’ny fiangonana marin’i Jesoa Kristy!-” (Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 86)

Taorian’ny nandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna sy nandraisany fahefam-pisoronana avy teo an-tanan’ny iraka avy any an-danitra dia nitarika azy ny Tompo “tamin’ny alalan’ny Fanahin’ny Faminaniana sy fanambarana … hanangana indray ny Fiangonan’i [Jesoa Kristy] eto ambonin’ny tany” (Joseph Smith, ao amin’ny History, nanodidina ny jona 1839–nanodidina ny 1841 [vakiraoka 2], 29, josephsmithpapers.org). Ny 6 aprily 1830 dia olona teo amin’ny 60 isa teo ho eo no nivory tao amin’ny tranon’i Peter Whitmer Rainy tao Fayette New York, mba ho vavolombelon’ny “fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy amin’izao andro farany izao” araka ny “sitrapo sy ny didin’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1).

Tamin’ny andro nijoroan’ny Fiangonana dia nanohana an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery ho mpitarika azy ireo ny Olomasina, nandray ny fanasan’ny Tompo izy ireo, nanatri-maso fanendrena lehilahy ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana, ary nanatrika ny nandraisan’ireo vita batisa teo aloha ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny nandraisana azy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana.

Naneho hevitra momba io andro io ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

Rehefa avy nifaly izahay tamin’ny fanatrehana sy fahatsapana manokana ireo hery sy fitahian’ny Fanahy Masina, tamin’ny alalan’ny fahasoavana izay narotsak’ Andriamanitra teo aminay, dia nisaraka izahay tao anatin’ny fahalalana mahafinaritra fa izahay izao dia mpikambana, nankatoavin’ Andriamanitra, an’ “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” izay natsangana araka ny didy sy fanambarana nomeny. (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 138)

Ny Tompo dia nanondro tamin’ny alalan’ny fanambarana ny andro voafaritra tsara tokony hananganana indray ny Fiangonany ety an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20, sasin-tenim-pizarana), ary taty aoriana dia nomeny ny anarana izay tokony hiantsoana ny Fiangonany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4–5.

Tokony ho herintaona sy tapany teo ho eo taorian’ny nijoroan’ny Fiangonana dia nanambara ny Tompo fa nomeny an’i Joseph Smith ary olon-kafa ny hery “handatsahana ny fanorenan’ity fiangonana ity ka hamoaka azy avy ao amin’ny haizina sy avy ao amin’ny haizimpito, dia ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo, izay tena ankasitrahako, Izaho Tompo, raha miteny amin’ny fiangonana manontolo fa tsy amin’ny mpikambana tsirairay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30).

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no nanovan’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fiainanao?

Fizarana 2

Inona no antony sasany nahatonga ny Tompo hanambara fa ity no “hany fiangonana marina sy velona”?

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Toetoetra telo: (1) ny fahafenoan’ny fotopampianarana, (2) ny herin’ny fisoronana, ary (3) ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, no manazava ny antony nanambaran’ Andriamanitra sy ny antony hanohizantsika mpanompony milaza fa ity no hany Fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo. …

Koa satria be loatra ny zavatra very nandritra ny Apôstazia, dia nilaina ny namerenan’ny Tompo ny fahafenoan’ny fotopampianarany. …

Ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy, rehefa takatra amin’ny fahafenoany, no drafitra izay hahafahantsika ho lasa eo amin’ny toerana izay noheverina fa hahatongavan’ny zanak’ Andriamanitra. …

Ny toetoetra faharoa izay tena ilaina tokoa … dia ny fahefan’ny fisoronana. …

Noho isika mihazona ny herin’ny fisoronana, ireo mpitarika sy mpikambana nahazo lalana araka ny tokony ho izy … dia manam-pahefana hanatontosa ireo ôrdônansin’ny fisoronana takiana. …

Ny antony fahatelo maha ny hany Fiangonana marina antsika dia ny fananantsika ny fahamarinana nambara momba ny toetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy, ary noho izany isika dia manana fijoroana ho vavolombelona miavaka momba an’i Jesoa Kristy. Ary indrindra indrindra, ny zavatra inoantsika momba ny toetran’ Andriamanitra no mampiavaka antsika amin’ireo fotopampianaran’ny ankamaroan’ireo antokom-pivavahana Kristiana teo aloha. (Dallin H. Oaks, “The Only True and Living Church,” New Era, Aug. 2011, 3–5)

Sary
lehilahy manome tsodrano zatovovavy iray

Nanazava misimisy kokoa ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany “dia fiangonana velona satria ahitana ireo fomba fiasa sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina” (“Raiso ny Fanahy Masina,” Liahona, nôv. 2010, 97).

Nampianatra ihany koa ny Rahalahy Tad R. Callister, izay Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha hoe:

[Ny teny nambaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30] dia tsy midika hoe tsy manana fahamarinana ireo fiangonana hafa, satria tena manana tokoa izy ireo. Tsy midika izany hoe tsy manao ny tsara ny fiangonana hafa, satria tena manao zavatra tsara betsaka izy ireo. Midika kosa izany fa ity no hany fiangonana manana ireo fahamarinana rehetra izay efa nambara hatreto ato amin’ity fotoampitantanana ity—ny hany fiangonana manana ireo ôrdônansy ilaina amin’ny fisandratana ary ny hany fiangonana manana ny fisoronan’ Andriamanitra hanatanterahana ireo ôrdônansy ireo ka ankatoavin’ Andriamanitra izany. Inona no hitantsika ka manaporofo izany filazana izany? …

Raha toa ka mampitaha ny Fiangonan’i Kristy tany am-piandohana amin’ny fiangonana rehetra eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ny olona iray, dia hahita izy … fa fiangonana iray ihany no mifanaraka amin’izany —Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. (Tad R. Callister, “What Is the Blueprint of Christ’s Church?” [Fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 12 jan. 2014], ChurchofJesusChrist.org)

Zava-dehibe ny mahatakatra fa ny maha-mpikambana ao amin’ilay “hany fiangonana marina sy velona” an’i Jesoa Kristy dia tsy midika fa mino isika hoe tsara kokoa noho ny hafa. Ny maha-mpikambana antsika kosa dia mirakitra ny andraikitra hitia ny hafa sy hanasa azy ireo hanatona an’i Kristy ary handray ireo fitahian’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no zavatra niainana nanampy anao ho lasa mahafantatra fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fiangonana marina sy velon’ny Mpamonjy?

Fizarana 3

Inona no azoko zaraina amin’ny olona iray izay mahatsapa fa afaka ny ho mpivavaka sy masina ara-panahy izy na dia tsy mandray anjara ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo aza?

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Misy ireo izay mihevitra ny tenany ho tia mivavaka na masina ara-panahy nefa mandà ny fandraisana anjara amin’ny fiangonana na mandà ny ilàna rafitra toy izany mihitsy aza. Ny fivavahana amin’izy ireo dia zavatra ataon’ny tena manokana fotsiny. Kanefa ny Fiangonana dia zavatra nohariany, Izy izay ifantohan’ny ara-panahintsika—dia i Jesoa Kristy. …

…Mbola mitoetra ilay tanjona taloha ny hitory ny vaovao tsaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena—izany hoe hitondra ny olona mankany amin’i Kristy.

…Zava-dehibe ny mahafantatra fa ny tanjon’ Andriamanitra ambony indrindra dia ny fivoarantsika. Ny faniriany dia ny hanohizantsika “ny fahasoavana miampy fahasoavana ambara-pandraisan[tsika] ny fahafenoan[’]” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:13] izay rehetra azony omena. Izany dia mitaky mihoatra ny hoe tsara fanahy sy mahatsapa tena ho masina ara-panahy fotsiny. Mitaky finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisan’ny rano sy ny Fanahy ary faharetana am-pinoana hatramin’ny farany izany [jereo ny 2 Nefia 31:17–20]. Tsy misy olona afaka hahatanteraka izany ao anatin’ny fijanonana irery ka ny antony lehibe nananganan’ny Tompo Fiangonana dia ny hamoronana fikambanan’ Olomasina izay hifanohana ao amin’ilay “lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay” [2 Nefia 31:18]. …

Raha misy olona mino fa mitondra mankany an-danitra avokoa ny lalana rehetra na koa hoe tsy misy fepetra takiana manokana amin’ny fahazoana ny famonjena, dia tsy ho hitan’izany olona izany ny ilàna ny fitoriana ny filazantsara na ny ilàna ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ho fanavotana na ny velona na ny maty. Fa isika dia tsy miresaka fotsiny momba ny tsy fahafatesana fa momba ny fiainana mandrakizay ihany koa, ary tena ilaina ny lalan’ny filazantsara sy ireo fanekempihavanan’ny filazantsara raha ho an’izany. Ary mila Fiangonana ny Mpamonjy mba hahatonga azy ireo ho azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra—na ny velona na ny maty. (D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 108, 110)

Sary
fianakaviana mivoaka ny trano lehibe iray

Ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson, izay efa Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, dia nampianatra fa ny fandraisana anjara ao amin’ny Fiangonana dia manampy antsika ihany koa ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa amin’ny alalan’ny fanomezana antsika fahafahana hanompo sy hitsinjo ny hafa:

Marina fa manatrika ireo fivoriam-piangonantsika isan-kerinandro isika mba handray anjara amin’ireo ôrdônansy sy hianatra fotopampianarana ary hahazo fanentanam-panahy, saingy ny antony iray hafa tena manan-danja mba hanatrehana dia, mifampiambina sy mifankahery ary mitady fomba hifanompoana sy hifanamafisana orina isika amin’ny maha-fianakaviana iray ao anatin’ny paroasy antsika sy amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Tsy mpandray sy mpaka fotsiny izay atolotra any am-piangonana isika, fa ilaina isika ho mpanome sy mpamatsy. …

Angataho ny Rainao any An-danitra mba hampiseho ireo olona manodidina anao izay mila ny fanampianao sy hanome hevitra momba ny fomba tena tsara hanompoana azy ireo. Tsarovy fa tena matetika ny Mpamonjy no nanompo olona iray isaky ny mandeha. (Bonnie L. Oscarson, “Ireo filana fanampiana eo anoloantsika,” Liahona, nôv. 2017, 26)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no hanampian’ny fandraisana anjara mavitrika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo anao mba ho lasa tahaka Azy sy ny Rainao any An-danitra bebe kokoa? Inona no azonao atao mba handraisana anjara feno kokoa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?